FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/9 p. 4-6
  • Iza Marina no Mitondra An’izao Tontolo Izao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza Marina no Mitondra An’izao Tontolo Izao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza marina no mitondra an’izao tontolo izao?
  • Iza moa ny Devoly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Tena Misy ve ny Devoly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Misy ve izany hoe fanahy ratsy?
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/9 p. 4-6

Iza Marina no Mitondra An’izao Tontolo Izao?

MBOLA tsy nahita lehiben’ny jiolahy mihitsy angamba ianao. Midika ve izany fa tsy misy izy ireny? Tena mahay manafina ny maha izy azy izy ireny. Misy aza efa any am-ponja nefa mbola mahavita manao teti-dratsy ihany. Miresaka ny vokatry ny ataon’izy ireny, ohatra, ny gazety rehefa mitantara ny adin’ny mpivarotra zava-mahadomelina sy momba ny mpivaro-tena ary ny fivarotana olona. Tena misy àry ny lehiben’ny jiolahy matoa mitranga ireny.

Lazain’ny Tenin’Andriamanitra na ny Baiboly fa tena misy i Satana. Toy ny lehiben’ny jiolahy izy, ka mampiasa ‘famantarana mandainga’ sy “famitahana tsy marina” mba hanatanterahana ny fikasany. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava” izy. (2 Tesalonianina 2:9, 10; 2 Korintianina 11:14) Ny vokatry ny ataony àry no amantarana fa tena misy izy. Sarotra amin’ny ankamaroan’ny olona anefa ny hino fanahy ratsy iray tsy hita maso. Handinika an’izay resahin’ny Baiboly momba ny Devoly isika. Hojerentsika anefa aloha ny zavatra diso inoan’ny olona izay mahatonga azy ireo tsy hino hoe tena misy ny Devoly.

◼ “Andriamanitra fitiavana ve dia hamorona ny Devoly?” Milaza ny Baiboly fa marina sy tonga lafatra Andriamanitra. Tsy mampino mihitsy àry raha izy no namorona zavaboary faran’izay ratsy fanahy. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nanao an’izany izy. Voalaza ao kosa hoe: “Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy, fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.”—Deoteronomia 32:4; Salamo 5:4.

Tsy manao ratsy mihitsy àry ve ny zavaboary lavorary noforonin’Andriamanitra? Tsy nataony toy ny milina tsy manan-tsafidy ny zavaboary manan-tsaina sy lavorary, fa afaka misafidy ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy. Raha ny marina, dia ny zavaboary manan-tsaina manana safidy malalaka ihany no azo tsaraina amin’izay ataony, na olona izy na anjely.

Tsy ara-dalàna àry raha hoe nomen’Andriamanitra safidy ny zavaboariny, nefa tsy avelany hanao ratsy raha izany no safidiny. Nilaza i Jesosy fa tsy nahay nisafidy ny Devoly. Hoy i Jesosy: ‘Tsy nifikitra tamin’ny marina izy.’ (Jaona 8:44) Midika izany fa anjely lavorary ny Devoly tamin’ny voalohany, ary efa “nifikitra tamin’ny marina.”a Nomen’i Jehovah safidy malalaka ny zavaboariny satria tiany sy atokisany.—Jereo ny efajoro hoe “Mety ho Lasa Tsy Lavorary ve ny Zavaboary Lavorary?”, eo amin’ny pejy 6.

◼ “Mpanompon’Andriamanitra ny Devoly” Misy mihevitra fa hoatran’ny milaza an’izany ny bokin’i Joba. Milaza ny boky iray fa nandehandeha sy nitatitra ny zava-drehetra tany amin’ny mpanjakany ny mpitsikilo persianina fahiny. Mitovy amin’izany, hono, no nataon’ny Devoly tamin’izy “nivezivezy teny ambonin’ny tany.” (Joba 1:7) Raha tena mpitsikilon’Andriamanitra anefa ny Devoly, nahoana izy no mbola nanazava ihany hoe avy “nivezivezy teny ambonin’ny tany”? Tsy milaza mihitsy ny bokin’i Joba hoe naman’Andriamanitra ny Devoly. Antsoiny hoe Satana na “Mpanohitra” kosa izy. Midika izany fa Fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra izy. (Joba 1:6) Avy aiza àry ilay hevitra hoe mpanompon’Andriamanitra ny Devoly?

Asehon’ny boky sasany tamin’ny taonjato voalohany, toy ny “Bokin’ny Jobily” sy ny “Fitsipika Iombonana” nataon’ny sektan’ny Qoumrân, fa nifampiraharaha tamin’Andriamanitra ny Devoly ary mbola nanaiky hanao ny sitrapony. Nilaza i J. Russell, mpahay tantara, tao amin’ny bokiny iray, fa nihevitra i Martin Luther, Protestanta Mpitondra Fanavaozana, hoe fitaovan’Andriamanitra ny Devoly, “toy ny antsim-bilona na angady kely hampiasainy hanaovana ny zaridainany.” Ny dikan’izany, hoy i Russell, dia hoe “faly manala ahidratsy fotsiny ilay angady kely”, ary mbola eny an-tanan’ilay Andriamanitra mahery ihany ka ampiasainy hanatanterahana ny sitrapony. Nanaiky ny fampianaran’i Luther ilay teolojianina frantsay atao hoe Jean Calvin tatỳ aoriana. Nahasosotra ny mpino maro anefa ilay hevitr’i Luther satria tsy ara-drariny. Andriamanitra fitiavana ve dia hamela ny faharatsiana hisy sady maniry ny hitrangan’izany mihitsy? (Jakoba 1:13) Lasa tsy nino intsony ny olona hoe misy Andriamanitra sy ny Devoly, noho ny fampianaran’i Luther sy ireo zava-nitranga mahatsiravina tamin’ny taonjato faha-20.

◼ “Ny ratsy ao anatin’ny olona fotsiny ny Devoly” Tsy ho azo mihitsy ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly raha marina izany. Iza, ohatra, ilay nifampiresaka tamin’Andriamanitra ao amin’ny Joba 2:3-6? Niresaka tamin’ny faharatsiana tao anatin’i Joba ve izy sa niteny irery? Izy ve dia hidera an’i Joba noho ny toetra tsarany nefa avy eo hamela azy hotsapain’ny faharatsiana ao anatiny? Hoatran’ny tsy misaina afa-tsy ny hanisy ratsy olona fotsiny izy raha izany, ary tsy marina koa ilay hoe “tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.” (Salamo 92:15) Mifanohitra amin’izany kosa fa tsy nety ‘naninjitra ny tanany’ hamelezana an’i Joba izy. Tsy ny ratsy ao anatin’ny olona fotsiny àry ny Devoly. Tsy toetra ratsin’Andriamanitra koa izy io, fa anjely nanao ny tenany ho Fahavalon’Andriamanitra.

Iza marina no mitondra an’izao tontolo izao?

Maro no mihevitra fa ny Ntaolo no mino hoe misy ny Devoly. Tsy misy fanazavana hafa mahafa-po anefa ankoatra ny hoe avy amin’ny Devoly ny faharatsiana. Lasa nanda an’Andriamanitra sy ny fitsipiny momba ny fitondran-tena mihitsy aza ny olona maro, noho ilay hevitra hoe tsy misy ny Devoly.

Hoy i Charles Baudelaire, poety tamin’ny taonjato faha-19: “Ataon’ny devoly izay hinoantsika fa tsy misy izy. Izany no fitaka lehibe indrindra ampiasainy.” Manafina ny maha izy azy izy mba hahatonga ny olona hisalasala koa raha misy Andriamanitra. Raha tsy misy ny Devoly, tsy midika ve izany hoe Andriamanitra no mahatonga ny faharatsiana? Izany mihitsy anefa no tian’ny Devoly hinoan’ny olona.

Manafina ny maha izy azy ny Devoly, toy ny ataon’ny lehiben’ny jiolahy, mba hanatratrarana ny tanjony. Fa inona no tanjony? Hoy ny Baiboly: “Ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hamirapiratra amin’izy ireo ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.”—2 Korintianina 4:4.

Mbola misy fanontaniana lehibe anefa: Hataon’Andriamanitra ahoana io atidoha mikotrika ny faharatsiana sy fijaliana io? Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manazava ny antony tsy namaranan’Andriamanitra avy hatrany ny fikomian’ny Devoly ny toko 11 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Mpanompon’Andriamanitra sa mpanohitra azy ny Devoly?

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Mety ho Lasa Tsy Lavorary ve ny Zavaboary Lavorary?

Voafetra ihany ny maha lavorary ny zavaboary manan-tsaina nataon’Andriamanitra. Mbola nila nanaja ny fetra nomen’ny Mpamorona azy i Adama na dia lavorary aza. Tsy maintsy nizaka ny vokany, ohatra, izy raha nihinana vovoka na vatokely na hazo. Tsy maintsy maty na naratra mafy koa izy, raha tsy niraharaha ny hery misinton’ny tany ka nitsambikina avy teny ambony tevana.

Toy izany koa fa tsy maintsy mizaka ny vokany ny zavaboary lavorary, na olombelona na anjely, raha mivaona amin’ny fitsipika momba ny fitondran-tena napetrak’Andriamanitra. Mora manao diso sy manota àry ny zavaboary manan-tsaina raha tsy mahay misafidy.—Genesisy 1:29; Matio 4:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara