Manontany ny Mpamaky
Manasitrana Amin’ny Alalan’ny Finoana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
▪ Tsy manao an’izany mihitsy izy ireo. Manahaka an’i Jesosy izy ireo ka mino fa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nanirahana azy ireo. Inoany koa fa tsy ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana no amantarana ny tena Kristianina, fa zavatra lehibe kokoa.
Tena misy heviny ho antsika rehetra ireo fanasitranana nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny taonjato voalohany. Nanome antoka antsika izy ireny fa rehefa ho lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.
Ankehitriny koa dia milaza ho mahay manasitrana ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana, ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina sy ao amin’ny fivavahana sasany tsy kristianina. I Jesosy mihitsy anefa no niteny mafy an’ireo nilaza ho “nanao fahagagana maro” tamin’ny anarany. Hoy izy: “Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” (Matio 7:22, 23) Tena porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fitahiany àry ve ireo lazaina fa fanasitranana mahagaga atao ankehitriny?
Diniho izay lazain’ny Baiboly momba ny fanasitranana nataon’i Jesosy. Ho fantatsika avy hatrany hoe avy amin’Andriamanitra sa tsia ny fanasitranana ankehitriny, rehefa ampitahaintsika amin’ireo tantara ao amin’ny Soratra Masina.
Tsy nampiasain’i Jesosy hitarihana olona hanara-dia azy na hihaino azy mihitsy ny fanasitranana nataony. Maro amin’izy ireny no tsy hitan’ny besinimaro. Imbetsaka i Jesosy no nanakana an’ireo nositraniny mba tsy hiteniteny momba ny fahagagana nataony.—Lioka 5:13, 14.
Maimaim-poana ny fahagagana rehetra nataon’i Jesosy ary nety foana. (Matio 10:8) Tena sitrana avokoa izay marary nankeo aminy, ary tsy niankina tamin’ny finoana nananan’ilay olona izany. (Lioka 6:19; Jaona 5:5-9, 13) Nanangana ny maty mihitsy aza i Jesosy.—Lioka 7:11-17; 8:40-56; Jaona 11:38-44.
Marina fa nanao an’ireo fahagagana ireo i Jesosy. Tsy ny hanova ny finoan’ny olona amin’ny alalan’ny fahagagana mampihetsi-po anefa no tanjon’ny fanompoany, fa ny hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampiofaniny hanao mpianatra ny mpanara-dia azy. Izy ireo indray avy eo no hampianatra ny hafa momba an’ilay fanantenana hoe ho salama tanteraka ny olona rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 28:19, 20.
Marina fa nomena fahaiza-manasitrana ny sasany tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. Efa nitsahatra anefa izany. (1 Korintianina 12:29, 30; 13:8, 13) Tsy ny fahaiza-manasitrana no ahafantarana ny tena Kristianina ankehitriny, fa ny fitiavany sy ny fahafoizan-tenany. (Jaona 13:35) Tsy nahavita nampiray sy nampifankatia Kristianina avy amin’ny foko sy fari-piainana samihafa ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana.
Misy Kristianina tafaray sy tena mifankatia anefa, ka tsy manaiky hanisy ratsy ny Kristianina namany sy ny olon-kafa, na dia mandritra ny ady mahatsiravina aza. Iza izy ireo? Ny Vavolombelon’i Jehovah. Manana fitiavana toy ny an’i Kristy izy ireo, ary izany no ahafantarana azy eran-tany. Ny fanahy masin’Andriamanitra ihany no mahavita mampiray olona avy amin’ny firazanana, firenena, kolontsaina, ary foko samihafa. Fahagagana tokoa izany! Nahoana àry raha manatrika ny iray amin’ny fivorian’izy ireo?
[Sary, pejy 13]
Tena ankasitrahan’Andriamanitra ve ireo mpanasitrana ankehitriny (eo ankavanana)?