FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 1/12 p. 24-25
  • Nanompo An’i Jehovah Foana i Jeremia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanompo An’i Jehovah Foana i Jeremia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Manontany Tena Foana ve Ianao Hoe: “Aiza i Jehovah?”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Niresaka Momba An’i Jehovah Foana i Jeremia
    Ampianaro ny Zanakao
  • Manàna Herim-po toa An’i Jeremia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 1/12 p. 24-25

Ampianaro ny Zanakao

Nanompo An’i Jehovah Foana i Jeremia

EFA nahatsiaro ho kivy sy tsy te hanompo an’i Jehovah intsony ve ianao?...a Maro no toy izany, ary iray amin’ireny i Jeremia. Tsy navelany hahakivy azy tanteraka anefa, na ny teny na ny zavatra nataon’ny olona. Sarobidy tamin’Andriamanitra i Jeremia. Na izany aza, dia nisy fotoana izy tsy te hanompo intsony. Andeha horesahintsika izany.

Mbola tsy teraka i Jeremia dia efa nofidin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ho mpaminany. Nasaina nampitandrina ny olona izy hoe tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo. Fantatrao ve izay notenenin’i Jeremia tamin’i Jehovah, taona maro tatỳ aoriana?... “Tsy mahay mandaha-teny aho fa mbola zaza ihany.”

Ahoana, hoy ianao, no namalian’i Jehovah azy?... Tsara fanahy nefa hentitra izy rehefa nilaza toy izao: “Aza manao hoe: ‘Mbola zaza ihany aho.’ Fa mandehana any amin’izay rehetra hanirahako anao, ary izay rehetra handidiako anao no ambarao. Aza matahotra.” Nahoana? “Momba anao aho, mba hanafaka anao”, hoy i Jehovah.—Jeremia 1:4-8.

Mbola kivy ihany anefa i Jeremia, tatỳ aoriana, araka ny voalaza teo. Nesoin’ny olona mantsy izy noho ny fanompoany an’Andriamanitra. ‘Ihomehezan’izy rehetra foana aho sady esoiny’, hoy i Jeremia. Tapa-kevitra ny tsy hanompo intsony arỳ izy, ka nanao hoe: “Tsy hiresaka momba [an’i Jehovah] intsony aho, na hiteny amin’ny anarany.” Nijanona tokoa ve izy?

Hoy i Jeremia: ‘Toy ny afo mirehitra ato am-poko ny tenin’i Jehovah, eny, toy ny afo mirehitra voahidy ao amin’ny taolako. Sasatry ny mihazona izany aho.’ (Jeremia 20:7-9) Na natahotra aza izy indraindray, dia nanohy nanompo an’i Jehovah noho ny fitiavany azy. Voaro i Jeremia satria tsy nanaiky ho resy. Andeha horesahintsika ny amin’izany.

Nasain’i Jehovah nilaza tamin’ny olona i Jeremia fa horavana i Jerosalema, raha tsy manova ny fomba fiainany izy ireo. Tezitra ny olona noho izany, ka niteny hoe: “Mendrika ny homelohina ho faty ity lehilahy ity.” Mbola nampirisika azy ireo ‘hankatò ny tenin’i Jehovah’ ihany anefa i Jeremia. Hoy izy avy eo: ‘Olona tsy manan-tsiny no hovonoinareo raha mamono ahy ho faty ianareo. Andriamanitra ange no naniraka ahy e!’ Fantatrao ve hoe inona no nitranga taorian’izay?...

Milaza ny Baiboly hoe: “Hoy ny andriana sy ny vahoaka manontolo tamin’ireo mpisorona sy mpaminany: ‘Tsy mendrika ny homelohina ho faty ity lehilahy ity, satria tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.’ ” Narovan’i Jehovah àry i Jeremia rehefa tsy nanaiky ho resin’ny tahotra. Nifanohitra tamin’ny nataon’i Jeremia anefa no nataon’i Oria, mpaminany hafa. Andeha hojerentsika izany.

Hoy ny Baiboly: ‘Naminany i Oria fa hisy loza hanjo an’i Jerosalema, sahala amin’izay nolazain’i Jeremia.’ Fantatrao ve hoe inona no nataon’i Oria, rehefa tezitra taminy i Joiakima Mpanjaka?... Natahotra izy ka nitsoaka tany Ejipta, ary tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra intsony. Naniraka olona hitady azy àry ny mpanjaka, mba hitondra azy hiverina. Inona, hoy ianao, no nataon’ilay mpanjaka ratsy fanahy avy eo?... Novonoiny tamin’ny sabatra i Oria!—Jeremia 26:8-24.

Nahoana no narovan’i Jehovah i Jeremia, fa tsy narovany kosa i Oria?... Nety ho natahotra toa an’i Oria i Jeremia. Niezaka nanompo an’i Jehovah foana anefa izy, fa tsy nitsoaka. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny ohatr’i Jeremia?... Mety ho sarotra amintsika indraindray ny manaraka ny tenin’Andriamanitra. Tokony hankatò sy hatoky azy foana anefa isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.

Fanontaniana:

○ Nofidin’Andriamanitra hanao inona i Jeremia?

○ Nahoana i Jeremia no tsy te hanompo an’i Jehovah intsony?

○ Nahoana no voaro i Jeremia, fa tsy voaro kosa i Oria?

○ Inona no nianaranao avy tamin’ny ohatr’i Jeremia?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara