TANTARAM-PIAINANA
Nomen’i Jehovah Fitahiana Mihoatra Noho Izay Noeritreretiko Aho
FANTATRO fa tokony hanao mpisava lalana aho, nefa nieritreritra aho hoe: ‘Izany ve dia mba hahafinaritra?’ Tiako be mantsy ny asako tany Alemaina. Nanondrana sakafo tany Afrika aho tamin’izany, ohatra hoe tany Dar es-Salaam sy Élisabethville ary Asmara. Tsy nampoiziko hoe indray andro any aho hanompo manontolo andro any amin’ireny firenena ireny sy any amin’ny tany maro hafa any Afrika.
Tapa-kevitra ihany aho ny farany, dia nanomboka nanao mpisava lalana. Niova be ny fiainako ary tsy noeritreretiko hoe afaka ny ho tsara be hoatr’izany ilay izy. (Efes. 3:20) Tianao ho fantatra ve hoe inona no nitranga? Aleo hotantaraiko hatramin’ny voalohany.
Tany Berlin, any Alemaina, aho no teraka taoriana kelin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939. Rehefa akaiky hifarana ny ady tamin’ny 1945, dia matetika no nisy raoplanina nandatsaka baomba be dia be tao Berlin. Nisy baomba nilatsaka teny akaikinay indray mandeha, dia nankany amin’ny toerana fialofana amin’ny baomba izahay mianakavy. Nitsoaka tany Erfurt izahay tatỳ aoriana. Tany i Neny no teraka.
Izaho sy Dada sy Neny ary ny anabaviko, tany Alemaina tamin’ny 1950 tany ho any
Tena te hahalala ny marina i Neny, dia namaky boky nosoratan’ny filozofa sady nitety fivavahana. Tsy afa-po anefa izy. Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga tao aminay tamin’ny 1948 tany ho any. Nampandrosoin’i Neny ry zareo dia nototofany fanontaniana. Tsy ampy adiny iray taorian’izay, dia niteny tamiko sy ny zandriko vavy izy hoe: “Nahita ny fahamarinana aho!” Nanomboka nivory tany Erfurt izahay telo mianaka taoriana kelin’izay.
Niverina tany Berlin izahay tamin’ny 1950, dia tao amin’ny Fiangonana Berlin-Kreuzberg no nivory. Nifindra indray izahay taorian’izay fa tao Berlin ihany, dia tany amin’ny Fiangonana Berlin-Tempelhof no nisy anay. Natao batisa i Neny rehefa nandeha ny fotoana, fa izaho mbola nisalasala. Fa naninona?
NIEZAKA NY TSY HO SARO-KENATRA AHO
Tsy dia nandroso aho satria saro-kenatra be. Nitory foana aho nandritra ny roa taona, nefa tsy niteny mihitsy na dia indraim-bava aza. Nifanerasera tamin’ny rahalahy sy anabavy tena tia an’i Jehovah sy be herim-po anefa aho, dia lasa niova. Nisy tamin-dry zareo efa tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia na nigadra tany Alemaina Atsinanana. Ny sasany indray nitatitra ny boky sy gazetintsika tany Alemaina Atsinanana, na dia mety hampigadra aza izany. Tena niaiky an-dry zareo aho! Nieritreritra aho hoe ry zareo aza vonona hamoy ny ainy sy vonona higadra satria tia an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo, dia izaho izany tokony mba hiezaka ny tsy ho saro-kenatra loatra.
Lasa tsy dia saro-kenatra aho rehefa nandray anjara tamina ezaka manokana, tamin’ny 1955. Nanoratra taratasy ny Rahalahy Nathan Knorr tao amin’ny Mpilaza Vaovao,a dia nolazainy tao hoe io ezaka manokana io no anisan’ny lehibe indrindra nokarakarain’ny fandaminana hatramin’izay. Nilaza izy hoe “raha mandray anjara daholo ny mpitory, dia io volana io no hiavaka indrindra.” Dia izay mihitsy no nitranga! Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho tsy ela taorian’izay, dia natao batisa tamin’ny 1956, niaraka tamin’ny dadanay sy ny anabaviko. Nisy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy noraisiko indray anefa tsy ela taorian’izay.
