FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 15/9 p. 13-17
  • Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah Ireo Sekoly Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah Ireo Sekoly Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MANDRAISA SOA AVY AMIN’NY FAMPIOFANAN’I JEHOVAH
  • Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Mandray ny Fampianaran’i Jehovah ve Ianao, Raha Mbola Azonao Atao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Ahoana no Ampiofanana ny Vavolombelon’i Jehovah mba Hahavitany ny Fanompoany?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 15/9 p. 13-17

Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah Ireo Sekoly Ara-baiboly

I JEHOVAH no tena “Mpampianatra” antsika. (Isaia 30:20) Ny fitiavana no mahatonga azy hampianatra sy hampiofana antsika. Tena tiany, ohatra, i Jesosy, ka asehony azy ny ‘zava-drehetra ataony.’ (Jaona 5:20) Tia antsika Vavolombelony koa izy, ka omeny ny “lelan’ny efa nampianarina” isika, rehefa miezaka manome voninahitra azy sy manampy ny hafa.—Isaia 50:4.

Be fitiavana toa an’i Jehovah koa ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, ka nandamina sekoly ara-baiboly folo ho an’izay maniry hahazo fiofanana sy afaka manao azy io. Tsapanao ve fa porofon’ny fitiavan’i Jehovah ireny sekoly ireny?

Andeha isika hanao topy maso momba an’ireo sekoly ireo, ary handinika ny tenin’ireo efa nandray anjara tamin’izy ireny. Eritrereto avy eo hoe ahoana no ahafahanao mandray soa avy amin’ireny sekoly ireny.

MANDRAISA SOA AVY AMIN’NY FAMPIOFANAN’I JEHOVAH

Be fitiavana i Jehovah, ka mampiofana antsika mba hanana fiainana tsara kokoa, hahay hiatrika olana, ary ho faly amin’ny fanompoana. (2 Kor. 13:11) Ny fampiofanan’i Jehovah koa no mahatonga antsika hahay hanampy ny hafa, ka ‘hampianatra azy ireo hitandrina an’izay rehetra’ nandidiana antsika, toa an’ireo Kristianina voalohany.—Mat. 28:20.

Marina fa mety tsy ho afaka hanao an’ireo sekoly rehetra isika. Afaka manao ny sasany anefa isika, ary mampihatra avy eo. Afaka manatsara ny fanompoantsika koa isika, rehefa miara-miasa amin’ireo mpanompon’i Jehovah nahazo fampiofanana.

Afaka miezaka àry ve ianao mba handray anjara amin’ny iray amin’ireo sekoly ireo?

Tombontsoa be ny mandray anjara amin’izy ireny, sady ahazoantsika fampiofanana. Enga anie ka hanampy anao ho akaiky kokoa an’i Jehovah izy ireny, ary hanampy anao hiantsoroka tsara ny asa ankininy aminao, indrindra fa ny asa fitoriana, izay asa tena maika.

TOPY MASO AN’IREO SEKOLY

Ankizilahy kely mamaky Baiboly eny amin’ny lampihazo

Sekolin’ny Fanompoana

Zava-kendreny: Natao hampiofanana ny mpitory mba hahay hitory sy hampianatra ny vaovao tsara.

Faharetany: Mitohy foana.

Toerana: Efitrano Fanjakana

Fepetra takina: Afaka manao azy io izay rehetra miaraka foana amin’ny fiangonana, manaiky ny fampianaran’ny Baiboly, ary miaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly.

Fomba andraisana anjara: Misoratra anarana amin’ny mpiandraikitra ny sekoly.

Hoy i Sharon, izay lasa nalemy noho ny aretina: “Nanampy ahy ilay sekoly mba hahay hanao fikarohana sy hanazava hevitra amin’ny fomba mirindra. Nanampy ahy koa izy io hahatakatra fa tsy izay ilaiko ara-panahy ihany no tokony hifantohako, fa izay ilain’ny hafa ara-panahy koa.”

Hoy i Arnie, mpiandraikitra mpitety faritany efa ela: “Niakanakam-piteny aho tamin’ny mbola kely, sady tsy nahajery olona teo amin’ny masony. Nanampy ahy anefa i Jehovah tamin’ny alalan’io sekoly io, ka lasa matoky tena sy mahatsiaro ho misy vidiny aho. Lasa mahay mifoka rivotra aho rehefa miteny, ary lasa mahay mifantoka koa. Faly aho fa afaka midera an’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana sy eny amin’ny fanompoana.”

Sekoly ho An’ny Betelita Vaovao

Zava-kendreny: Natao hanampiana an’ireo Betelita vaovao mba hahomby amin’ny fanompoany ao amin’ny Betela.

Faharetany: 45 minitra isan-kerinandro, mandritra ny efa-bolana latsaka kely.

Toerana: Betela.

Fepetra takina: Tokony ho Betelita maharitra, na mpiasa an-tsitrapo tsy maharitra nekena hanompo ao amin’ny Betela mandritra ny herintaona na mihoatra.

Fomba andraisana anjara: Tonga dia hasaina hanao azy io ny Betelita vaovao.

Nanatrika azy io i Demetrius tamin’ny 1985 tany ho any. Hoy izy: “Nanatsara ny fahazarako mianatra ilay sekoly, ary nanampy ahy haharitra amin’ny fanompoako ato amin’ny Betela. Nanampy ahy koa ireo mpampianatra sy ny lesona nataonay ary ny torohevitra azoko, ka niaiky aho hoe tena tia sy miahy ahy i Jehovah, ary te hanampy ahy hahomby amin’ny fanompoako ato.”

Hoy i Kaitlyn: “Nanampy ahy io sekoly io mba hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra, dia ny hoe manao ny sitrapon’i Jehovah. Lasa nankasitraka kokoa an’i Jehovah, sy ny tranony, ary ny fandaminany koa aho.”

Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana

Anti-panahy efatra an’ny Vavolombelon’i Jehovah

Zava-kendreny: Natao hampiofanana an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany, anti-panahy, ary indraindray mpanampy amin’ny fanompoana, mba hiantsoroka tsara ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana sy ny fandaminana. (Asa. 20:28) Dinihina amin’ilay sekoly ny fandrosoan’ny fiangonana, ny fahazaran’ireo rahalahy sy anabavy, ary izay zavatra ilain’ny fiangonana maika. Atao isaky ny taona vitsivitsy izy io, arakarak’izay tapaky ny Filan-kevi-pitantanana.

Faharetany: Tato ho ato, dia naharitra roa andro na roa andro sy tapany ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany, iray andro sy tapany ho an’ny anti-panahy, ary iray andro ho an’ny mpanampy amin’ny fanompoana.

Toerana: Matetika no any amin’ny Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe.

Fepetra takina: Tsy maintsy mpiandraikitra mpitety faritany, na anti-panahy, na mpanampy amin’ny fanompoana.

Fomba andraisana anjara: Ny mpiandraikitra mpitety faritany no manome fanasana ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Ny biraon’ny sampana kosa no manome fanasana ny mpiandraikitra mpitety faritany.

“Fohy ilay sekoly nefa betsaka ny lesona. Nanampy ny anti-panahy anefa ilay izy mba ho faly sy ho be herim-po foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Lasa mahay tsara ny asa fiandrasana ondry koa na ny anti-panahy efa ela na ny vaovao. Manampy azy ireo hiray saina koa ilay izy.”—Quinn.

“Nampitombo ny fahalalanay ilay sekoly, ary nampitandrina anay ny amin’ny loza ara-panahy. Nahazo soso-kevitra tsara koa izahay mba hikarakarana ny ondry. Tsara fanahy tokoa i Jehovah!”—Michael.

Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana

Vehivavy iray mpitory manontolo andro

Zava-kendreny: Natao hanampiana ny mpisava lalana ‘hanatanteraka tsara ny fanompoany.’—2 Tim. 4:5.

Faharetany: Tapa-bolana.

Toerana: Ny biraon’ny sampana no manapaka. Matetika no any amin’ny Efitrano Fanjakana.

Fepetra takina: Tsy maintsy mpisava lalana herintaona na mihoatra.a

Fomba andraisana anjara: Tonga dia hasaina izay mpisava lalana mahafeno fepetra. Ny mpiandraikitra ny faritra no milaza aminy.

Hoy i Lily: “Nanampy ahy hiatrika an’ireo zava-tsarotra eny amin’ny fanompoana sy eo amin’ny fiainako io sekoly io. Nihatsara ny fomba fianarako, sy ny fampianarako, ary ny fampiasako ny Baiboly. Vonona kokoa hanampy ny hafa aho izao, hiara-hiasa amin’ny anti-panahy, ary handray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiangonana.”

Hoy i Brenda, izay nanatrika ilay sekoly indroa: “Lasa nanao loha laharana ny fanompoako an’i Jehovah aho, rehefa avy nanao an’ilay sekoly. Nanjary niasa tsara kokoa ny feon’ny fieritreretako, ary nifantoka tamin’ny fanampiana ny hafa aho. Be fitiavana tokoa i Jehovah!”

a Raha tsy ampy ny isan’ireo mpisava lalana vaovao, dia azo asaina hanatrika indray ireo mpisava lalana tsy nanatrika tao anatin’ny dimy taona farany.

Sekolin’ny Anti-panahy

Zava-kendreny: Natao hanampiana ny anti-panahy hamita ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana, sy hanampiana azy ireo hahatakatra izay takina aminy eo amin’ny fanompoany an’i Jehovah.

Faharetany: Dimy andro.

Toerana: Ny biraon’ny sampana no manapaka. Matetika no any amin’ny Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe.

Fepetra takina: Tsy maintsy anti-panahy voatendry.

Fomba andraisana anjara: Ny biraon’ny sampana no manome fanasana an’ireo anti-panahy.

Ireto ny tenin’ny mpianatra sasany tamin’ny kilasy faha-92 natao tany Etazonia:

“Tena nahasoa ahy ilay sekoly. Nanampy ahy izy io mba handini-tena sy handinika ny fomba azoko ikarakarana ny ondrin’i Jehovah.”

“Tapa-kevitra aho izao fa hampiasa Baiboly foana rehefa mampahery ny hafa.”

“Hotadidìko foana ny fampiofanana azoko!”

Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany sy ny Vadiny

Zava-kendreny: Natao hanampiana ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra hahomby kokoa amin’ny fanompoany, satria “mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana” izy ireo.—1 Tim. 5:17; 1 Pet. 5:2, 3.

Faharetany: Roa volana.

Toerana: Ny biraon’ny sampana no manapaka.

Fepetra takina: Tsy maintsy mpiandraikitra ny faritra na vondrom-paritra ilay rahalahy.

Fomba andraisana anjara: Ny biraon’ny sampana no manome fanasana an’ireo hanao an’ilay sekoly.

“Lasa nankasitraka kokoa ny fomba itarihan’i Jesosy ny fandaminana izahay. Hitanay fa tena mila mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy izahay, ary manampy ny fiangonana hiray saina. Marina fa mila manome torohevitra na manitsy azy ireo izahay indraindray. Nantitranterina tamin’ilay sekoly anefa fa ny hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’i Jehovah no tena tanjonay.”—Joel, kilasy voalohany, 1999.

Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo

Zava-kendreny: Natao hanampiana an’ireo anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo hiantsoroka andraikitra fanampiny. Alefa any amin’ny toerana mila fanampiana ny ankamaroan’ireo nahazo diplaoma. Misy koa tendrena any an-tany hafa, raha vonona izy ireo. Mety hotendrena ho mpisava lalana manokana tsy maharitra izy ireo, mba hanokatra faritany na hanampy any amin’ny faritra lavitra sy mitokana.

Faharetany: Roa volana.

Toerana: Ny biraon’ny sampana no manapaka.

Fepetra takina: Rahalahy mpitovo, 23 ka hatramin’ny 62 taona, salama tsara sady maniry hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. (Mar. 10:29, 30) Tokony ho nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra nandritra ny roa taona, fara fahakeliny, ary anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana roa taona nisesy.

Fomba andraisana anjara: Misy fivoriana ho an’izay liana amin’io sekoly io amin’ny fivoriamben’ny faritra. Misy fanazavana bebe kokoa mandritra ilay fivoriana.

Hoy i Rick, nanatrika ny kilasy faha-23 tany Etazonia: “Nanao izay fara heriko aho tamin’ilay sekoly, ka nanampy ahy hiova ny fanahin’i Jehovah. Rehefa omen’i Jehovah andraikitra ianao, dia ampiany koa hamita an’ilay izy. Nianarako fa omen’i Jehovah hery aho, rehefa mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapony, fa tsy amin’ny tenako.”

Hoy i Andreas, manompo any Alemaina: “Hitako tamin’ilay sekoly hoe mahavariana ny fomba fiasan’ny fandaminana. Nampiomana ahy ho amin’ny asa mbola mila atao koa ilay izy. Nisy lesona lehibe koa nianarako tamin’ireo ohatra maro nodinihinay tao amin’ny Baiboly, dia hoe: Tena mahasambatra ny manompo an’i Jehovah sy ireo rahalahy.”

Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina

Mpivady eny am-pitoriana

Zava-kendreny: Natao hanomezana fampiofanana manokana ho an’ny mpivady izy io, mba ho azon’i Jehovah sy ny fandaminana ampiasaina kokoa izy ireo. Hotendrena any amin’izay ilana mpitory maro kokoa ny ankamaroany. Misy koa tendrena any an-tany hafa, raha vonona izy ireo. Mety hotendrena ho mpisava lalana manokana tsy maharitra izy ireo, mba hanokatra faritany na hanampy any amin’ny faritra lavitra sy mitokana.

Faharetany: Roa volana.

Toerana: Efa atao any Etazonia io sekoly io, ary hatao any an-tany hafa efa voafantina, manomboka amin’ny Septambra 2012. Ny biraon’ny sampana no mifidy izay toerana hanaovana azy.

Fepetra takina: Mpivady eo anelanelan’ny 25 sy 50 taona, salama tsara, afaka manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa, ary manana ny toe-tsain’i Isaia hoe: “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8) Tokony ho efa nivady roa taona izy ireo, ary efa nanompo manontolo andro roa taona nisesy, fara fahakeliny. Tokony ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana nandritra ny roa taona nisesy ilay rahalahy, fara fahakeliny.

Fomba andraisana anjara: Misy fivoriana ho an’izay liana amin’io sekoly io amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Misy fanazavana bebe kokoa mandritra ilay fivoriana.

‘Tena nanova ny fiainanay ilay sekoly. Tombontsoa be ho an’izay mpivady te hanompo bebe kokoa ilay izy! Tapa-kevitra izahay fa hiezaka hahay handanjalanja foana, mba hahafahanay hampiasa tsara ny fotoananay.’—Eric sy Corina, kilasy voalohany, 2011.

Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Zava-kendreny: Natao hampiofanana an’ireo mpianatra mba ho misionera any amin’ny faritra be mponina, na ho mpiandraikitra mpitety faritany, na ho Betelita. Natao hampandrosoana ny asa fitoriana sy ny asan’ny sampana.

Faharetany: Dimy volana.

Toerana: Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, any Etazonia.

Fepetra takina: Mpivady efa mpanompo manontolo andro manokana. Ohatra hoe misionera mbola tsy nanatrika an’ilay sekoly, mpisava lalana manokana, mpiandraikitra mpitety faritany, ary Betelita. Tokony ho efa niara-nanao fanompoana manontolo andro manokana nandritra ny telo taona nisesy izy ireo. Tsy maintsy mahay miteny sy mamaky ary manoratra teny anglisy tsara.

Fomba andraisana anjara: Ny Komitin’ny Sampana no mifidy an’izay hanao an’ilay sekoly.

Avy any Etazonia i Lade sy Monique, ary manompo atỳ Afrika izao. Hoy i Lade: “Nanampy anay ny Sekolin’i Gileada mba ho vonona hanompo na aiza na aiza hanendrena anay, ary ho vonona hiara-hiasa amin’ireo rahalahy sy anabavy.”

Hoy koa i Monique: “Mahita fifaliana be amin’ny fanompoana aho rehefa mampihatra izay nianarako tany. Vao mainka tsapako fa tena tia ahy i Jehovah.”

Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny

Zava-kendreny: Natao hanampiana an’ireo Komitin’ny Sampana mba hitantana ny Betela, hikarakara izay ilain’ireo fiangonana, ary izay ilain’ny faritra sy vondrom-paritra. Ianaran’izy ireo koa ny momba ny asa fandikan-teny, ny fanontam-pirinty, ary ny fandefasana boky sy gazety.

Faharetany: Roa volana.

Toerana: Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, any Etazonia.

Fepetra takina: Tsy maintsy olona efa voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana na Komitin’ny Tany, ilay rahalahy.

Fomba andraisana anjara: Ny Filan-kevi-pitantanana no manome fanasana an’ireo hanatrika an’ilay sekoly.

Nanatrika ny kilasy faha-25 i Lowell sy Cara, ary manompo any Nizeria. Hoy i Lowell: “Nampahatsiahivina ahy fa na be atao aza aho, ary na inona na inona asa anendrena ahy, dia ny manao zavatra araka ny sitrapon’i Jehovah no tena mampifaly azy. Nantitranterina tamin’ilay sekoly koa fa tokony hanahaka ny fitiavan’i Jehovah isika, rehefa mifandray amin’ny mpanompony.”

Hoy koa i Cara: “Saintsainiko foana ity hevitra nianaranay ity: Raha tsy vitako ny manazava hevitra amin’ny fomba tsotra, dia midika izany fa mbola mila mianatra an’ilay izy aho aloha vao mampianatra ny hafa.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara