FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp16 No. 2 p. 8-10
  • Mety ve ny Mivavaka any Amin’ny Toerana Masina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety ve ny Mivavaka any Amin’ny Toerana Masina?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MIVAVAKA “ARAKA NY FANAHY SY NY FAHAMARINANA”
  • AHOANA NO FIHEVERAN’NY KRISTIANINA NY TOERANA MASINA?
  • Mamaly ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny Fanompoam-pivavahan’iza no Eken’Andriamanitra?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Tsy Maintsy Mankany Amin’ny Trano Fivavahana ve vao Afaka Mivavaka?
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
wp16 No. 2 p. 8-10

Mety ve ny Mivavaka any Amin’ny Toerana Masina?

OLONA enina tapitrisa mahery isan-taona no mankany amin’ilay alana sedera any amin’ny Saikinosin’i Shima, any Japon. Ho any amin’ilay Toerana Masina Lehibe any Ise izy ireo, mba hivavaka amin’ilay andriamanibavy atao hoe Amaterasu Omikami. Andriamanitra masoandro ivavahan’ny Shintoista izy io, ary efa 2 000 taona teo ho eo izy io no nivavahan’ny olona. Manadio ny tenany aloha izy ireo rehefa tonga any, izany hoe manasa tanana sy manontsam-bava. Mankeo amin’ny toerana natao hivavahana (haiden) izy ireo avy eo, dia manao fombafomba. Miondrika izy ireo, dia mitehaka, ary avy eo mivavaka amin’ilay andriamanibavy.a Afaka mivavaka any amin’ny fivavahana hafa ny Shintoista. Misy koa Bodista na olona manaraka fivavahana hafa mankany amin’io toerana masina io, ary manao an’ireo fombafomban’ny Shintoista.

Manana toerana masinab ny ankamaroan’ireo fivavahana lehibe eran-tany, ary an-tapitrisany ny olona mitsidika azy ireny. Misy fiangonana sy toerana masina be dia be any amin’ny tany be olona milaza ho Kristianina, ary natao hivavahana amin’i Jesosy sy Maria ary ny olo-masina izy ireny. Lasa ataon’ny olona toerana ivavahana koa ny toerana heverina hoe nitrangan’ny tantara resahin’ny Baiboly, na ny toerana heverina hoe nisy “fahagagana” nitranga vao haingana. Hoatr’izany koa ny toerana itehirizana taolam-patin’ny olo-masina. Olona maro no mankany amin’ireny toerana ireny, satria mieritreritra izy ireo hoe henoin’Andriamanitra kokoa ny vavaka atao any. Ny sasany kosa mieritreritra fa mila mandeha lavitra be manao fivahiniana masina izy, mba hampisehoana fa mafana fo amin’ny fivavahana.

Mpitsidika an’ilay Toerana Masina Lehibe any Ise, any Japon, sy ilay Lava-baton’i Massabielle, any Lourdes, any Frantsa

Mpitsidika an’ilay Toerana Masina Lehibe any Ise, any Japon, sy ilay Lava-baton’i Massabielle, any Lourdes, any Frantsa

Henoin’Andriamanitra kokoa ve anefa ny vavaka raha any amin’ny toerana masina ilay izy no atao? Ankasitrahany ve ilay hoe manao fivahiniana masina, mba hampisehoana fa mafana fo amin’ny fivavahana? Tokony hivavaka any amin’ny toerana masina ve ny Kristianina? Hovaliantsika ireo fanontaniana ireo. Hanampy antsika hahafantatra mantsy izany hoe inona no tena tian’Andriamanitra hataontsika rehefa manompo azy isika.

MIVAVAKA “ARAKA NY FANAHY SY NY FAHAMARINANA”

Jesosy miresaka amin’ilay vehivavy samaritanina eo amin’ny fantsakana

Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe tsy maintsy mivavaka “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” isika?

Tany Samaria i Jesosy, indray mandeha, ary naka aina teo amin’ny fantsakana iray teo akaikin’ny tanànan’i Sykara. Nisy vehivavy samaritanina tonga hantsaka teo tamin’izay, ka niresaka taminy i Jesosy. Hita tamin’ny resak’izy ireo ny hevitr’Andriamanitra momba ny hoe mivavaka any amin’ny toerana masina. Noresahin’ilay vehivavy tamin’izay ny zavatra tsy itovizan’ny Jiosy sy ny Samaritanina. Hoy izy: “Ny razanay nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity, nefa ianareo milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.”—Jaona 4:5-9, 20.

Ny Tendrombohitr’i Gerizima ilay tendrombohitra noresahin’ilay vehivavy. Any amin’ny 50 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Jerosalema izy io. Nisy tempolin’ny Samaritanina tany taloha, ka nankany izy ireo rehefa fety, ohatra hoe Paska. Marina tokoa hoe tsy nitovy ny zavatra nataon’ny Jiosy sy ny Samaritanina. Tsy niady hevitra be momba an’izany anefa i Jesosy, fa hoy izy: “Minoa ahy ianao, ravehivavy fa ho avy ny fotoana ka tsy ho eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema no hivavahanareo amin’ny Ray.” (Jaona 4:21) Azo antoka fa gaga be ilay vehivavy naheno an’izany, sady amin’izay Jiosy no niteny an’ilay izy. Fa nahoana tokoa moa no tsy hivavaka any amin’ilay tempoly any Jerosalema intsony ny olona?

Hoy ihany i Jesosy: “Ho avy ny fotoana, ary tonga izany ankehitriny, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.” (Jaona 4:23) Efa taonjato maro ny Jiosy no nihevitra fa ilay tempoly tsara tarehy tany Jerosalema no foiben’ny fivavahan’izy ireo. Nandeha tany intelo isan-taona izy ireo mba hanao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitra. (Eksodosy 23:14-17) Nilaza anefa i Jesosy fa hiova izany, satria ny “tena mpivavaka” dia hivavaka “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”

Trano lehibe tany amin’ny toerana iray voafaritra tsara ilay tempoly nandehanan’ny Jiosy. Tsy zavatra hita maso hoatr’izany kosa ilay hoe fanahy sy fahamarinana noresahin’i Jesosy. Inona àry no tiany holazaina? Tsy hoe tsy maintsy mankany amin’ny toerana iray voafaritra tsara ny tena Kristianina rehefa hivavaka. Tsy voatery mankany amin’ny Tendrombohitr’i Gerizima, na any amin’ilay tempoly any Jerosalema, na any amin’ny toerana masina hafa izy ireo.

Nilaza tamin’ilay vehivavy samaritanina koa i Jesosy fa efa “ho avy ny fotoana” hitrangan’izany. Oviana izany? Rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy ka nanafoana ny fivavahana jiosy. Tsy nilaina intsony ny nanaraka ny Lalàn’i Mosesy taorian’izay. (Romanina 10:4) Hoy koa anefa i Jesosy: ‘Tonga ny fotoana ankehitriny.’ Nahoana izy no nilaza an’izany? Satria izy no Mesia, ary efa nanangona an’ireo mpanara-dia azy izy. Hanaraka an’ity teniny ity izy ireo: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Inona àry no dikan’ilay hoe mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana?

Ilay hoe mivavaka araka ny fanahy, dia midika hoe tokony hanaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra isika. Anisan’ny manampy antsika hahazo tsara ny Soratra Masina mantsy izy io. (1 Korintianina 2:9-12) Ilay hoe mivavaka araka ny fahamarinana kosa, dia hoe tokony ho marina tsara ny fahazoantsika ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Tsy rehefa mankany amin’ny toerana manokana àry isika vao hankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoantsika azy. Ankasitrahany kosa izany rehefa mifanaraka tsara amin’ny fampianaran’ny Baiboly, sy rehefa manaiky hotarihin’ny fanahy masina isika.

AHOANA NO FIHEVERAN’NY KRISTIANINA NY TOERANA MASINA?

Tokony hanao fivahiniana masina sy hivavaka any amin’ny toerana masina àry ve ny Kristianina? Hitantsika teo fa nilaza i Jesosy hoe tokony hivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra. Midika izany fa tsy tena zava-dehibe amin’ilay Raintsika any an-danitra ny vavaka atao any amin’ny toerana masina, na aiza izany na aiza. Mampirisika antsika koa Andriamanitra hoe “andosiro ny fanompoan-tsampy”, ary ‘mitandrema amin’ny sampy.’ (1 Korintianina 10:14; 1 Jaona 5:21) Tsy mivavaka any amin’ny toerana heverina fa masina àry ny tena Kristianina, sady tsy mankany amin’ny toerana mahatonga azy hanompo sampy koa.

Tsy midika anefa izany hoe raran’ny Tenin’Andriamanitra ny mivavaka na mianatra na misaintsaina any amin’ny toerana iray tena tiantsika. Mety tsara ny miara-mianatra sy miresaka momba an’Andriamanitra any amin’ny toerana milamina tsara sy mendrika. Tsy ratsy koa ny manamboatra zavatra ahatsiarovana havana na namana efa nodimandry, ohatra hoe tsangam-bato. Mety hampiseho fotsiny mantsy izany hoe tena tiantsika ilay olona. Tena tsy mankatò ny tenin’i Jesosy anefa isika raha heverintsika fa masina ireny toerana ireny, na ampiasaintsika hankamasinana sary na taolam-patin’ny olo-masina.

Tsy voatery mankany amin’ny toerana masina àry ianao vao ho azo antoka hoe hihaino ny vavaka ataonao Andriamanitra. Tsy hoe hankasitrahan’Andriamanitra koa ianao na hoe homeny fitahiana manokana, raha manao fivahiniana masina. Milaza mantsy ny Baiboly fa “tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana” i Jehovah Andriamanitra, ilay “Tompon’ny lanitra sy ny tany.” Tsy midika anefa izany fa tsy afaka mifandray aminy isika. Afaka mivavaka aminy isika na aiza na aiza, ary mihaino antsika izy. “Tsy lavitra antsika tsirairay” mantsy izy.—Asan’ny Apostoly 17:24-27.

a Misy isan-karazany ny toerana masina ivavahan’ny Shintoista, ary samy hafa ny fombafomba atao any amin’izy ireny.

b Jereo ilay efajoro hoe “Inona no Atao hoe Toerana Masina?”

Inona no Atao hoe Toerana Masina?

Misy toerana sasany heverin’ny olona hoe masina. Natao hivavahana na hankamasinana an’ireo olona heverina fa masina ireny toerana ireny. Apetraka ao amin’izy ireny matetika ny sary sy taolam-paty (relìka) heverina fa misy ifandraisany amin’ny fahagagana na fahitana manokana. Mety ho tempoly ilay toerana masina, na fiangonana, na toerana natao hivavahana. Misy toerana masina koa ao an-tranon’ny olona sasany. Manamboatra alitara kely ao an-tranony, ohatra, ny olona any amin’ny tany Tatsinanana sy Tandrefana, dia eo izy ireo no mivavaka sy misaintsaina, na manao fanatitra.

Tsy natao hivavahana kosa ny toerana sasany. Misy, ohatra, olona nanana havana na namana matin’ny lozam-piarakodia, dia manisy toerana manokana eny amin’ilay lalana mba hahatsiarovana azy ireny. Natao hahatsiarovana ady malaza na olona maty tamin’ny ady na loza koa ny toerana sasany. Marina fa eny amin’ireny toerana ireny ny olona no afaka misaintsaina sy mahatsiarotsiaro ny havany na ny namany. Hita amin’izy ireny anefa matetika ny zavatra inoan’ilay olona nanamboatra an’ilay toerana.

Vavolombelon’i Jehovah mianatra Baiboly miaraka amin’ny vehivavy iray. Misy toerana fivavahana amin’i Maria ao an-tranon’ilay vehivavy
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara