TANTARAM-PIAINANA
Ampianarin’ilay Mpampianatra Be Voninahitra Foana Izahay
IMBETSAKA izahay mivady no niaina zavatra hoatr’izao, tamin’izahay mpisava lalana sy misionera: Mandalo toeram-pisavana misy miaramila mitondra fitaovam-piadiana, arabe feno zavatra doran’ny mpirotaka, rivo-doza, ady, ary alefa mitsoaka tampoka. Tsy anenenanay mihitsy anefa ny safidy nataonay satria nanohana sy nitahy anay foana i Jehovah. Nampianatra anay lesona sarobidy koa io Mpampianatra Be Voninahitra io.—Joba 36:22; Isaia 30:20.
MODELY NY RAY AMAN-DRENIKO
Niala tany Italia i Dada sy Neny, tamin’ny 1957, ary nifindra tany Kindersley, any Kanada. Nianatra ny fahamarinana ry zareo taoriana kelin’izay, ary izany no lasa zava-dehibe indrindra taminay. Tadidiko hoe imbetsaka izahay no nanompo mandra-paharivan’ny andro, tamin’izaho mbola kely. Mananihany aho indraindray hoe efa “mpisava lalana mpanampy” aho tamin’izaho valo taona!
Izahay mianakavy, 1966 tany ho any
Nahantra ny ray aman-dreniko nefa modely satria nahafoy tena ho an’i Jehovah. Be dia be, ohatra, ny fananana namidin-dry zareo mba hahafahana manatrika an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Pasadena, any Etazonia, tamin’ny 1963. Nifindra tany Kolombia Britanika, any Kanada, izahay tamin’ny 1972 satria te hanampy ny olona miteny italianina. Tany Trail izahay no nipetraka, izany hoe 1 000 kilaometatra eo ho eo miala an’i Kindersley. Mpanadio i Dada ary tsy nety nanao asa be karama izy mba hahafahany mifantoka amin’ny fanompoana.
Ankasitrahako ny modely nomen’i Dada sy Neny ho anay efatra mianadahy. Ny fampianaran-dry zareo no fampiofanana voalohany azoko tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tadidiko foana ilay hoe raha manao loha laharana an’ilay Fanjakana aho dia hikarakara ahy i Jehovah.—Mat. 6:33.
NANOMBOKA NANOMPO MANONTOLO ANDRO
Nivady izahay sy Debbie tamin’ny 1980. Anabavy mahafatifaty izy sady nanana tanjona ara-panahy voafaritra tsara. Te hanompo manontolo andro izahay dia nanao mpisava lalana i Debbie, telo volana taorian’ny mariazinay. Nifindra tao amin’ny fiangonana kely mila mpitory izahay, herintaona taorian’ny nivadianay, dia nanao mpisava lalana koa aho.
Tamin’ny mariazinay, 1980
Kivy izahay rehefa nandeha ny fotoana, dia nanapa-kevitra hoe hiala tany. Niresaka tamin’ny mpiandraikitra ny faritra anefa aloha izahay. Be fitiavana izy nefa tsy niolakolaka niteny hoe: “Misy hadisoanareo ihany ilay izy satria ianareo mifantoka amin’ny zavatra tsy mampahery. Raha mitady zavatra mampahery anefa ianareo dia tena hahita.” Izany mihitsy no torohevitra nilainay. (Sal. 141:5) Tonga dia nampiharinay ilay izy. Vetivety dia hitanay hoe be dia be ny zavatra tsara azonay ifantohana. Betsaka izao no te hampitombo fanompoana tao amin’ilay fiangonana, anisan’izany ny tanora sy ny olona sasany manam-bady tsy Vavolombelona. Lesona lehibe ho anay iny! Aleo mijery lafy tsaran-javatra foana dia miandry an’i Jehovah rehefa misy zavatra hoatran’ny hoe manahirana. (Mika 7:7) Lasa faly indray izahay, moa ilay olana nihanilamina.
Efa nanompo tany an-tany hafa ny mpampianatra tamin’ilay sekolin’ny mpisava lalana natrehinay voalohany. Nasehon-dry zareo sary izahay dia notantarainy anay ny olana natrehin-dry zareo sy ny fitahiana azony. Te ho misionera be mihitsy izahay taorian’izay.
Ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Kolombia Britanika, 1983
Mba hanatratrarana ny tanjonay dia nifindra tany Québec, 4 000 kilaometatra mahery avy eo Kolombia Britanika, izahay tamin’ny 1984. Hianatra kolontsaina sy fiteny vaovao izany izahay satria miteny frantsay ny any. Tsy nanam-bola koa izahay matetika. Nisy fotoana izahay nitsimpona ambina ovy teny an-tanimbolin’olona. Nahita fomba nikarakarana an’ilay izy foana anefa i Debbie. Na teo aza ny olana dia niezaka ho faly foana izahay sady niaritra. Nikarakara anay koa i Jehovah.—Sal. 64:10.
Nisy nitelefaonina izahay indray mandeha. Tsy nampoizinay hoe fanasana anay hanompo any amin’ny Betelan’i Kanada ilay izy. Faly sahirana izahay satria efa nangataka hanao Sekolin’i Gileada. Nekenay ihany anefa ilay fanasana. Rehefa tonga tany izahay dia nanontanianay ny Rahalahy Kenneth Little, anisan’ny Komitin’ny Sampana, hoe: “Ahoana izany ilay fangatahanay hanao Sekolin’i Gileada?” Hoy izy: “Ho hita eo ihany ny amin’iny.”
Inona tokoa fa voasa hanao Sekolin’i Gileada izahay sy Debbie, herinandro tatỳ aoriana! Tsy maintsy nifidy àry izahay. Hoy Rahalahy Little taminay: “Na inona na inona fidinareo, dia mety hieritreritra foana ianareo any aoriana any hoe tahaka izay ilay iray. Samy tsara ireo dia samy azon’i Jehovah tahina.” Nekenay ilay fanasana hanao Sekolin’i Gileada. Hitanay, rehefa nandeha ny fotoana, hoe marina ny tenin’ny Rahalahy Little. Matetika izahay no namerina an’ilay teniny tamin’ny olon-kafa tsy maintsy nifidy hoatr’anay koa.
LASA MISIONERA IZAHAY
(Ankavia) Ulysses Glass
(Ankavanana) Jack Redford
Faly be izahay hoe anisan’ireo mpianatra 24 tamin’ny kilasy faha-83 amin’ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny Aprily 1987. Tany Brooklyn, New York, ilay sekoly dia i Ulysses Glass sy Jack Redford no mpampianatra. Vetivety dia tapitra ilay dimy volana nianaranay. Nahazo diplaoma izahay tamin’ny 6 Septambra 1987. Voatendry ho any Haïti izahay, niaraka tamin’i John sy Marie Goode.
Tany Haïti, 1988
Efa hatramin’ny 1962 no tsy nisy misioneran’i Gileada nalefa tany Haïti. Tamin’io no noroahin’ny fanjakana ny misionera farany tany. Tonga tany Haïti izahay, telo herinandro taorian’ny fizarana diplaoma. Fiangonana kely tany an-tendrombohitra ilay nisy anay, ary 35 ny mpitory. Mbola tanora izahay sady tsy ampy traikefa, ary izahay irery no tao amin’ny tranon’ny misionera. Nahantra be ny olona tany dia tsy nahay namaky teny ny ankamaroany. Nisy korontana, fanonganam-panjakana, mpirotaka nandoro zavatra teny amin’ny arabe, ary rivo-doza matetika tamin’izany.
Natanja-tsaina sy falifaly foana ny rahalahy sy anabavy tany Haïti, dia niana-javatra be avy tamin-dry zareo izahay. Maro no niaritra ny mafy nefa tia an’i Jehovah sy ny fanompoana. Tsy mahay mamaky teny, ohatra, ny anabavy iray be taona, nefa 150 eo ho eo ny andinin-teny hainy tsianjery. Rehefa mahita ny olana atrehin’ny olona izahay, dia vao mainka tapa-kevitra hitory hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no vahaolana. Faly be izahay hoe lasa mpisava lalana maharitra sy manokana ary anti-panahy ny sasany tamin’ny mpianatray voalohandohany.
Nihaona tamin’ny tovolahy atao hoe Trevor aho, tamin’izahay tany Haïti. Misionera mormon izy dia nisy fotoana izahay niresaka momba ny Baiboly. Tsy nampoiziko hoe nandefasany taratasy aho, taona maro tatỳ aoriana. Izao no nosoratany: “Hatao batisa amin’ny fivoriambe aho! Te hiverina any Haïti aho dia hanao mpisava lalana manokana any amin’ilay naha misionera mormon ahy taloha.” Mpisava lalana manokana tany tokoa izy sy ny vadiny nandritra ny taona maro!
TANY EOROPA DIA AVY EO TANY AFRIKA
Tany Slovenia, 1994
Tsy voarara intsony ny fitoriana tany amin’ny faritra iray tany Eoropa dia notendrena ho any izahay. Tonga tany Ljubljana, any Slovenia, àry izahay tamin’ny 1992. Tsy lavitra teo ny toerana nahalehibe an’i Dada sy Neny talohan’ny nifindran-dry zareo tany Italia. Mbola nafotaka ny ady tany amin’ny faritra sasany tany Iogoslavia teo aloha. Ny rahalahy tany Vienne any Aotrisy, sy tany Zagreb any Kroasia, ary tany Belgrade any Serbia no niandraikitra ny asa tany amin’ireny faritra ireny tamin’izany. Efa samy manana ny Betelany izao ireo toerana ireo.
Hianatra fiteny sy kolontsaina vaovao indray izany izahay! Matetika ny mponina any no miteny hoe “Jezik je težek”, izay midika hoe: “Sarotra ny fiteninay.” Sarotra tokoa aloha ilay izy e! Midera ny mpiara-manompo any izahay satria tsy mivadika ry zareo, sady tonga dia manaiky ny fanovana ataon’ny fandaminana, dia tena tahin’i Jehovah. Hitanay indray hoe be fitiavana i Jehovah rehefa mandamina olana, sady amin’ny fotoana mety. Niana-javatra be izahay tany Slovenia, sady vao mainka nilentika tao an-tsainay izay nianaranay taloha.
Mbola betsaka anefa ny fiovana. Voatendry tany Côte d’Ivoire, any Afrika Andrefana, izahay tamin’ny taona 2000. Nisy ady an-trano anefa tany dia nalefa tany Sierra Leone izahay, tamin’ny Novambra 2002. Vao avy nisy ady an-trano naharitra 11 taona koa tany. Tsy mora ilay niala tampoka tany Côte d’Ivoire. Nanampy anay ho faly foana anefa ny lesona nianaranay talohan’izay.
Betsaka olana liana tany. Niaritra koa ny mpiara-manompo nandritra ny taona maro nisian’ny ady sady be fitiavana. Izany no nifantohanay. Nahantra ry zareo nefa nalala-tanana. Nisy anabavy iray izao nanome akanjo vitsivitsy an’i Debbie. Saika tsy handray izy nefa tsy nanaiky ilay anabavy fa niteny hoe: “Nanohana anay ny mpiara-manompo tany an-tany hafa nandritra ny ady, dia anjaranay indray izao ny manampy.” Nataonay tanjona ny hanahaka an-dry zareo.
Niverina tany Côte d’Ivoire izahay nefa nisy korontana ara-politika indray tany. Nalefa nitsoaka tamin’ny helikoptera àry izahay, tamin’ny Novambra 2004, ary entana 10 kilao avy fotsiny no azonay nentina. Nanao ladina an-tany tao amin’ny toby miaramila frantsay iray izahay ny alin’iny, dia nalefa tany Soisa ny ampitso. Tonga tao amin’ny Betela izahay tamin’ny misasakalina tany ho any, dia efa niandry teo ny Komitin’ny Sampana sy ny mpampianatra amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana niaraka tamin’ny vadin’izy ireo. Nofihinin-dry zareo izahay, ary nomeny sakafo mafana sy sôkôlà soisa be dia be. Tena nanohina ny fonay izany.
Manao lahateny ho an’ny mpitsoa-ponenana any Côte d’Ivoire, 2005
Voatendry vetivety tany Ghana izahay, dia avy eo niverina tany Côte d’Ivoire rehefa nilamindamina tany. Na dia nalefa nitsoaka matetika sy nahazo fanendrena tsy maharitra imbetsaka aza izahay, dia nanampy anay foana ny fitiavan’ny mpiara-manompo. Nifanaraka izahay sy Debbie hoe tsy hohamaivaninay mihitsy ny fitiavan’ny mpiara-manompo na dia efa mahazatra aza. Tsapanay mihitsy aza hoe sarobidy ny fampiofanana azonay tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny.
TANY MOYEN-ORIENT
Tany Moyen-Orient, 2007
Nahazo taratasy avy amin’ny foibe izahay tamin’ny 2006 hoe voatendry ho any Moyen-Orient. Hianatra fiteny sy kolontsaina vaovao indray izany izahay. Inona indray izao ny olana sy zavatra mampientanentana miandry anay? Nafana ny toe-draharaha ara-politika sy ara-pivavahana tany ka niana-javatra be indray izahay. Tianay ilay hoe isan-karazany ny fitenin’ny olona any amin’ny fiangonana, nefa miray saina ry zareo rehefa manaraka ny toromariky ny fandaminana. Midera ny mpiara-manompo any izahay satria betsaka no enjehin’ny fianakaviany, ny mpiara-mianatra, ny mpiara-miasa, ary ny mpiray tanàna nefa be herim-po foana.
Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Tel Aviv, Israely, izahay tamin’ny 2012. Tamin’io indray vao nisy vahoakan’i Jehovah be dia be tafavory tany, taorian’ny Pentekosta taona 33. Tsy ho hadinonay mihitsy iny!
Nasaina nitsidika firenena andrarana ny asantsika izahay tamin’izany. Nitondra boky sy gazety izahay dia nitory. Nanatrika fivoriambe nisy mpanatrika vitsivitsy koa izahay. Feno miaramila nirongo fiadiana sy toeram-pisavana ny lalana. Nitandrina tsara anefa izahay niaraka tamin’ireo mpitory vitsivitsy dia tsy natahotra.
NIVERINA TATỲ AFRIKA
Nanomana lahateny tany Congo, 2014
Niova be indray ny fanendrena anay tamin’ny 2013: Nanompo tany amin’ny sampan’i Kinshasa, Congo, izahay. Midadasika be io firenena io sady tsara tarehy, nefa koa faran’izay mahantra sady matetika no nisy ady. Hoy izahay tamin’ny voalohany: “Efa hainay tsara ny any Afrika.” Mbola betsaka anefa kay no tsy hainay, indrindra rehefa hanao dia lavitra izahay nefa zara raha nisy foto-drafitrasa. Nahita zavatra tsara be dia be azonay nifantohana izahay. Niaritra sy faly foana, ohatra, ny mpiara-manompo na dia tsy nanam-bola aza. Tia fanompoana koa ry zareo dia miezaka be rehefa hivory sy hanatrika fivoriambe. Izahay mihitsy no nahita hoe raha tsy notohanan’i Jehovah sy notahiny ny asan’ilay Fanjakana tany dia tsy nandroso. Tsy ho hadinonay mihitsy ny fotoana nanompoanay manontolo andro tany Congo, sady nahazo fianakaviana vaovao izahay tany.
Mitory atỳ Afrika Atsimo, 2023
Tonga tany amin’ny fanendrena anay vaovao indray izahay tamin’ny faran’ny taona 2017: Tany amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo. Io no sampana lehibe indrindra nanompoanay hatramin’izay. Na ny asanay aza vaovao taminay. Niana-javatra be indray izahay. Nanampy anay anefa ny lesona nianaranay taloha. Tianay ireo mpiara-manompo be dia be niaritra efa hatramin’ny ela. Mahavariana koa ny mahita ny fianakavian’ny Betela miara-miasa sy miray saina, na dia samy hafa kolontsaina sy fiaviana aza. Hita mihitsy hoe tahin’i Jehovah ny vahoakany dia mihavana, rehefa miezaka hanana toetra vaovao sy mampihatra ny torolalan’ny Baiboly.
Imbetsaka izahay sy Debbie no nahazo fanendrena nampientanentana hatramin’izay, dia nianatra fiteny sy kolontsaina vaovao. Tsy mora foana ireny nefa tsapanay hoe nampiasa ny fandaminany sy ny mpiara-manompo foana i Jehovah mba hampisehoana hoe tia sy tsy mivadika aminay izy. (Sal. 144:2) Matoky izahay fa ireny fampiofanana azonay tamin’ny fanompoana manontolo andro ireny no mahatonga anay ho mpanompon’i Jehovah ankasitrahany kokoa.
Tena ankasitrahako ny fitaizan’i Dada sy Neny ahy sy ny fanohanan’i Debbie vady malalako ary ny modely faran’izay tsara omen’ny mpiara-manompo eran-tany. Mibanjina ny hoavy izao izahay roa, sady tapa-kevitra foana hoe hanaiky hampianarin’ilay Mpampianatra Be Voninahitra.