Avy amin’Andriamanitra ve ireo fanasitranana mahagaga?
NARARY hatramin’ny 38 taona ilay lehilahy. “Te-ho sitrana va hianao?” hoy ny fanontanian’i Jesosy azy. Raha teo amin’ny toeran’io lehilahy io ianao, moa ve tsy ho eny no ho navalinao? Izao no nolazain’i Jesosy taminy: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.” Inona no vokatry ny teniny? “Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha.” — Jaona 5:5-9.
Io fanasitranan’Andriamanitra io dia anankiray monja amin’ireo fahagagana maro nataon’i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany (Matio 11:4, 5). Amin’izao andro izao, ireo mpanasitrana dia manamafy fa mbola manao fanasitranana sahala amin’izany Andriamanitra, ka amin’izany dia manohana azy ny fanambarana nataon’ny olona an’arivony maro izay manambara fa sitrana noho ny fandraisan’izy ireny anjara.
Tsy fitoviana lehibe
Ny fandinihana ny Baiboly dia mampiharihary tsy fitoviana lehibe maromaro eo amin’ireo fanasitranana voalaza ao amin’ny fitantarana araka ny Baiboly sy ny an’ny mpanasitrana amin’izao androntsika izao. Ohatra, Jesosy sy ireo mpianany dia tsy nitady karama mihitsy. “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana”, hoy ny nampianarin’i Jesosy (Matio 10:8). Narahin’izy ireo tamin’izany ny ohatra nomen’i Elisa, izay tsy nety nandray ny fanomezan’i Namana, lehilahy iray nositraniny tamin’ny habokana (2 Mpanjaka 5:1, 14-16). Noho izany, amin’ny fitadiavana karama noho ny asany, ireo mpanasitrana dia tsy manaja io zavatra voalaza taloha ao amin’ny Baiboly io.
Aoka homarihintsika koa fa tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo fanasitranana dia tsapa teo no ho eo na tsy ela. Rehefa nahita lehilahy iray “nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ny apostoly Petera dia hoy izy taminy: “Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.” Ary izao no vakina manaraka izany: “Dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny [ny an’ilay nandringa]. Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana.” (Asa. 3:1-8). Hahita ohatra hafa ianao ao amin’ny Asa. 5:15, 16 sy 14:8-10.
Amin’izao andro izao kosa anefa ireo fanasitranana dia matetika no mitaky andro maro, herinandro maro, na volana maro mihitsy aza vao mety! Ny andinindininy hafa misy heviny koa dia ny hoe ireo mpanasitrana dia mirona ho voafetra ho amin’ny aretina mifandray amin’ny fiasan’ny faritra amin’ny vatana, toy ny fahajambana, ny fahalemen’ny hozatra na ny tsy fandrenesana — kilema izay avy amin’ny toe-tsaina indraindray no mahatonga azy. Nanao izao fanamarihana izao ilay mpandidy atao hoe Paul Brand: “Rehefa tsy azo ovana ny ratram-batana iray — ranjo tapaka, maso tsy ao na fahasimban’ny faritra misy volo — dia mahalana no ahitana fahagagana.” Jesosy kosa anefa dia nanasitrana “ny aretina rehetra mbamin’ny rofy [takaitra, MN ] rehetra”, anisan’izany ireo tsy metimety tsy azo lavina fa tena ao amin’ny faritra amin’ny vatana, toy ny tanana maina. — Matio 9:35; Marka 3:3-5.
‘Tsy fahampiam-pinoana izany!’
Mampalahelo ny mahatsapa fa marary mafy maro no mankany amin’ireo ‘kroazadin’ny fahagagana’, kanefa miverina any an-tranony mbola marary toy ny teo aloha. Manazava izany tsy fahombiazana izany ireo mpanasitrana amin’ny filazana hoe: ‘Tsy ampy finoana izy ireo!’ Tsapa ho misy fitaka anefa amin’izany, araka ny hamarinin’izao fanamarihana nataon’ny dokotera William Nolen izao: “Tsy mba sahala amin’ireo mpitsabo mahazatra ireo mpanasitrana fa tsy mba miantsoroka mihitsy ny andraikitra amin’ny tsy fahombiazana. Voatery miaiky aho fa ho tiako ny hanana fahafahana hiafina ao ambadiky ny fialan-tsiny toy izany rehefa tsy manan-kery eo anoloan’ny aretina iray aho.”
Na ireo mpaminanin’Andriamanitra, na Jesosy, na ireo mpianany dia tsy nila mihitsy ny nilaza fa tsy ampy finoana ny kilemaina iray tsy ho hainy nositranina. Marina fa ny tsy fahampiam-pinoana dia afaka manazava ny antony maha-vitsy ny tonga mitady fanasitranana. Kanefa rehefa tonga izy ireny, dia sitrana tanteraka foana! — Marka 6:5, 6.
Nisy koa olona miharihary tokoa fa tsy ampy finoana, nefa sitrana. Namana, filohan’ny tafika syriana, ohatra, dia tsy tena nino fa hahita fanjavonan’ny habokany tamin’ny fomba natoron’i Elisa mpaminany azy. Rehefa sitrana izy vao niaiky hoe: “Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ny Isiraely ihany.” (2 Mpanjaka 5:11-13, 15). Tsy azo ekena àry ny fanaporofoan-kevitra marefon’ireo mpanasitrana.
Ny fahaiza-manasitrana: tsy misy intsony amin’izao androntsika izao
Tsy marina anefa ve fa fahita teo amin’ireo kristiana voalohany ny fahaiza-manasitrana tamin’ny fomba mahagaga (1 Korintiana 12:9)? Izany tokoa, nefa nisy antony tsara dia tsara nahatonga fisian’ny fahagagana tamin’izany fotoana izany. Nandritra ny taonjato dimy ambin’ny folo, ny firenen’Israely araka ny nofo dia vahoaka voafidin’Andriamanitra; nolavina anefa izy tamin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana noho ny tsy fahampiam-pinoany ary nosoloana ny kongregasiona kristiana vaovao tanteraka. Nila fanampiana hafa dia hafa ireny kristiana voalohany ireny mba hanatanjahana ny finoany sy mba hanomezana porofo ho an’ny olona any ivelany fa nila ny fanohanan’i Jehovah Andriamanitra izy ireny.
Noho izany, ny kongregasiona kristiana vao teraka dia nahazo fahaizana mahagaga, anisan’izany ny amin’ny fanasitranana. Ireny fahaizana ireny dia sady “famantarana” ho an’ny tsy mino no fomba famelomana ny finoan’ny mpino (1 Korintiana 14:22). Rehefa ho taonjato roapolo atỳ aoriana anefa, dia tsy eo amin’ny fiandohany intsony ny kristianisma (jereo 1 Korintiana 13:9-13). Vita hatramin’ny ela be ny Baiboly ary miely an-tapitrisany maro. Noho izany antony izany, dia mora amin’ny kristiana marina ny mampitodika ireo olona iresahany tsy mpino ho amin’ireo pejin’ny Baiboly, mba hanamafisana izay ampianarin’izy ireo. Tsy mila fisehoan-javatra mahagaga intsony izy ireny.
Nilaza mazava koa i Paoly fa “ho foana” ireo fahaizana mahagaga. (1 Korintiana 13:8.) Tsy nampitaina afa-tsy mivantana izany fahaizana izany tamin’ny alalan’ireo apostolin’i Jesosy Kristy na teo anatrehan’izy ireny (Asa. 8:18-20; 10:44-46; 19:6). Taorian’ny fahafatesan’ireo apostoly, dia nitsahatra ireo fisehoan-javatra mahagaga.
Araka ny filazan’ny Encyclopédie de littérature biblique, théologique et ecclésiastique (anglisy) nataon’i McClintock sy Strong (boky faha-6, pejy faha-320), dia “tsy azo lavina fa tao anatin’ny vanim-potoana nisy zato taona nanaraka ny nahafatesan’ireo apostoly, dia kely ny fanambarana, na tsy misy mihitsy aza, ny amin’ny fahagagana nataon’ireo kristiana voalohany”.
Antony tokony hahamaodimaody
Nanambara i Jesosy Kristy fa ho avy ny fotoana hilazan’ny maro hoe: “Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?” Kanefa dia hamaly azy ireny toy izao i Jesosy: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:22, 23). Raha tsy ny fanahin’Andriamanitra, inona àry no miafina ao ambadiky ny toa fahombiazan’ireo mpanasitrana amin’ny fanaovana “asa lehibe”?
Amin’ny toe-javatra sasany, dia miharihary fa fitaka tsotra izao izany. Ohatra, ny gazety iray mivoaka isan’andro any Zimbabwe, ny Herald, dia nanonona ny amin’ny olona telo nireharehan’ny mpanasitrana malaza iray fa nositraniny, ary nanala sarona ny fitaka toy izao: “Ny ankizy voalohany dia mbola tsy mahita sy tsy miteny ihany; ny faharoa tsy marenina na moana mihitsy taloha; ary ny vehivavy iray, izay marenina fotsiny, dia mbola tsy mandre ihany.”
Indraindray ny fotoana fanaovana fanasitranana dia toa sarintsarim-panafody ho an’ilay marary; na koa, indrindra fa raha misy fotoana lava alohan’ny tena hisian’ny fahasitranana, dia toa tafiditra ny fiasan’ny fiarovan-tena voajanahary. Tao amin’ilay bokiny hoe La science et les phénomènes paranormaux (anglisy), ny dokotera William Nolen dia nanantitrantitra fa eo amin’ny “80% amin’ny marary tonga manatona [dokotera araka ny mahazatra] no manana aretina mety afaka avy hatrany — raha lazaina amin’ny teny hafa dia aretina manatona avy hatrany ny fahasitranana”. Koa satria manampy ny fotoana, ny mpanasitrana iray dia mety hilaza fa izy no nahasitrana.
Farany, ny Baiboly dia manazava fa “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava” mba hamitahana ny olombelona (2 Korintiana 11:14). Ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:9, 10 i Paoly dia manome izao fanazavana hafa izao: “Ny fihavin’ilehiny [ilay mpandika lalàna] dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery [“izao karazam-pahagagana rehetra izao”, Crampon 1905] sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very.” Tokony hitandrina àry isika: matetika ireo fanasitranana mahagaga no avy amin’ny herin’ny demonia! “Koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia hianareo, hoy i Paoly. Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo.” — 1 Korintiana 10:20, 21.
Rehefa marary ny kristiana iray
Marina fa mety ho fomba manintona ho an’ny marary iray ny fanasitranana mahagaga. Aoka homarihintsika anefa fa Epafrodito, naman’i Paoly, dia narary saika maty (Filipiana 2:25-27). Timoty, naman’i Paoly akaiky, dia voan’ny ‘fahosaosana matetika’ koa. (1 Timoty 5:23.) Tsy nanasitrana tamin’ny fomba mahagaga azy mirahalahy ireo anefa i Paoly. Afa-tsy izany koa, rehefa nila fitsaboana ny tenany, dia angamba izy nitady fanampiana tamin’i Lioka “mpitsabo malala”, izay niara-dia taminy. — Kolosiana 4:14, MN.
Toy izany koa amin’izao andro izao, ny kristiana iray izay marary dia afaka mitady ny fanampian’ny mpitsabo mahay iray, amin’ny fanilihana izay rehetra mety ho fanafodiny araka ny demonia na ny fifandraisana rehetra amin’ny mpivarotra fanafody hosokosoka miely aoka izany ankehitriny any amin’ny tany maro. Afaka mivavaka koa izy, tsy hoe mba hahazoana fanasitranana mahagaga, fa mba hananana fahendrena izay hahatonga azy ho afaka hisetra ny aretiny (Jakoba 1:5). Farany, dia azony atao koa ny mitalaho amin’Andriamanitra mba ‘hanohanany azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy’. — Salamo 41:3.
Mazava ho azy fa mahakivy ny mahatsapa fa tsy mahasitrana ny aretin’ny tena ny fitsaboana. Kanefa, na dia marary aza ny kristiana dia tokony hiady mba ‘hamantatra izay zavatra tsara indrindra’, ka tsy hamela ny fanahiany noho ny fahasalamana hanakona tanteraka ireo zavatra mitana ny sainy amin’ny lafiny ara-panahy (Filipiana 1:10). Azony atao ny manovo fampaherezana amin’ny fanantenana velominy, dia ny hiaina eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: Marary aho.’ — Isaia 33:24; 65:17-19.
Tsy azo lavina fa izany fanantenana ny amin’ny izao tontolo izao vaovao sy marina izany dia sarobidy lavitra noho ireo fampanantenana tsinontsinona omen’ny mpanasitrana. Porofon’izany ny hita tamin’i Peter, jamba iray tany Akumadan (Ghana). Nandritra ny 26 taona izy, dia mpikambana tao amin’ny Fiangonana mpanasitrana samy hafa noho ny fanantenana ny hanasitranana ny fahajambany. Tsy nisy mpanasitrana nampihiratra ny masony mihitsy anefa; avy eo, raha mbola mpikambana tao amin’ny antokom-pinoana mpanasitrana iray izy, dia tafahaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tamin’ny fampiasana ny Baiboly, dia nohazavain’izy ireo tamin’i Peter fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fanasitranana tanteraka amin’ny takaitra rehetra. Izany no nampihiratra ny masony raha lazaina ara-panoharana. Feno fankasitrahana noho ireo fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly izy, ka tonga mpitory manontolo andro ny Fanjakan’Andriamanitra, telo taona lasa izay. Tsy andriny ny fotoana izay, amin’ny fomba ara-bakiteny, dia ‘hampahiratana ny mason’ny jamba, ary hampahaladiana ny sofin’ny marenina’. — Isaia 35:5, 6.
Nampian’ny Tenin’Andriamanitra ny olona an’arivony maro ka, sahala aminy, dia afaka tamin’ny fitokisana tamin’ny fomba diso tamin’ireo mpanasitrana.
[Sary, pejy 5]
Mahalana ireo mpanasitrana no mahafaka ny takaitra tena ao amin’ny faritra amin’ny vatana.
[Sary, pejy 7]
Ny kristiana marary dia mivavaka mba hananana hery hiaretana ny mahazo azy. Tsy andriny koa izay hahatongavan’ny izao tontolo izao vaovao ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: Marary aho.’