Manontany ny Mpamaky
Marina ve fa Nisy Olon-kendry Telo Namangy An’i Jesosy Zazakely?
Asehon’ireo tantara krismasy any Amerika Atsimo ka hatrany Eoropa Atsinanana ary hatrany Azia, fa nisy mpanjaka na olon-kendry telo nitondra fanomezana ho an’i Jesosy zazakely. Marina ve izany raha jerena ny zava-misy? Andeha hojerentsika.
Tantarain’ny Filazantsaran’i Matio sy Lioka ny nahaterahan’i Jesosy. Resahina ao fa olona tso-piaina niandry ondry tany an-tsaha no namangy an’i Jesosy, tamin’izy teraka. Mpanandro, raha ny marina, ireo lazaina fa mpanjaka na olon-kendry, ary tsy voalaza ny isany. Tsy zazakely vao teraka tao amin’ny fihinanam-bilona i Jesosy rehefa novangian’izy ireo, fa efa lehibebe ary efa tany an-trano. Ny fitsidihan’izy ireo koa, raha ny marina, no saika nahafaty an’i Jesosy.
Diniho tsara ny fitantaran’i Lioka mpanoratra Baiboly. Hoy izy: ‘Nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny. Tampoka teo, dia nisy anjelin’i Jehovah nitsangana teo anilan’izy ireo. Hoy ilay anjely: “Hahita zaza menavava nofehezina lamba sady mandry ao anaty fihinanam-bilona ianareo.” Dia lasa haingana izy ireo ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary hitany koa ny zazakely nandry tao amin’ny fihinanam-bilona.’—Lioka 2:8-16.
Iza avy no teo tamin’i Jesosy vao teraka? Nilaza i Lioka fa tsy nisy afa-tsy i Josefa sy Maria ary ireo mpiandry ondry.
Diniho indray izao ny voalazan’ny Matio 2:1-11, araka ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara (DIEM): “Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema ... Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny.”
Mariho fa “olon-kendry” fotsiny no voalaza eo, fa tsy “olon-kendry telo.” Resahiny koa fa niainga avy tany atsinanana ireo lehilahy ireo, ary nankany Jerosalema aloha fa tsy nankany Betlehema, tanàna nahaterahan’i Jesosy. Tsy hoe vao teraka koa i Jesosy rehefa tonga tany Betlehema izy ireo, fa efa “zaza”, ary tsy tao an-tranom-biby intsony, fa efa tany an-trano.
“Olon-kendry mpandinika momba ny kintana” no iantsoan’ny DIEM an’ireo namangy an’i Jesosy. Misy fandikan-teny hafa koa miantso azy ireo hoe “Magy” na “mpanandro.” Milaza ny Boky Mahakasika ny Filazantsaran’i Matio (anglisy), fa avy amin’ny “teny grika manondro mpisorona persianina efa matihanina amin’ny fanandroana” ny hoe “olon-kendry.” Milaza koa ny Diksionera iray nosoratan’i Vine fa io teny io dia midika hoe “mpanao mazia, mpamosavy, olona mihambo ho mpanao mazia, mpampianatra momba ny filalaovana ody.”
Betsaka ankehitriny ny olona manandro sy milalao ody, nefa raran’ny Baiboly izany. (Isaia 47:13-15) Anisan’ny fomba ifandraisana amin’ny fanahy ratsy izany, ary halan’i Jehovah Andriamanitra. (Deoteronomia 18:10-12) Izany no nahatonga ny anjelin’Andriamanitra tsy nilaza ny nahaterahan’i Jesosy tamin’ireo mpanandro. Nampitandreman’Andriamanitra tamin’ny nofy kosa ireo mpanandro, mba tsy hankany amin’i Heroda mpanjaka ratsy fanahy, ka hitantara izay nitranga. Nitady hamono an’i Jesosy mantsy i Heroda. ‘Lalan-kafa [àry] no nandehanan’izy ireo nody tany amin’ny taniny.’—Matio 2:11-16.
Raha misy zavatra tsy marina àry amin’ny tantara momba ny nahaterahan’i Jesosy, mbola hankasitraka an’izany ihany ve ny tena Kristianina? Mazava ho azy fa tsia!