FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w19 Febroary p. 31
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Synagoga
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tao Amin’ny Synagoga no Nitory i Jesosy sy ny Mpianany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Aza Mahafoy ny Fiaraha-mivory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nanao Fahagagana tao Kapernaomy i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
w19 Febroary p. 31

Fantatrao Ve?

Ilay synagoga tamin’ny taonjato voalohany hita tany Gamla

Synagoga Tamin’ny Taonjato Voalohany: Mety ho hoatr’izao ny synagoga taloha. Synagoga iray tamin’ny taonjato voalohany no nakana hevitra nanaovana an’io sary io. Tany Gamla ilay izy, 10 kilaometatra eo ho eo any avaratratsinanan’ny Ranomasin’i Galilia

Ahoana no niandohan’ny synagoga?

AVY amin’ny teny grika midika hoe “vahoaka” na “famoriana olona” ilay teny hoe “synagoga.” Mahalaza azy tsara izany satria efa hatramin’ny taloha be ny Jiosy no nivory tany amin’ny synagoga mba hahazo toromarika sy hivavaka. Tsy miresaka momba ny synagoga ny ao amin’ny Soratra Hebreo. Hita avy amin’ny Soratra Grika Kristianina anefa hoe efa be mpampiasa ny synagoga tamin’ny taonjato voalohany.

Mino ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa tamin’ny Jiosy babo tany Babylona no nanomboka nisy ny synagoga. Izao no hazavain’ny Rakipahalalana Judaica (anglisy): “Nila fampiononana ireo natao sesitany satria nahatsiaro ho nijaly. Tany an-tany hafa anefa izy ireo ka tsy afaka nankany amin’ny Tempoly. Nivory tsindraindray àry izy ireo ary namaky ny Soratra Masina, angamba rehefa Sabata.” Toa notohizin’ny Jiosy ilay fahazarany niaraka nivavaka sy namaky ny Soratra Masina rehefa tsy babo intsony izy ireo. Nasiany synagoga àry tany amin’izay nipetrahany.

Efa lasa toerana fampiasan’ny Jiosy amin’ny fivavahana sy zavatra hafa ny synagoga, tamin’ny taonjato voalohany, tany amin’ny tanàna manodidina an’i Mediterane, anisan’izany ny tany Israely sy ny firenena manodidina azy. Hoy ny Profesora Lee Levine, ao amin’ny Oniversite Hebreo any Jerosalema: “Tao [amin’ny synagoga] ny olona no nianatra, nihinana sakafo masina, notsaraina, nametraka vola fanasoavam-bahoaka, ary nanao fivoriana ara-politika sy ara-tsosialy.” Hoy koa izy: “Mazava ho azy fa ny fotoam-pivavahana no tena natao tao.” Tsy mahagaga àry raha nankany amin’ny synagoga matetika i Jesosy. (Mar. 1:21; 6:2; Lioka 4:16) Nampianatra sy nampahery an’izay nanatrika tao izy. Rehefa niforona ny fiangonana kristianina, dia nitory tany amin’ny synagoga koa ny apostoly Paoly. Nankany amin’ny synagoga mantsy ny olona te ho akaiky an’Andriamanitra. Rehefa miditra ao amin’ny tanàna iray àry i Paoly, dia matetika izy no nitory tany amin’ny synagoga aloha.—Asa. 17:1, 2; 18:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara