Mandray ny Fampianaran’i Jehovah ve Ianao, Raha Mbola Azonao Atao?
1. Ahoana no ahitana fa tia mampianatra i Jehovah?
1 “Mpampianatra Be Voninahitra” i Jehovah, ary iriny ho ampy fahaizana isika. (Isaia 30:20) Nanomboka nampianatra izy, rehefa avy namorona ny Zanany lahimatoa. (Jaona 8:28) Tsy nitsahatra nampianatra izy na taorian’ny fikomian’i Adama aza, fa nanome toromarika tamim-pitiavana ho an’ny olombelona tsy lavorary.—Isaia 48:17, 18; 2 Tim. 3:14, 15.
2. Inona ilay fandaharam-pampianarana atao ankehitriny?
2 Mitarika ny fandaharam-pampianarana lehibe indrindra hatramin’izay i Jehovah, ankehitriny. Efa naminany i Isaia fa olona an-tapitrisany eran-tany no hitanjozotra ho any amin’ilay “tendrombohitra” an’ohatra “misy ny tranon’i Jehovah.” (Isaia 2:2) Mba hanao inona? Mba hianatra ny lalan’Andriamanitra, izany hoe mba hampianarin’i Jehovah! (Isaia 2:3) Nandany ora 1 600 tapitrisa mahery ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taom-panompoana 2010, nitoriana sy nampianarana ny fahamarinana. Misy fampianarana atao isan-kerinandro koa, any amin’ireo fiangonana 105 000 mahery eran-tany. Ankoatra izany, dia tena andraisana fianarana ireo boky sy gazety amin’ny fiteny 500 mahery, avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina.
3. Inona no soa noraisinao manokana, tamin’ny fampianaran’i Jehovah?
3 Mandraisa soa feno: Efa betsaka tokoa ny soa noraisintsika tamin’ny fampianaran’Andriamanitra! Nianarantsika fa manana anarana izy ary tena miahy antsika. (Sal. 83:18; 1 Pet. 5:6, 7) Lasa fantatsika ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana, toy ny hoe: Nahoana ny olona no mijaly sy maty? Ahoana no hahasambatra ahy? Inona no zava-kendren’ny fiainana? Nanoro antsika ny fomba fiaina mety koa i Jehovah, mba ‘hahomby izay ataontsika.’—Jos. 1:8.
4. Milazà fianarana misy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, ary nahoana isika no tokony hanararaotra an’izay fampianarana rehetra azontsika raisina?
4 Manome fampiofanana manokana ho an’ny mpanompony sasany koa i Jehovah, mba hanitaran’izy ireo ny fanompoany. Hita eo amin’ny pejy 4-6 izany. Ahoana raha tsy afaka mahazo an’ireny fampiofanana manokana ireny isika, noho ny toe-javatra misy antsika? Moa ve isika manararaotra tsara an’ireo fampianaran’Andriamanitra izay azontsika raisina? Ampirisihintsika ve ireo tanora mba hanana tanjona ara-panahy sy handray ny fampianarana tsara indrindra avy amin’Andriamanitra? Matetika mantsy izy ireny no ampirisihin’ny mpampianatra sy ny olon-kafa hanao fianarana ambony. Raha mandray ny fampianarana rehetra azontsika raisina avy amin’i Jehovah isika, dia ho sambatra dieny izao ary hahazo fiainana mandrakizay.—Sal. 119:105; Jaona 17:3.
Fianarana Sasany eo Anivon’ny Fandaminan’i Jehovah
Kilasy Fianarana Mamaky Teny sy Manoratra
• Zava-kendreny: Hampianarana ny rehetra hamaky teny sy hanoratra, mba ho afaka hianatra Baiboly samirery sy hampianatra ny fahamarinana.
• Faharetany: Miankina amin’ny zava-misy.
• Toerana: Efitrano Fanjakana eo an-toerana.
• Iza no afaka manatrika? Ny mpitory sy ny olona liana rehetra.
• Ahoana no atao? Ny anti-panahy no mandamina ny kilasy, arakaraka izay ilaina. Ampirisihin’izy ireo ny rehetra mila izany mba hanatrika.
Sekolin’ny Fanompoana
• Zava-kendreny: Mampiofana ny mpitory mba hahay hampianatra sy hitory ny vaovao tsara.
• Faharetany: Mitohy foana.
• Toerana: Efitrano Fanjakana eo an-toerana.
• Iza no afaka misoratra anarana? Ny mpitory rehetra sy ireo efa miaraka tsy tapaka amin’ny fiangonana, ka manaiky ny fampianaran’ny Baiboly sy mampifanaraka ny fiainany amin’ny toro lalana ao.
• Ahoana no atao? Miresaka amin’ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana.
Kilasy Fianarana Teny Vahiny na Tenin’ny Tanana
• Zava-kendreny: Mampianatra ny mpitory ny fomba fitoriana ny vaovao tsara amin’ny teny vahiny na tenin’ny tanana.
• Faharetany: Efatra na dimy volana. Matetika no atao ny asabotsy maraina ny fianarana, ary maharitra adiny iray na roa.
• Toerana: Efitrano Fanjakana tsy lavitra.
• Iza no afaka misoratra anarana? Mpitory fakan-tahaka, maniry hitory amin’ny teny vahiny na tenin’ny tanana.
• Ahoana no atao? Ny biraon’ny sampana no mandamina ny kilasy, arakaraka izay ilaina.
Fanorenana Efitrano Fanjakana
• Zava-kendreny: Manorina sy manavao Efitrano Fanjakana. Tsy sekoly izy ity, kanefa ampianarina asa isan-karazany ireo mpiasa an-tsitrapo, mba ho afaka hanampy amin’ny tetikasa fanorenana.
• Faharetany: Miankina amin’ny zava-misy sy ilay mpiasa an-tsitrapo.
• Toerana: Any amin’izay toerana misy tetikasa ataon’ny Biraon’ny Fanorenana Efitrano Fanjakana, eo amin’ilay tany. Mety hasaina hanampy tra-boina any amin’ny faritra tratran’ny loza ny mpiasa an-tsitrapo sasany.
• Fepetra takina: Rahalahy na anabavy vita batisa, ary nahazo ny faneken’ny anti-panahy rehetra. Manana fahaizana manokana na tsia.
• Ahoana no atao? Mameno Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo Hanorina Efitrano Fanjakana (A-25), any amin’ny anti-panahy.
Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
• Zava-kendreny: Manampy ny mpisava lalana ‘hanatanteraka tsara ny fanompoany.’—2 Tim. 4:5.
• Faharetany: Folo andro.
• Toerana: Izay lazain’ny biraon’ny sampana, matetika no Efitrano Fanjakana tsy lavitra.
• Fepetra takina: Mpisava lalana maharitra nandritra ny herintaona, fara fahakeliny.
• Ahoana no atao? Hasaina avy hatrany izay mpisava lalana mahafeno fepetra, ka ny mpiandraikitra ny faritra no mampahafantatra azy.
Sekoly ho An’ny Betelita Vaovao
• Zava-kendreny: Natao hanampiana an’ireo mpiasa an-tsitrapo vaovao, mba hahomby amin’ny fanompoany ao amin’ny Betela.
• Faharetany: Adiny iray isan-kerinandro, mandritra ny efa-bolana.
• Toerana: Betela.
• Fepetra takina: Tsy maintsy Betelita raikitra na mpiasa an-tsitrapo efa elaela (herintaona, fara fahakeliny).
• Ahoana no atao? Hasaina avy hatrany ireo mahafeno fepetra, fa tsy mila manao fangatahana.
Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana
• Zava-kendreny: Natao hampiofanana ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, amin’ny fiandraiketana sy fandaminana ny fiangonana. (Asa. 20:28) Indray mandeha isaky ny taona vitsivitsy no atao ilay izy, arakaraka izay tapaky ny Filan-kevi-pitantanana.
• Faharetany: Tato anatin’ny taona vitsivitsy dia naharitra iray andro sy tapany ny an’ny anti-panahy, ary iray andro ny an’ny mpanampy amin’ny fanompoana.
• Toerana: Matetika no any amin’izay Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe akaiky.
• Fepetra takina: Tsy maintsy anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.
• Ahoana no atao? Ny mpiandraikitra ny faritra no mandefa fanasana ho an’ireo hanao sekoly.
Sekolin’ny Anti-panahya
• Zava-kendreny: Manampy ny anti-panahy hamita ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana.
• Faharetany: Dimy andro.
• Toerana: Izay lazain’ny biraon’ny sampana, matetika no any amin’izay Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe akaiky.
• Fepetra takina: Tsy maintsy anti-panahy.
• Ahoana no atao? Ny biraon’ny sampana no mandefa fanasana ho an’ireo anti-panahy hanao sekoly.
Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany sy ny Vadinyb
• Zava-kendreny: Manampy ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra mba hahomby kokoa amin’ny fanompoany, sy ‘hikely aina amin’ny fitenenana sy fampianarana’, ary hiandry an’ireo ondry nampiandraiketina azy.—1 Tim. 5:17; 1 Pet. 5:2, 3.
• Faharetany: Roa volana.
• Toerana: Izay tapaky ny biraon’ny sampana.
• Fepetra takina: Tsy maintsy mpiandraikitra ny faritra na vondrom-paritra.
• Ahoana no atao? Ny biraon’ny sampana no mandefa fanasana ho an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, izay hanao ilay sekoly.
Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovoc
• Zava-kendreny: Manomana ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo hiantsoroka andraikitra fanampiny. Hasaina hanompo any amin’izay faritra mila mpitory maro kokoa ao amin’ny taniny ny ankamaroan’izy ireo. Mety hisy vitsivitsy ihany hotendrena hanompo any an-tany hafa, raha mety amin’izy ireo.
• Faharetany: Roa volana.
• Toerana: Izay lazain’ny biraon’ny sampana.
• Fepetra takina: Rahalahy mpitovo, 23 ka hatramin’ny 62 taona, salama tsara, ary maniry hanompo an’ireo rahalahy sy hampandroso ny asan’ilay Fanjakana na aiza na aiza ilana azy. (Mar. 10:29, 30) Tsy maintsy efa voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy nandritra ny roa taona misesy, fara fahakeliny.
• Ahoana no atao? Raha misy an’io sekoly io ao amin’ny tany iandraiketan’ny sampana misy anareo, dia hisy fivoriana ho an’izay te hanatrika azy io amin’ny fivoriamben’ny faritra. Misy fanazavana bebe kokoa mandritra ilay fivoriana.
Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianinad
• Zava-kendreny: Mampiofana mpivady mba ho azon’i Jehovah sy ny fandaminany hampiasaina kokoa. Hasaina hanompo any amin’izay faritra mila mpitory maro kokoa ao amin’ny taniny, ny ankamaroan’izy ireo. Mety hisy vitsivitsy ihany hotendrena hanompo any an-tany hafa, raha mety amin’izy ireo.
• Faharetany: Roa volana.
• Toerana: Hatao any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, Etazonia, ny kilasy vitsivitsy voalohany. Hatao any amin’izay toerana fidin’ny biraon’ny sampana izy io aorian’izay, matetika no any amin’ny Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe.
• Fepetra takina: Mpivady eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 50 taona, salama tsara, ary mamela azy hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa ny toe-javatra misy azy. Ny toe-tsainy koa toy ny an’i Isaia hoe: “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8) Tsy maintsy ho efa mpivady nandritra ny roa taona izy ireo, fara fahakeliny, ary nanompo manontolo andro nandritra ny roa taona misesy, fara fahakeliny.
• Ahoana no atao? Raha misy an’io sekoly io ao amin’ny tany iandraiketan’ny sampana misy anareo, dia hisy fivoriana ho an’izay te hanatrika azy io amin’ny fivoriambe manokana. Misy fanazavana bebe kokoa mandritra ilay fivoriana.
Sekoly Ara-baibolin’i Gileada
• Zava-kendreny: Mampiofana mpisava lalana sy mpanompo manontolo andro hafa, mba ho lasa misionera.
• Faharetany: Dimy volana.
• Toerana: Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, Etazonia.
• Fepetra takina: Mpivady efa vita batisa telo taona, eo anelanelan’ny 21 ka hatramin’ny 38 taona rehefa manao fangatahana voalohany. Tsy maintsy mahay teny anglisy, efa mpivady nandritra ny roa taona, fara fahakeliny, ary nanompo manontolo andro nandritra ny roa taona misesy, fara fahakeliny. Tsy maintsy salama tsara. Afaka manao fangatahana koa ireo mpisava lalana manompo any ivelan’ny taniny (anisan’izany ireo efa misionera), raha mahafeno fepetra. Toy izany koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany, Betelita, sy ireo efa nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo, ary Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina.
• Ahoana no atao? Misy fivoriana ho an’izay te hanatrika azy io amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, any amin’ny sampana sasany. Misy fanazavana bebe kokoa mandritra ilay fivoriana. Afaka manoratra any amin’ny biraon’ny sampanareo ianao, raha te hanao fangatahana nefa tsy misy an’io fivoriana io ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ao amin’ny tany misy anao.
Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny
• Zava-kendreny: Manampy an’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana mba hanara-maso tsara ireo tranon’ny Betela, hikarakara izay ilain’ireo fiangonana, hiandraikitra an’ireo faritra sy vondrom-paritra, ary koa hampandeha tsara ny fandikan-teny, fanontam-pirinty, fandefasana entana, sy ireo sampan’asa isan-karazany.—Lioka 12:48b.
• Faharetany: Roa volana.
• Toerana: Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, Etazonia.
• Fepetra takina: Anisan’ny Komitin’ny Sampana, na Komitin’ny Tany, na mahafeno fepetra ho amin’ireo fanendrena ireo.
• Ahoana no atao? Mahazo fanasana avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana ireo rahalahy mahafeno fepetra, sy ny vadiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy ny sampana rehetra no misy an’io sekoly io.
b Tsy ny sampana rehetra no misy an’io sekoly io.
c Tsy ny sampana rehetra no misy an’io sekoly io.
d Tsy ny sampana rehetra no misy an’io sekoly io.