Efa ela aho no nahafantatra fa tokony hanao mpisava lalana nefa nangataka andro foana. Nanapa-kevitra aloha aho hoe hianatra hanondrana entana sy hanafatra entana avy any ivelany. Rehefa vita indray ilay fianarana, dia te hiasa kely aho amin’izay mihamahay an’ilay asa. Nahita asa tany Hambourg aho tamin’ny 1961. Io no tanàna lehibe indrindra misy seranan-tsambo tany Alemaina. Lasa tiako be ilay asa, dia vao mainka aho nangataka andro tamin’ilay hoe hanao mpisava lalana. Tsy hitako izay natao.
Soa ihany fa nampiasa rahalahy be fitiavana i Jehovah mba hanampiana ahy hanao loha laharana ny fanompoana. Tena modely ho ahy ny namako, satria maromaro ry zareo no nanao mpisava lalana. Nampirisika ahy hatoky an’i Jehovah koa ny Rahalahy Erich Mundt. Notantarainy hoe tamin’izy tany amin’ny toby fitanana, dia hitany fa nihena ny finoan’izay rahalahy natoky tena, fa tsy nivadika kosa izay natoky tanteraka an’i Jehovah ary lasa andry niankinan’ny fiangonana.
Tamin’izaho nanomboka nanao mpisava lalana, tamin’ny 1963
Nisy rahalahy iray koa nampahery anay foana sady niteny hoe: “Ny herim-po no harena sarobidy indrindra.” Martin Poetzinger no anarany, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tatỳ aoriana. Nisaintsaina an’ireo teniny ireo aho, dia niala tamin’ny asako ihany, ary nanomboka nanao mpisava lalana tamin’ny Jona 1963. Iny no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko! Mbola tsy nanomboka nitady asa akory aho, dia voatendry ho mpisava lalana manokana, roa volana taorian’izay. Mihoatra an’izay noeritreretiko anefa ny nataon’i Jehovah. Nanao Sekolin’i Gileada kilasy faha-44 mantsy aho, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.
LESONA LEHIBE NIANARAKO TANY GILEADA
“Aza maika ny hiala any amin’ny faritany nanendrena anao.” Io no anisan’ny lesona lehibe indrindra nianarako, indrindra fa avy amin’ny Rahalahy Nathan Knorr sy Lyman Swingle. Nampirisika anay ry zareo mba hijanona any amin’izay faritany nanendrena anay, na dia tsy mora aza izany. Nilaza, ohatra, ny Rahalahy Knorr hoe: “Inona no hifantohanareo rehefa tonga any? Ny loto sy ny bibikely ary ny fahantrana ve? Sa ny hazo sy ny voninkazo ary ny tsikitsikin’ny olona?” Nampirisika anay izy avy eo mba hiezaka ho tia olona. Nanazava ny Rahalahy Swingle indray mandeha hoe nahoana ny misionera sasany no mora niala. Nihetsi-po be izy tamin’izay dia nanganohano ny masony. Najanony kely mihitsy ilay lahateny mba ho tony kokoa izy. Tena nanohina ny foko izany, dia tapa-kevitra aho hoe tsy handiso fanantenana an’i Kristy sy ireo rahalahiny voahosotra mihitsy.—Mat. 25:40.
Izaho sy Claude ary Heinrich, tamin’izahay misionera tany Lubumbashi, any Congo, tamin’ny 1967
Rehefa nampahafantarina anay ny toerana anendrena anay, dia nisy Betelita vitsivitsy nanontany hoe ho aiza izahay. Nilaza zavatra tsara momba ny fanendrena rehetra ry zareo. Rehefa izaho amin’izay anefa no namaly hoe: “Congo (Kinshasa)”, dia nangina kely ry zareo. Nilaza fotsiny ry zareo avy eo hoe: “Congo? Ao fa hampian’i Jehovah ianao.” Nalaza be tamin’ny vaovao mantsy tamin’izany hoe nisy ady tany Congo, dia nifamono ny olona. Notadidiko foana anefa ilay lesona nianarako. Tamin’ny Septambra 1967 ny fizarana diplaoma. Nankany Kinshasa, renivohitr’i Congo, aho tsy ela taorian’izay. Niaraka tamiko koa i Heinrich Dehnbostel sy Claude Lindsay.
FIANARANA KOA NY TENY AMIN’NY SAHA
Nianatra teny frantsay nandritra ny telo volana izahay, rehefa tonga tany Kinshasa. Nandeha raoplanina nankany Lubumbashi (Élisabethville taloha) izahay avy eo. Any amin’ny farany atsimo indrindra amin’i Congo no misy an’i Lubumbashi, eo akaikin’ny sisin-tany manasaraka azy amin’i Zambia. Tao amin’ny tranon’ny misionera tao afovoan-tanàna izahay no nipetraka.
Mbola tsy nitoriana mihitsy ny ankamaroan’ny tanàna tany, dia faly be izahay satria izahay no hitory voalohany any. Nahazo mpianatra be dia be izahay tsy ela taorian’izay. Izahay indray aza no tsy naharaka! Nitory tamin’ny manam-pahefana sy ny polisy koa izahay. Betsaka tamin’izy ireo no nanaja tsara ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitoriantsika. Nianatra teny swahili izahay sy Claude Lindsay satria izay no tena fitenin’ny olona any. Voatendry ho any amin’ny fiangonana miteny swahili izahay taoriana kelin’izay.
Be dia be ny zavatra nahafinaritra, nefa teo koa ny olana. Matetika izahay no nendrikendrehin’ny polisy nila vaniny na miaramila mamo mitam-basy. Nisy andiana polisy niditra tampoka tao am-pivoriana indray mandeha, tao amin’ny tranon’ny misionera. Nentin-dry zareo tany amin’ny paositry ny polisy izahay, dia nasain-dry zareo nipetraka tamin’ny tany foana. Tamin’ny folo alina teo ho eo izahay vao navelany handeha.
Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1969. Nandeha an-tongotra lavitra be aho indraindray rehefa nitsidika fiangonana, nefa ny lalana feno fotaka sady lava be ny bozaka. Hoatr’izany tsinona ny any Afrika. Rehefa nitsidika tanàna kely iray izay aho, dia nisy akohovavy mitarika natory tao ambany fandrianako isak’alina. Tsy hohadinoiko mihitsy ilay izy mamoha ahy raha vao mangiran-dratsy iny. Tonga dia taitra tsara aho satria maneno mafy be izy. Nitanina afo teny an-tokotany niaraka tamin’ny mpiara-manompo koa aho indraindray rehefa hariva, dia niresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly izahay. Mbola tsaroako foana ireny fotoana nahafinaritra ireny.
Nisy olona nisandoka ho Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany nefa anisan’ny Kitawala.b Ny niatrika an’izany no mafy indrindra taminay. Natao batisa ny sasany tamin’izy ireny, ary lasa anti-panahy mihitsy aza. Maro tamin’ireny “harambato voasaron-drano” ireny anefa no tratra, ka tsy nahavoafitaka an’ireo rahalahy sy anabavy. (Joda 12) Nesorin’i Jehovah tsy ho anisan’ny fiangonana izy ireny rehefa nandeha ny fotoana, ka vao mainka nitombo be ny isan’ny olona nanaiky ny fahamarinana.
Voatendry hiasa tany amin’ny Betela any Kinshasa aho, tamin’ny 1971. Nanao asa isan-karazany aho tany, ohatra hoe nandray sy nandefa taratasy, nikarakara fanafarana boky sy gazety, ary niandraikitra ny asa mifandray amin’ny fanompoana. Tao amin’ny Betela no nianarako hoe ahoana no fomba andaminana ny asa fitoriana, raha midadasika ilay tany nefa tsy zarizary ny lalana sy ny fitaterana ary ny zavatra hafa. Amam-bolana indraindray vao tonga ny taratasy nalefanay tany amin’ny fiangonana. Nalefa raoplanina ilay izy, dia avy eo nafindra tamin’ny sambo. Feno tsinkafonkafona anefa teny amin’ny rano dia nihitsoka teo ilay sambo, nandritra ny herinandro maromaro. Vita foana anefa ny asa na teo aza ireny olana ireny sy ny olana hafa.
Gaga aho fa vitan’ireo rahalahy ny nandamina fivoriambe lehibe nefa kely ny vola nananan’izy ireo. Tranona vitsikazo no nanamboaran-dry zareo lampihazo, dia farinomby lava be no nanaovana rindrina, na nahorongorona mba hipetrahana. Volotsangana no nanaovany ny rafitr’ilay trano, ary bararata norarina no nataony tafo na latabatra. Hodi-kazo notapatapahina no nataony solona fantsika. Tena niaiky an’ireny rahalahy sy anabavy ireny aho, satria nikiry foana ry zareo sady nahay nikaroka hevitra. Lasa tiako be ry zareo! Manimanina an-dry zareo aho rehefa nifindra faritany.
TANY KENYA
Nafindra tany amin’ny biraon’ny sampana tany Nairobi, any Kenya, aho tamin’ny 1974. Be atao be izahay tany. Niandraikitra ny asa fitoriana tany amin’ny firenena folo teo akaiky teo mantsy ny sampan’i Kenya. Voarara ny asa tany amin’ny sasany amin’ireo tany ireo. Imbetsaka aho no voatendry hitsidika an’ireo tany ireo, indrindra fa i Etiopia. Nenjehina sy niatrika olana lehibe ny mpiara-manompo amintsika tany. Maro tamin-dry zareo no nampijalijalina na nogadraina. Nisy aza novonoina ho faty mihitsy. Niaritra sy tsy nivadika anefa izy ireo satria nifankatia sady nifandray tsara tamin’i Jehovah.
Niova be ny fiainako tamin’ny 1980, ary tiako be ilay izy. Nivady mantsy izahay sy Gail Matheson. Niara-nanao Sekolin’i Gileada izahay. Avy any Kanada izy ary voatendry hankany Bolivia. Nifanoratra foana izahay roa dia nihaona indray 12 taona tatỳ aoriana, tany New York. Tany Kenya izahay no nivady tsy ela taorian’izay. Tena misaotra an’i Gail aho fa miezaka hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah foana izy ary mahay mianina amin’izay misy. Sarobidy amiko izy satria manohana ahy foana. Be fitiavana koa izy dia tena namana ho ahy.
Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1986. Anisan’ny Komitin’ny Sampana koa aho tamin’izany. Maro tamin’ireo firenena nokarakarain’ny sampan’i Kenya no notsidihinay mivady.
Manao lahateny amin’ny fivoriambe tany Asmara, tamin’ny 1992
Tadidiko tsara tamin’izahay nikarakara fivoriambe tany Asmara (any Érythrée) tamin’ny 1992. Mbola tsy voarara ny asantsika tany tamin’izany. Trano fitehirizam-bokatra izay no mba hitanay, nefa ratsy be ny paoziny. Ny tao anatiny moa tsy lazaina intsony! Gaga be anefa aho rehefa tonga ny andron’ny fivoriambe, satria efa namboarin’ny mpiara-manompo ilay izy dia lasa tsara tarehy be ny tao anatiny. Tena mendrika ny hanompoana an’i Jehovah mihitsy! Nisy fianakaviana be dia be nitondra lamba handravahana an’ilay trano, dia notakonana tamin’ireny izay faritra ratsiratsy rehetra. Nisy 1279 ny mpanatrika an’ilay fivoriambe. Nahafinaritra be tamin’izay!
Niova be ny fiainanay rehefa lasa mpiandraikitra ny faritra aho. Lasa nifindrafindra trano foana mantsy izahay. Efa nipetraka tao amina trano ngezabe sy tsara tarehy teo amoron-dranomasina, ohatra, izahay. Nisy fotoana koa anefa izahay nipetraka tao amina trano vy tsotsotra, sady lavitra be ny kabine. Tsy nampaninona anefa izay toerana nipetrahanay. Ny tena maminay mantsy dia ny fotoana nanompoana niaraka tamin’ny mpisava lalana sy mpitory mazoto. Tsy hohadinoinay mihitsy izany! Mafy be taminay ny nandao an’ireny namanay ireny, rehefa nahazo fanendrena vaovao izahay.
NODY VENTINY NY RANO NANTSAKAINA
Nekena ho ara-dalàna ny asantsika tany amin’ny firenena maromaro nokarakarain’ny sampan’i Kenya, teo anelanelan’ny 1987 sy 1992. Maromaro tamin’ireny tany ireny àry no lasa nanana biraon’ny sampana na biraon’ny Komitin’ny Tany. Tany Addis-Abeba, any Etiopia, izahay no voatendry tamin’ny 1993. Efa nekena ho ara-dalàna ny asantsika tany tamin’izay. Niafina kosa ireo rahalahy sy anabavy tany taloha rehefa nanao ny asantsika, ary naharitra an-taonany maro izany.
Tamin’izaho mpiandraikitra ny vondrom-paritra, tany ambanivohitr’i Etiopia, tamin’ny 1996
Notahin’i Jehovah ny asa tany Etiopia. Be dia be ny rahalahy sy anabavy lasa nanao mpisava lalana. Efa ho ny ampahefatry ny mpitory, ohatra, no nanao mpisava lalana maharitra isan-taona, nanomboka tamin’ny 2012. Nisy sekoly ara-baiboly maromaro koa natao mba hampiofanana ny mpitory, ary Efitrano Fanjakana 120 mahery no naorina. Nafindra tany amina trano vaovao koa ny Betela tamin’ny 2004. Tsy izay ihany fa notahin’i Jehovah ny mpiara-manompo tany satria nasiana Efitrano Fivoriambe tao.
Tena faly izahay sy Gail hoe lasa mpinamana be tamin’ireo rahalahy sy anabavy tany Etiopia. Tianay be ry zareo satria be fitiavana sy tsara fanahy. Tsy dia salama izahay tato ho ato, dia tsy maintsy nafindra atỳ amin’ny sampan’i Eoropa Afovoany. Voakarakara tsara izahay atỳ, nefa mbola malahelo an’ireo namanay any Etiopia.
I JEHOVAH NO NAMPITOMBO
Hitanay hoe i Jehovah mihitsy no nampandroso ny asa. (1 Kor. 3:6, 9) Nisy mpitrandraka varahina tonga, ohatra, tany Congo, dia nitory tamin-dry zareo aho. Avy any Rwanda ry zareo ary mbola tsy nisy mpitory tany tamin’izany. Efa misy rahalahy sy anabavy 30 000 mahery anefa any amin’izao! Enina arivo kosa ny mpitory tany Congo (Kinshasa) tamin’ny 1967, fa efa 230 000 eo ho eo amin’izao. Nisy iray tapitrisa mahery koa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2018. Lasa 100 000 mahery ny tontalin’ny mpitory any amin’ireo tany rehetra nokarakarain’ny sampan’i Kenya taloha.
Nampiasa rahalahy samihafa i Jehovah mba hanampiana ahy hanompo manontolo andro, 50 taona mahery lasa izay. Nianatra ny hatoky tanteraka azy aho, na dia mbola saro-kenatra ihany aza. Nianatra ny hanam-paharetana sy hahay hianina aho tany Afrika. Tena miaiky an’ireo rahalahy sy anabavy any izahay sy Gail. Tia mandray vahiny ry zareo sady mahay miaritra ary matoky an’i Jehovah. Misaotra an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho, satria tsara fanahy be tamiko izy. Mihoatra noho izay noeritreretiko mihitsy ny fitahiana nomeny ahy!—Sal. 37:4.
a Nantsoina hoe Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana izy io tatỳ aoriana, ary amin’izao indray nosoloana an’ilay hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana.
b Avy amin’ny teny swahili midika hoe “manjaka, mitondra, na mitarika” ny hoe “Kitawala.” Ny tanjon’io antokon’olona io dia ny hahatonga an’i Congo hahaleo tena fa tsy ho eo ambany fifehezan’i Belzika intsony. Nataon’izy ireo izay hahazoana ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nianarany ilay izy ary nozarainy tamin’ny olona. Nampihariny tamin’ny fomba diso anefa ny voalazan’ny Baiboly, mba hahatonga ny olona hanaiky ny heviny sy ny fombafombany ary ny fitondran-tena ratsiny.