FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/3 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nahoana i Jesosy no Nijaly sy Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Fanontaniana 2: Hanao Ahoana Aho Rehefa Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nahoana i Jesosy no Maty sy Natsangana Tamin’ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/3 p. 16
[Sary, pejy 16]

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Nahoana no mahasoa antsika ny nahafatesan’i Jesosy?

Noforonin’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona, ka tsy harary na ho faty mihitsy. Tsy nankatò ny Mpamorona anefa i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka lasa tsy afaka niaina mandrakizay. Mety maty toa azy koa isika satria taranany. (Romanina 5:8, 12; 6:23) Nirahin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ho etỳ an-tany i Jesosy Zanany mba ho faty ka hamerina an’izay nafoin’i Adama.—Vakio ny Jaona 3:16.

Maty i Jesosy mba hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay. Hoatran’ny ahoana izany fiainana mandrakizay eto an-tany izany, araka ny hevitrao?

Afaka mahazo famelan-keloka sy miaina mandrakizay isika, noho i Jesosy maty ho antsika. Resahin’ny Baiboly hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy, rehefa tsy hisy intsony ny antitra sy ny marary ary ny maty.—Vakio ny Isaia 25:8; 33:24; Apokalypsy 21:4, 5.

Ahoana no tokony hahatsiarovana ny nahafatesany?

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, fa tokony hanao fandaharana tsotsotra hahatsiarovana ny nahafatesany izy ireo. Isaky ny manao an’izany isika isan-taona, dia ho tsapantsika hoe tena tia ny olombelona i Jehovah sy Jesosy.—Vakio ny Lioka 22:19, 20; 1 Jaona 4:9, 10.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 4 sy 5, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara