Manontany ny Mpamaky
Misy Firazanana Heverin’Andriamanitra ho Ambony noho ny Hafa Ve?
▪ Tsia! Hoy ny Baiboly: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Tena tsy mitovy amin’ny an’Andriamanitra ny fihevitry ny olombelona tsy lavorary momba ny firazanana. Maro no mihevitra fa ambony ny firazanana sasany (matetika ny firazanany). Mitovy amin’ny toe-tsain’i Charles Darwin izany. Hoy izy: “Indray andro any, ... dia azo antoka fa hanafoana ny firazanana ambany ny firazanana ambony ka izy ireo no hisolo azy.” Mampalahelo tokoa fa olona maro no nampijalin’ireo mihevitra ny firazanany ho ambony.
Tsara ve anefa ny mihevitra ny firazanana iray ho ambony noho ny hafa? Efa voaporofon’ny siansa tamin’ny fandinihana ny fototarazo ve, ohatra, fa ambony ny firazanana sasany? Hoy i Bryan Sykes, manam-pahaizana momba ny fototarazo sady mpampianatra: “Tsy misy fototarazo manokana azo anavahana ny fiaviana na ny firazanan’ny olona. ... Nisy nanontany foana aho raha misy ny hoe ADN grika na fototarazo italianina. Mazava ho azy anefa fa tsy misy izany. ... Tena mitovy daholo isika.”
Mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra Masina izany. Milaza ny Baiboly fa lehilahy iray sy vehivavy iray no noforonin’Andriamanitra, ary avy amin’izy ireo ny olombelona hafa rehetra. (Genesisy 3:20; Asan’ny Apostoly 17:26) Amin’Andriamanitra àry, dia iray ihany ny fiavian’ny olombelona rehetra.
Tsy ny volon-koditra na ny endriky ny olona velively no tena zava-dehibe amin’i Jehovah, fa ny ao am-po. Hoy izy: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Tena hampahery antsika ny fitadidiana izany. Nahoana?
Na inona na inona firazanantsika, dia maro amintsika no tsy tia ny bika aman’endritsika. Tsy misy azontsika atao amin’izany anefa. Azontsika hatsaraina kosa ny toe-tsaintsika sy ny ao am-pontsika, satria izany no zava-dehibe indrindra. (Kolosianina 3:9-11) Raha mandini-tena tsara isika, dia mety hahita fa mora mahatsiaro ho ambony na ambany noho ny olona avy amin’ny firazanana hafa. Samy tsy mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra anefa izany. Tokony hiady mafy àry isika mba hanala izany ao am-pontsika.—Salamo 139:23, 24.
Afaka matoky isika fa hanampy antsika i Jehovah, raha miezaka mafy isika hanahaka ny fiheverany antsika sy ny hafa. Hoy ny Teniny: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tantara 16:9) Manao izany izy na inona na inona firazanantsika.