Matokia An’i Jehovah fa efa Akaiky ny Farany
“Matokia an’i Jehovah mandrakariva.”—ISAIA 26:4.
1. Inona no tsy itovizan’ny mpanompon’Andriamanitra sy ny olona eto amin’ity tontolo ity?
TSY hitan’ny olona maro intsony izay hametrahana ny fitokisany. Efa imbetsaka angamba izy ireo no diso fanantenana, na tratran’ny ratram-po. Hafa mihitsy anefa ny mpanompon’i Jehovah. Tsy mametraka ny fitokisany amin’ity tontolo ity na amin’ny “olona ambony” izy ireo, satria tarihin’ny fahendren’Andriamanitra. (Sal. 146:3) Ankinin’izy ireo amin’i Jehovah kosa ny fiainany sy ny hoaviny, satria fantatr’izy ireo fa tia azy ireo i Jehovah. Fantatr’izy ireo koa fa manatanteraka foana ny Teniny izy.—Rom. 3:4; 8:38, 39.
2. Inona no nolazain’i Josoa mba hampisehoana fa azo itokisana Andriamanitra?
2 Nohamafisin’i Josoa fa azo itokisana Andriamanitra. Hoy izy tamin’ny Israelita, talohan’ny nahafatesany: “Fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra.”—Jos. 23:14.
3. Milaza inona momba an’Andriamanitra ny anarany?
3 Tsy noho ny fitiavan’i Jehovah ny mpanompony fotsiny no mahatonga azy hanatanteraka ny fampanantenany, fa indrindra indrindra noho ny anarany. (Eks. 3:14; 1 Sam. 12:22) Niresaka ny dikan’io anarana io ny teny fampidirana ao amin’ny Baiboly Manamafy Hevitra (anglisy) nosoratan’i J. Rotherham. Voalaza ao fa midika izy io hoe afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina Andriamanitra, mba hanatanterahana ny fampanantenany. Mampahatsiahy antsika io anarana io hoe mitana ny teniny foana Andriamanitra. Mahavita izay tokony hataony foana koa izy, na rahoviana na rahoviana, na aiza na aiza, ary na inona na inona olana mitranga. Hanao zavatra mifanaraka amin’ny anarany foana izy.
4. a) Mampirisika antsika hanao inona ny Isaia 26:4? b) Inona no hodinihintsika ato?
4 Ilaina àry ny manontany tena hoe: ‘Mahalala tsara an’i Jehovah ve aho, ka matoky azy tanteraka? Tsy matahotra ny hoavy ve aho, satria matoky fa voafehin’Andriamanitra foana ny zava-drehetra?’ Hoy ny Isaia 26:4: “Matokia an’i Jehovah mandrakariva, fa i Jah Jehovah no Vatolampy mandritra ny fotoana tsy voafetra.” Marina fa tsy manao fahagagana hanampiana ny olona tsirairay intsony Andriamanitra ankehitriny. Azo atokisana “mandrakariva” anefa izy, satria “Vatolampy mandritra ny fotoana tsy voafetra.” Ahoana no anampiany an’ireo mpanompony tsy mivadika ankehitriny? Ireto misy fomba telo: Manatanjaka antsika izy rehefa mangataka fanampiana aminy isika mba hanoherana fakam-panahy. Manohana antsika koa izy rehefa tsy miraika ny olona itoriantsika na manohitra. Ary farany, manome hery antsika izy rehefa maro ny zavatra mampanahy antsika. Handinika an’ireo isika izao, ka saintsaino hoe inona no azonao atao mba hahatonga anao hatoky kokoa an’i Jehovah.
Rehefa misy fakam-panahy
5. Inona no mety ho sarotra amintsika, raha ny fatokisana an’Andriamanitra no resahina?
5 Matoky isika fa hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah, ka hanova ny tany ho Paradisa ary hanangana ny maty. Miandrandra mafy an’izany mihitsy aza isika. Mety ho sarotra kokoa anefa ny hatoky an’i Jehovah, rehefa mila manapa-kevitra isika hoe hankatò sa tsy hankatò ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. Hatoky tanteraka ve isika amin’izay hoe tsara ny fitsipik’i Jehovah ka ny fanarahana azy ireny no tena mahasambatra? Hoy i Solomona Mpanjaka: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Ohab. 3:5, 6) Tsy ampy àry ny hoe matoky ny fampanantenan’Andriamanitra. Tokony ho hita eo ‘amin’izay rehetra ataontsika’ koa hoe matoky azy isika. Ahoana no ampisehoantsika izany rehefa misy fakam-panahy?
6. Inona no hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hanaisotra ny eritreri-dratsy?
6 Manomboka ao an-tsaina ny fialana amin’ny ratsy. (Vakio ny Romanina 8:5; Efesianina 2:3.) Inona àry no hanampy anao ho tapa-kevitra kokoa hanaisotra ny eritreri-dratsy? Misy fomba dimy ireto: 1. Mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. (Mat. 6:9, 13) 2. Saintsaino ny momba an’ireo olona resahin’ny Baiboly hoe nankatò na tsy nankatò an’i Jehovah. Diniho koa ny niafaran’izy ireo.a (1 Kor. 10:8-11) 3. Eritrereto ny fahoriana mety ho tsapanao sy ny mpianakavinao, raha manota ianao. 4. Eritrereto ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa misy mpanompony manao fahotana lehibe. (Vakio ny Salamo 78:40, 41.) 5. Alao sary an-tsaina ny hafaliany rehefa tsy manaiky hanao ratsy ny mpanompony, fa manao ny tsara foana na dia rehefa irery aza. (Sal. 15:1, 2; Ohab. 27:11) Hita hoe matoky an’i Jehovah ianao raha manao an’ireo.
Rehefa misy tsy miraika na manohitra
7. Inona no fitsapana natrehin’i Jeremia, ary nanao ahoana izy indraindray?
7 Tena sarotra itoriana ny faritany iasan’ny rahalahy maro. Toy izany koa ny faritany niasan’i Jeremia mpaminany. Nisy korontana be tao amin’ny fanjakan’ny Joda, taloha kelin’ny handravana azy. Niatrika fitsapana isan’andro i Jeremia, noho izy nankatò ka nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Na i Baroka, mpitan-tsorany tsy nivadika aza, nitaraina hoe sasatra. (Jer. 45:2, 3) Nanao ahoana i Jeremia vokatr’izany? Kivy izy indraindray. Hoy izy, indray mandeha: “Ho voaozona anie ny andro nahaterahako! ... Nahoana re aho no nivoaka avy tao an-kibo e, mba hisasatra sy ho vonton’alahelo toy izao, ka hifarana amin-kenatra ny androm-piainako?”—Jer. 20:14, 15, 18.
8, 9. Araka ny Jeremia 17:7, 8 sy ny Salamo 1:1-3, inona no tsy maintsy ataontsika raha te “hamoa foana” isika?
8 Tsy resin’ny hakiviana anefa i Jeremia. Natoky an’i Jehovah foana izy. Tanteraka taminy àry ilay voalazan’i Jehovah ao amin’ny Jeremia 17:7, 8, manao hoe: ‘Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah sy mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah. Ho toy ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, izay mampisandrahaka ny fakany eny akaikin’ny renirano. Tsy hihontsina akory izy na tonga aza ny hafanana, fa hirobona foana ny raviny. Ary tsy hanahy izy na dia amin’ny taona isian’ny hain-tany aza fa hamoa foana.’
9 Mamoa be ny hazo fihinam-boa rehefa ‘ambolena eo amoron-drano’, na ao amin’ny saha iray voatondraka tsara. ‘Namoa foana’ toy izany koa i Jeremia, izany hoe nitory foana. Tsy nanaiky ho voarebirebin’ireo mpaneso izy. Niantehitra foana tamin’ilay Mpanome “rano” mahavelona izy, ary nandray am-po izay rehetra nolazain’i Jehovah taminy. (Vakio ny Salamo 1:1-3; Jer. 20:9) Ohatra tsara tokoa i Jeremia, indrindra fa ho an’ireo manompo any amin’ny faritany sarotra itoriana! Raha toy izany ny faritany misy anao, dia miantehera tanteraka amin’i Jehovah. Hanampy anao hiaritra izy, rehefa manao “fanambarana ampahibemaso momba ny anarany” ianao.—Heb. 13:15.
10. Inona avy ny fanampiana omen’i Jehovah antsika, ary inona no fanontaniana tokony hosaintsainintsika?
10 Maro ny fomba anampian’i Jehovah antsika, mba hahafahantsika hiatrika ny olana mitranga amin’izao andro farany izao. Nanome ny Baiboly manontolo, ohatra, izy. Nadika araka ny marina tsara izy io sady natao amin’ny fiteny maro, nefa mbola adika amin’ny fiteny hafa koa. Omeny sakafo ara-panahy tondraka koa isika. Omeny amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izany, ary tonga amin’ny fotoana ilana azy. Nanome namana maro be koa izy mba hampahery antsika, dia ireo mpiray finoana mihaona amintsika any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Manararaotra tsara an’ireo fanampiana ireo ve ianao? “Hihoby noho ny fifalian’ny fony” izay rehetra mandray an’ireo fanampiana ireo. Izay tsy mihaino an’Andriamanitra kosa, dia “hitaraindraina noho ny alahelom-po ary hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.”—Isaia 65:13, 14.
Rehefa misy mampanahy anao
11, 12. Ahoana no ampisehoantsika fa manao zavatra amim-pahendrena isika, manoloana an’ireo olana mitranga eto amin’ity tontolo ity?
11 Mihazakazaka mamonjy toerana avo kokoa ny olona na mankeny ambony tafo, rehefa misy tondra-drano. Mitady toerana toy izany koa ny olona ankehitriny, satria mihamanafotra ny olombelona ny loza, araka ny efa voalazan’ny faminaniana. (Mat. 24:6-8; Apok. 12:12) Heverin’ny olona maro ho toy ny toerana avo afaka miaro azy ny fikambanana ara-barotra sy ara-politika, na ny fivavahana sy ny siansa ary ny teknolojia. Tsy tena miaro anefa ireo. (Jer. 17:5, 6) I Jehovah ihany no tena afaka miaro, satria “Vatolampy mandritra ny fotoana tsy voafetra” izy. (Isaia 26:4) Fialofana azo antoka ho an’ny mpanompony izy. Hoy ny mpanao salamo: ‘[I Jehovah] no vatolampiko sy mpamonjy ahy, eny, tendrombohitra fandosirako.’ (Vakio ny Salamo 62:6-9.) Ahoana àry no ampisehoantsika fa mialoka amin’io Vatolampy io isika?
12 Miantehitra amin’i Jehovah isika, raha mankatò ny Teniny. (Sal. 73:23, 24) Matetika no mifanohitra amin’ny fahendren’olombelona ny Tenin’i Jehovah. Mety hiteny toy izao, ohatra, ny olona manaraka ny fahendren’olombelona: ‘Mahaiza manararaotra fa mandalo ange ny fiainana e!’ ‘Mitadiava asa azo antoka.’ ‘Ataovy izay hahazoana vola be.’ ‘Mandehana mitety an’izao tontolo izao.’ Ampirisihina koa ny olona hividy zavatra foana. Izao anefa no atoron’ny Baiboly, izay mirakitra ny fahendrena avy amin’Andriamanitra: “[Aoka] izay mampiasa an’izao tontolo izao, ho toy ireo tsy revo tanteraka aminy, fa miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.” (1 Kor. 7:31) Nampirisika antsika koa i Jesosy mba hanao ny asan’ilay Fanjakana ho loha laharana foana, ka hanangona ‘harena any an-danitra.’ Tsy ho simba mihitsy izany harena izany.—Matio 6:19, 20.
13. Inona avy no fanontaniana tsara hosaintsainintsika, raha dinihina ny 1 Jaona 2:15-17?
13 Hita hoe matoky tanteraka an’Andriamanitra ve ianao, raha jerena ny fomba fihevitrao “an’izao tontolo izao” sy ny ‘zavatra eo aminy’? (1 Jaona 2:15-17) Inona no zava-dehibe kokoa aminao: Ny harena ara-panahy sy ny fanitarana ny fanompoana sa ny zavatra atolotr’ity tontolo ity? (Fil. 3:8) Miezaka hanana ‘maso tsotra’ foana ve ianao? (Mat. 6:22) Tsy hoe tian’Andriamanitra hanao zavatra tsy amim-piheverana, na hoe hanao tsirambina ny andraikitrao akory ianao, indrindra raha mamelona vady aman-janaka. (1 Tim. 5:8) Tian’i Jehovah kosa raha matoky azy tanteraka ny mpanompony, fa tsy hatoky ny tontolon’i Satana, izay efa miala aina.—Heb. 13:5.
14-16. Inona no soa noraisin’ny olona sasany noho izy nanana ‘maso tsotra’ sy nanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana foana?
14 Diniho ny ohatr’i Richard sy Ruth, mpivady manan-janaka telo mianadahy. Hoy i Richard: “Nanan-karena izahay taloha, kanefa hoatran’ny hoe ny ambinambin’izay nananako fotsiny no nomeko an’Andriamanitra. Tsapako hoe mbola afaka nanompo bebe kokoa aho. Nivavaka sy nandinika tsara àry izahay mivady. Nanapa-kevitra izahay hoe efatra andro isan-kerinandro ihany aho no hiasa, na dia nisy krizy ara-bola aza teo amin’ny firenena. Niresaka tamin’ny lehibeko àry aho, ary nanaiky izy. Novana ny fotoana niasako, iray volana taorian’izay.” Ahoana no fahitan’i Richard an’ilay fiovana?
15 Hoy izy: “Nesorina ny ampahadimin’ny karamako, nefa lasa manana 50 andro fanampiny isan-taona aho, mba hiarahako amin’ny fianakaviako sy hanabeazana ny zanako. Afaka nampitombo ho avo roa heny ny fotoana anompoako aho, ary nitombo avo telo heny ny fampianarako Baiboly. Mandray andraikitra bebe kokoa eo anivon’ny fiangonana koa aho. Lasa afaka manao mpisava lalana mpanampy tsindraindray koa i Ruth, satria manampy azy mikarakara ny zanakay aho. Tapa-kevitra aho fa tsy hanova an’io fotoana iasako io, raha mbola azo atao.”
16 Diniho koa ny ohatr’i Roy sy Petina. Manan-janaka mianadahy izy ireo, ary mbola miara-mipetraka aminy ny iray. Nampihena ny fotoana iasany izy mivady, mba hanompoana manontolo andro. Hoy i Roy: “Mpisava lalana izahay tamin’ny mbola tsy niteraka. Mbola te hiverina ho mpisava lalana anefa izahay na dia rehefa niteraka aza. Notanterahinay izany rehefa lehibe ny ankizy. Miasa telo andro isan-kerinandro aho izao, ary miasa roa andro i Petina. Nifindra tamina trano kely kokoa izahay, satria mora karakaraina kokoa ilay izy. Tena nahazo fitahiana be dia be izahay, ary tsy ho voavidim-bola aman-karena mihitsy izany.”
Aoka hiambina ny fonao “ny fiadanan’Andriamanitra”
17. Ahoana no nanampian’ny Soratra Masina anao, mba tsy hanahy momba ny hoavy?
17 Tsy misy mahalala izay havoakan’ny ampitso isika, satria “mety ho azon-tsampona” isika rehetra “amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpito. 9:11) Matetika no mikorontan-tsaina ny olona tsy mifandray akaiky amin’Andriamanitra, rehefa tsy mahafantatra izay hitranga rahampitso. Tsy voatery ho toy izany anefa isika. (Mat. 6:34) Hoy ny apostoly Paoly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”—Fil. 4:6, 7.
18, 19. Ahoana no fomba ampaherezan’Andriamanitra antsika? Manomeza ohatra.
18 Maro ny rahalahy sy anabavy nahatsiaro hoe tony tao anatin’ny toe-javatra sarotra, sady nahazo ny fiadanana avy amin’i Jehovah. Izany no tsapan’ny anabavy iray tamin’izy hodidiana. Hoy izy: “Nandresy lahatra sy nampatahotra ahy foana ny dokotera mpandidy iray mba hanaiky fampidiran-dra. Tsy niarahaba ahy izy isaky ny nihaona tamiko fa niteny hoe: ‘Hadalana izany tsy manaiky fampidiran-dra izany!’ Nivavaka mangina aho tamin’ireny fotoana ireny sy tamin’ny fotoana hafa, ka nahatsapa hoe nomen’i Jehovah fiadanana. Tsapako ho natanjaka toy ny vatolampy aho. Marina fa nalemy aho satria kely dia kely ny rako, kanefa vitako ny nanazava avy tao amin’ny Baiboly hoe nahoana aho no tsy manaiky hampidiran-dra.”
19 Mety hanome ny fanampiana ilaina koa Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpiara-manompo mampahery, na sakafo ara-panahy tonga amin’ny fotoana ilana azy. Azo inoana fa efa nisy rahalahy na anabavy renao nilaza hoe: “Tena ilaiko ity lahatsoratra ity! Tena natao ho ahy mihitsy izy ity!” Na inona na inona àry ilaintsika, na toe-javatra atrehintsika, dia azo antoka fa hanaporofo ny fitiavany antsika foana i Jehovah raha matoky azy isika. ‘Ondriny’ rahateo isika, sady nampitondrainy ny anarany!—Sal. 100:3; Jaona 10:16; Asa. 15:14, 17.
20. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no ho voaro, rehefa hifarana ny tontolon’i Satana?
20 Ho fongana daholo ny zava-drehetra atokisan’ny olona eto amin’ity tontolon’i Satana ity, amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah”, efa mihamanatona haingana. Tsy hahavita hiaro na iza na iza ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy hafa. (Zef. 1:18; Ohab. 11:4) Ilay “Vatolampy mandritra ny fotoana tsy voafetra” ihany no hiaro antsika. (Isaia 26:4) Aoka àry isika hatoky tanteraka an’i Jehovah dieny izao. Ahoana no ampisehoantsika an’izany? Mila mankatò ny fitsipiny marina isika, ary mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana na dia tsy miraika sy manohitra aza ny olona. Mila apetratsika amin’i Jehovah koa izay rehetra mampanahy antsika. Raha manao an’ireo isika, dia “tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.”—Ohab. 1:33.
[Fanamarihana ambany pejy]
Hainao Hazavaina Ve?
Ahoana no hampisehoantsika fa matoky an’Andriamanitra isika rehefa
• misy fakam-panahy?
• misy olona tsy miraika na manohitra?
• misy zavatra mampanahy antsika?
[Sary, pejy 13]
Mahasambatra ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra
[Sary, pejy 15]
‘I Jehovah no Vatolampy mandritra ny fotoana tsy voafetra’