FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/11 p. 8-9
  • Fanontaniana 3: Fa Maninona Aho no Avelanao Hijaly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontaniana 3: Fa Maninona Aho no Avelanao Hijaly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Lazain’​ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2020
  • Fijaliana
    Mifohaza!—2015
  • Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/11 p. 8-9

Fanontaniana 3: Fa Maninona Aho no Avelanao Hijaly?

NANANA izay rehetra nilainy i Ian hatramin’ny mbola kely. Mamo lava anefa ny dadany ka tsy dia nahatsapa an’izany hoe fitiavan-dray izany izy, na dia naniry mafy an’izany aza. Hoy izy: “Tsy tena tia azy aho satria mamo lava izy sady nampijaly an’ny mamanay.” Rehefa nihalehibe izy, dia nanomboka nisalasala raha tena misy Andriamanitra. Nieritreritra izy hoe: “Raha misy tokoa Andriamanitra, dia maninona ny olona no avelany hijaly hoatr’izao?”

Nahoana ny olona no manontany an’izany?

Na tsy dia manana olana aza ianao, dia mety halahelo rehefa mahita ny tsy manan-tsiny mijaly, satria tsy rariny izany. Vao mainka anefa ianao te hahafantatra ny antony mampisy ny fijaliana, rehefa ianao mihitsy no manana olana toa an’i Ian, na ny havanao no marary na maty.

Inona no lazain’ny olona sasany?

Misy mino fa avelan’Andriamanitra hijaly ny olona satria tiany hanetry tena sy hahay hangoraka izy ireo. Ny hafa indray mieritreritra fa efa nisy izy taloha ka ny fahotana nataony tamin’izany no mahatonga azy hijaly.

Inona no dikan’izany?

Tsy mihontsina Andriamanitra mahita ny olona mijaly ka tsy mahatehotia izy. Ratsy fanahy be izy.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa tsy Andriamanitra velively no mahatonga ny olona hijaly. Hoy ny Jakoba 1:13: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” Tsy Andriamanitra àry no mahatonga ny olona hijaly. Tsy mifanaraka amin’ny toetrany mihitsy koa izany raha ny Baiboly no jerena.

Anisan’ny toetra tena mampiavaka an’Andriamanitra ny fitiavana. (1 Jaona 4:8) Toy izay tsapan’ny reny mitaiza kely no tsapan’i Jehovah. Hoy izy: “Mety hanadino ny zanany mbola minono ve ny vehivavy, ka tsy hangoraka an’izay naloaky ny kibony? Mety hanadino tokoa ireny vehivavy ireny, fa izaho kosa tsy mba hanadino anao.” (Isaia 49:15) Reny be fitiavana ve, hoy ianao, dia hanao fanahy iniana handratra ny zanany? Tsy izay hanamaivanana ny fijaliany aza ve no hataony? Hoatr’izany koa fa tsy mampijaly olona tsy manan-tsiny Andriamanitra.—Genesisy 18:25.

Mbola misy olona tsy manan-tsiny mijaly ihany anefa. Mety hilaza àry ianao hoe: ‘Raha tena tia antsika Andriamanitra ary izy no mahery indrindra, maninona no tsy hesoriny izay mampijaly antsika?’

Ny olona ihany matetika no mahatonga ny hafa hijaly. Be dia be mantsy no mihetraketraka sy manjakazaka amin’izay ambany fahefany, ary tsy te hiova mihitsy izy ireny. Tsy maintsy mandringana azy ireny àry Andriamanitra vao tsy hisy intsony ny tena antony mahatonga ny fijaliana. Misy antony tsara anefa matoa izy tsy mbola manao izany.

Izao no nosoratan’ny apostoly Petera momba izany: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Petera 3:9) Be fitiavana sy mamindra fo àry i Jehovah Andriamanitra, ka izany no mahatonga azy hanam-paharetana amin’ny mpanao ratsy.

Tsy ho ela anefa i Jehovah, dia ‘hamaly fahoriana an’izay mampahory’ ny tsy manan-tsiny. “Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana” izy ireny, dia “fandringanana mandrakizay.”—2 Tesalonianina 1:6-9.

Lasa fantatr’i Ian, ilay voalaza teny am-piandohana, hoe nahoana no mbola misy ny fijaliana. Niova àry ny fiheverany ny fiainana. Ao amin’ny pejy 13 amin’ity gazety ity ny tantarany.

Hazavaina bebe kokoa ao amin’ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? ny antony mahatonga an’Andriamanitra hamela ny fijaliana hisy sy izay hataony amin’ny hoavy. Azo alaina koa izany amin’ny www.jw.org/mg

Inona no Nolazain’i Jesosy fa Mahatonga ny Olona Hijaly?

Tsy nilaza mihitsy i Jesosy hoe Andriamanitra no mahatonga ny olona hijaly.

Nasehon’i Jesosy tamin’ny nataony fa tsy mampijaly ny olona tsy manan-tsiny Andriamanitra mba hanasaziana azy ireo. Nanasitrana ny marary sy malemy tongotra ary jamba i Jesosy. (Matio 15:30) Hita tamin’ny fahagagana nataony fa tsy nampiasainy hampijaliana olona ny hery nomen’Andriamanitra azy, fa hanamaivanana azy ireo kosa. Tsy hoe tsy nihetsi-po koa izy rehefa nahita olona nijaly, fa “nangoraka.” (Matio 20:29-34) Nitovy be ny fihetseham-pon’i Jesosy sy ny an’ny Rainy. Hita tamin’ny tenin’i Jesosy sy ny nataony àry fa hitan’Andriamanitra ny fijalian’ny olona ary malahelo be izy sady te hanamaivana an’izany.—Jaona 14:7, 9.

Nilaza i Jesosy fa i Satana Devoly no tena mahatonga ny olona hijaly. “Mpamono olona hatrany am-piandohana” ny Devoly, hoy izy. (Jaona 8:44) Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay mpitondra an’izao tontolo izao”, izay “mamitaka ny tany rehetra misy mponina”, koa izy io.—Jaona 12:31; Apokalypsy 12:9.

Nilaza i Jesosy fa hofoanana ny fijaliana rehetra indray andro any. Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka toy izao izy: “Rainay izay any an-danitra ... Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9, 10) Rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hisy fijaliana intsony etỳ an-tany mitovy amin’ny any an-danitra.

Nolazalazain’i Jesosy tamin’ny apostoly Jaona hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra. ‘Hofafan’Andriamanitra’ amin’izay ‘ny ranomaso rehetra amin’ny maso, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’—Apokalypsy 1:1; 21:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara