FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/10 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Misy Fanantenana ho An’ny Maty Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Valin’​ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mbola ho Hitantsika ve Ireo Havantsika Nodimandry?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/10 p. 16

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Inona no fanantenana ho an’ny maty?

Toy ny olona matory ny maty, satria tsy mahatsiaro tena ary tsy afaka manao na inona na inona. Afaka manangana ny maty anefa ny Mpamorona, ka ho velona indray izy ireny. Mba hanaporofoana an’izany, dia nomeny hery hananganana ny maty i Jesosy.—Vakio ny Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11, 43, 44.

Nahoana ny maty no toy ny olona matory?

Nampanantena Andriamanitra fa hatsangany ireo maty ao amin’ny fitadidiany, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Miandry ny fotoana hananganany azy izy ireo. Efa tsy andrin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny hananganana ny maty.—Vakio ny Joba 14:14, 15.

Inona no hitranga rehefa hatsangana ny maty?

Hitovy amin’ny endriny taloha ihany ny endrik’ilay olona hatsangana amin’ny maty, ary ho tadidiny ny namany sy ny fianakaviany. Na lasa vovoka aza ny vatany, dia afaka mamorona vatana vaovao ho azy Andriamanitra.—Vakio ny 1 Korintianina 15:35, 38.

Olona vitsivitsy ihany no hatsangana ho any an-danitra. (Apokalypsy 20:6) Hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa ny ankamaroan’ireo hatsangana amin’ny maty. Hanana fiainam-baovao indray izy ireo, ary ho afaka hiaina mandrakizay.—Vakio ny Salamo 37:29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 6 sy 7, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara