FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/2 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanorina Fanjakana Iray Eran-tany ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ny fitondram-panjakam-piadanan’Andriamanitra
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/2 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Mba hisy ihany ve izany fanjakana hitondra maneran-tany izany?

Vahoaka avy any amin’ny firenena rehetra, mihavana satria fanjakana iray no mitondra maneran-tany

Ahoana no hahavitan’ny fanjakana iray hampihavana ny olona maneran-tany? Isaia 32:1, 17; 54:13

Tena ho tsara ny fiainan’ny olombelona raha iray ihany ny fitondrana maneran-tany. Maro no mijaly ankehitriny satria mahantra faraidiny. Misy anefa manankarem-be. Hahazo an’izay ilainy kosa ny olona rehetra raha fanjakana iray mitady izay hahasoa ny olona no mitondra ny tany manontolo. Hahatsangana fanjakana toy izany ve ny olombelona, araka ny hevitrao?—Vakio ny Jeremia 10:23.

Mbola tsy nisy fanjakan’olombelona nahavita nikarakara tsara ny vahoakany, indrindra fa ny mahantra. Tsy mifaditrovana mihitsy aza ny fanjakana sasany. (Mpitoriteny 4:1; 8:9) Nampanantena anefa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra fa hisy fanjakana hisolo ny fanjakan’olombelona. Tena hikarakara ny olombelona ny Mpitondra azy io.—Vakio ny Isaia 11:4; Daniela 2:44.

Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Nifidy Mpanjaka tena mahay i Jehovah Andriamanitra mba hitondra ny tany manontolo. Tsy iza izy io fa i Jesosy Zanany. (Lioka 1:31-33) Tia nanampy olona izy tamin’izy tetỳ an-tany. Rehefa hitondra ny tany izy, dia hampihavana ny olona any amin’ny firenena rehetra sy hanala ny fijalian’izy ireo.—Vakio ny Salamo 72:8, 12-14.

Tsy ny olona rehetra no hanaiky an’i Jesosy ho Mpitondra. Manam-paharetana anefa i Jehovah. (2 Petera 3:9) Mbola avelany hampiseho aloha ny olona hoe manaiky an’i Jesosy ho Mpitondra. Tsy ho ela dia handringana ny ratsy fanahy i Jesosy ary hampanjaka ny fiadanana sy filaminana maneran-tany.—Vakio ny Mika 4:3, 4.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 8 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara