FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/4 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/4 p. 16
[Sary, pejy 16]

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Inona no hataon’i Jesosy amin’ny hoavy?

Tamin’ny taona 33 i Jesosy no maty sy natsangana tamin’ny maty ary niakatra tany an-danitra. Notendrena ho Mpanjaka izy tatỳ aoriana. (Daniela 7:13, 14) Hampihatra ny fahefany izy amin’ny hoavy, ka hampanjaka ny fandriampahalemana eran-tany ary hanafoana ny fahantrana.—Vakio ny Salamo 72:7, 8, 13.

Hanafoana ny tsy rariny eto an-tany i Jesosy rehefa hanjaka

Hanao zavatra tsara be dia be ho an’ny olona i Jesosy rehefa hitondra. Hampiasa ny hery nomen’ny Rainy azy izy, ka hataony lavorary indray ny olona. Ho afaka hankafy ny fiainana eto an-tany izy ireo amin’izay, satria tsy ho faty na ho antitra intsony.—Vakio ny Jaona 5:26-29; 1 Korintianina 15:25, 26.

Inona izao no ataon’i Jesosy?

Mitarika ny asa fitoriana ataon’ny mpanara-dia azy eran-tany izy. Mankany amin’ny olona izy ireo ka mampiseho an’izay lazain’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza i Jesosy fa hanohana ny asa ataon’izy ireo foana mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanan’io Fanjakana io ny fanjakan’olombelona.—Vakio ny Matio 24:14; 28:19, 20.

Mitarika ny olona amin’ny alalan’ny fiangonan’ny tena Kristianina i Jesosy, mba hananan’izy ireo fiainana tsara kokoa. Hitarika azy ireo foana izy mandritra ny fotoana handringanana an’ity tontolo ity, ka mandra-pahatongan’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra.—Vakio ny 2 Petera 3:7, 13; Apokalypsy 7:17.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 8, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara