FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp16 No. 4 p. 9
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Fisaraham-panambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manaiky ny fisaraham-panambadiana sa tsia?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny fisaraham-panambadiana: Inona marina no lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny Fisaraham-panambadiana sy ny Fitiavana ny Ankizy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
wp16 No. 4 p. 9

Fantatrao Ve?

Nahoana no niavaka ny fomba nitondran’i Jesosy ny boka?

Jesosy mikasika boka

Areti-mifindra ny habokana ary tena natahoran’ny Jiosy fahiny ilay karazany fahita tamin’izany. Mety hisy vokany amin’ny selam-pitatitra izy io, ka lasa manan-takaitra ilay marary ary simba be ny vatany. Tsy nisy fanafany izy io tamin’izany. Natokan-toerana ny boka, ary tsy maintsy niantsoantso mba hampitandremana ny hafa.—Levitikosy 13:45, 46.

Hentitra loatra ny fitsipika nataon’ny mpitondra fivavahana jiosy momba ny boka, fa tsy araka ny Soratra Masina. Nanampy trotraka ny fahorian’ireo marary izany. Tsy azon’ny olona natao mihitsy, ohatra, ny nanatonkatona boka. Tsy maintsy nisy elanelana 4 hakiho (2 metatra eo ho eo) teo amin’izy ireo, fa 100 hakiho (45 metatra eo ho eo) kosa raha nitsoka ny rivotra. Milaza ny Baiboly fa “any ivelan’ny toby” no fonenan’ny boka. Nandika vilana an’izany ny mpandalina ny boky Talmoda, ka nilaza fa tsy tokony hipetraka ao anaty tanàna mimanda ny boka. Izany no nahatonga ny raby iray hitoraka an’ilay boka hitany tao an-tanàna sady hiteny hoe: “Mandehana mankany amin’ny fonenanao any fa aza mandoto olona atỳ.”

Hafa mihitsy anefa i Jesosy. Tsy nandroaka an’ireo boka izy, fa vonona hikasika azy ireo ary nanasitrana azy ireo mihitsy aza.—Matio 8:3.

Inona avy ny antony nolazain’ny mpitondra fivavahana jiosy fa azo isaraham-panambadiana?

Taratasy fisaraham-panambadiana tamin’ny taona 71 na 72

Taratasy Fisaraham-panambadiana Tamin’ny Taona 71 na 72

Nampiady hevitra ny mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato voalohany ny resaka fisaraham-panambadiana. Nanontany an’i Jesosy àry ny Fariseo hoe: “Azon’ny lehilahy atao ve ny misaraka amin’ny vadiny na inona na inona antony?”—Matio 19:3.

Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa mahazo misaraka amin’ny vadiny ny lehilahy iray, raha “nahitany zavatra manafintohina” taminy. (Deoteronomia 24:1) Samy nanana ny fahazoany an’io lalàna io ireo raby tamin’ny andron’i Jesosy. Somary hentitra kokoa ny an’ireo mpanaraka ny fampianaran’i Samay. Midika, hono, izy io fa ny fijangajangana ihany no ahafahana misara-panambadiana. Ireo mpanaraka ny fampianaran’i Hilela kosa nilaza fa azon’ny lehilahy atao ny misaraka amin’ny vadiny raha vao misy olana eo amin’izy ireo, na dia kely aza. Ohatra hoe tsy tiany ny sakafo naroson’ny vadiny, na nahita vehivavy noheveriny fa tsara tarehy kokoa izy.

Ahoana no namalian’i Jesosy ny fanontanian’ny Fariseo? Hoy izy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.”—Matio 19:6, 9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara