FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/03 p. 3-4
  • Mahay Mandamin-javatra ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahay Mandamin-javatra ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoreno eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah ny Fiainanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Ny Fomba Akana ny Fotoana Azo Hararaotina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Inona no Ataonao Loha Laharana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Aoka isika hijinja arakaraka ny fiezahantsika manokana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 12/03 p. 3-4

Mahay Mandamin-javatra ve Ianao?

1 “Omeo an’izay be atao ny asa, dia ho vita izany.” Ny hevitra ao ambadik’io oha-pitenenana io, dia hoe mahay mandamin-javatra ny olona be atao ka afaka manao misimisy kokoa. Manana 24 ora isan’andro avy ny tsirairay amintsika, mba hanaovan-javatra. Ny fahaizan’ny tsirairay mandamina no hamaritra na handanilany foana izany fotoana izany izy, na hampiasa izany amim-pahendrena.

2 Misy zavatra be dia be “atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Kor. 15:58) Tsy maintsy mivory sy manompo eny amin’ny saha isika. Misy fanomanana atao anefa, alohan’ireo. Midika izany fa mila manokana fotoana hianarana isika, mba hahombiazantsika eo amin’ny asa ‘fanaovana mpianatra’ sy handrisihantsika ny olona “ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara”, araka ny nandidiana antsika. (Matio 28:19; Heb. 10:24) Fanao mahazatra antsika eo amin’ny fiainana ireto: Miasa, miantsena, misakafo, manadio, manao dia, mianatra, ary matory. Miala voly koa isika, indraindray. Zava-tsarotra tsy maintsy atrehintsika ny fandaminana an’ireo rehetra ireo, ho amin’ny fotoanany avy. Ahoana no ahavitantsika izany?

3 Farito izay homenao ny toerana voalohany: Hoy i Jesosy: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Matio 6:33) Mazava fa tokony homena ny toerana voalohany ilay Fanjakana, rehefa mampiasa ny fotoanantsika isika. Hanana fotoana hivoriana, hanaovana fianaram-pianakaviana sy asa kristianina hafa (fanompoana eny amin’ny saha, fianarana samirery) isika, raha mitsinjara ny fotoanantsika, toy ny rehefa manao teti-bola. Tsy tokony hampiasaintsika amin-javatra hafa ireny fotoana ireny.

4 Tokony hampidirina ao amin’ny fandaharam-potoanantsika ireo zavatra tena ilaintsika eo amin’ny fiainana. Tokony hanokana fotoana hiasana isika, mba hahazoana izay ilaintsika sy ny an’ny fianakaviantsika. Tokony hisakafo sy hatory koa isika, ary hikarakara ireo zavatra ilain’ny fianakaviantsika. Anisan’ny zava-dehibe tokony homen’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana toerana voalohany, ny fotoana hanomanana sy hanaovana ireo anjara amin’ny fivoriana sy andraikitra kristianina hafa. Nahoana raha mipetraka sy manao fandaharam-potoana ary mijery raha misy zavatra tsy dia ilaina, nefa nahazo ny toerana voalohany?

5 Hazòny ho tsotra ny masonao: Hoy i Jesosy rehefa niresaka momba ny zavatra ataon’ny mpanara-dia azy: “Raha tsotra àry ny masonao, dia hamirapiratra ny tenanao manontolo.” (Matio 6:22) Inona no dikan’izany? Midika izany fa tokony ho tsotra ny fiainantsika. Be dia be ny mety hahavariana antsika, toy ny televiziona. Misy olona mandefa azy io, amin’ny maraina ka hatramin’ny hariva. Mety hipetraka mba hijery fandaharana fohy ny olona iray, nefa hanohy hijery fandaharana hafa izy avy eo, ka mety ho lany eo ny fotoana saika hanaovany fianarana samirery. Mora erỳ ny mandanilany foana ny takariva iray manontolo! Betsaka no tsy mahay hoe rahoviana izy no tokony hanapika ny televizionany. Aleo tsy mandefa azy io mihitsy, raha manana izany olana izany ianao.

6 Mora ny mampiasa ny fotoanantsika sarobidy hitsidihana matetika ny havana aman-tsakaiza, mba hifampiresahana amin’izy ireny fotsiny. Tokony hojeren’ny lehilahy sy ny vadiny ary ny ankizy anefa, sao mandanilany foana ny fotoana tokony hianarany sy hifampiresahany izy ireo. Tokony hitandrina isika rehetra, mba tsy hanavesatra ny fiainantsika amin’ny fialam-boly na ny fifaneraserana amin’ny hafa.

7 Hisy olana lehibe hipoitra, raha avelantsika haka amin’ny fotoana tokony hanaovantsika zava-dehibe kokoa ny asa fivelomana. Variana loatra amin’ny asany na amin’ny zavatra hafa mety hahazoam-bola ny sasany, ka tsy manam-potoana hivoriana sy hanompoana eny amin’ny saha intsony, na mba hiahiana ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Efes. 5:15, 16) Tsara ny anontaniantsika tena hoe: ‘Iza marina moa no faly rehefa mahita ahy mampiasa ny fotoanako amin’izay mahasoa ahy, fa tsy amin’ny fanompoana an’i Jehovah?’

8 Fomba ampiasana tsara ny fotoana: Hahay handamin-javatra isika, raha manana toetra tsara sy tanjona eo amin’ny lafiny ara-panahy. Amin’izay dia ho vitantsika ny hamaritra izay homena ny toerana voalohany isan’andro. Aza mangataka andro lava, fa ataovy amin’ilay fotoana efa natokanao hanaovana azy ny zavatra kasainao hatao. Mamera daty farany tsy maintsy enjehina. Miezaha manokana fotoana ampy mba hianarana tsara ny hevitra tianao haseho eny amin’ny fanompoana na any am-pivoriana. Manokàna koa fotoana ampy, mba hanaovana ireo asa tsy maintsy atao ao an-trano isan’andro.

9 Misy fahazarana tsara afaka manampy antsika hampiasa tsara ny fotoana verivery fotsiny. Ohatra: Azonao amakian-teny sy anoratana taratasy na anaovana zava-dehibe hafa, ny fotoana iandrasana olona. Afaka manombo-dresaka mba hitoriana ianao, rehefa milahatra. Tena ilaintsika rehetra koa ny miala sasatra tsara, mba ho salama sy mailaka hatrany. Hiasa tsara kokoa ianao, raha manao izany.

10 Hatsarao ny fahaizanao mandamin-javatra: Mandany fotoana sy manao ezaka be ny olona sasany, raha vao mandamina fotsiny ny fomba hanatanterahany ny raharaha ara-barotra iray. Hitan’ny mpandraharaha mahay, fa kely kokoa ny vola lany raha alamina tsara aloha ny mpiasa sy ny fitaovana, vao atomboka ny famokarana zavatra iray. Fantany fa ho lany vola sy fotoana be dia be izy, sady ho maty antoka, raha tsy ampy ny mpiasa sy ny fitaovana, amin’ny fotoana sy toerana ilana izany. Misy antony tsara kokoa anefa manosika antsika handamin-javatra. Anisan’izany ny faniriantsika hifandray tsara foana amin’i Jehovah, ny hahomby amin’ny asa fampianarana ataontsika, ary ny hanatratrarantsika ilay tanjontsika, dia ny fiainana mandrakizay. Tena ilaina àry ny manao izay hahazoana antoka fa hanana ny fitaovana mety isika, amin’ny fotoana mety.

11 Tokony hanatrika ireo fivoriana dimy ataon’ny fiangonana isan-kerinandro, ohatra, isika. Miorina amin’ny boky sy gazety maromaro, ny famelabelarana amin’ireny fivoriana ireny. Efa vonona sy mora raisina ve ny boky sy gazetintsika? Efa natokantsika ve Ny Tilikambo Fiambenana ianarana amin’ilay herinandro, sa mbola haka fotoana ny fitadiavana azy? Ary ahoana ny amin’ireo fitaovana hafa ilaina, toy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, fihirana, Baiboly, ary ny boky ianarantsika any amin’ny Fianarana Boky? Tsara raha manana toerana voafaritra hametrahana ireny fitaovana ireny isika, ary hitahiry azy ireny ao, isaky ny tsy mampiasa azy. Ho hitantsika haingana amin’izay ny boky sy gazety ilaintsika, rehefa manomana ny fanompoana na ny fivoriana isika.

12 Ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana indrindra no tena tokony hahay handamin-javatra. Mety hanadino na hanilika “izay zava-dehibe kokoa” isika indraindray, noho isika be atao eo amin’ny fiainantsika sy eo anivon’ny fiangonana. (Fil. 1:10) Handray soa tokoa isika raha manao lisitry ny zavatra omena ny toerana voalohany. Nanao lisitra toy izany ny rahalahy iray, ary mijery azy io foana isaky ny misy fivoriana. Mahavita zavatra be dia be àry izy, sady afaka manamarina ao amin’ilay lisitra koa raha efa vita ny asan’ny fiangonana tokony ho natao.

13 Tokony hanaraka fomba fiasa tsara ny anti-panahy, mba hitehirizana sy hikarakarana tsara ireo taratasin’ny fiangonana. Mety hampisafotofoto sy hanahirana ny fikarakarana azy ireny indraindray, rehefa tsy voalamina tsara. Tsara àry ny manokana minitra vitsivitsy tsy tapaka mba hijerena izay taratasy tokony hotehirizina sy izay tokony homena olon-kafa, na izay tokony hopotehina. Ataovy azo antoka koa fa alefanao haingana any amin’ireo anti-panahy hafa ny taratasy any aminao, izay tokony hovakin’izy ireo. Ho vitanao ny hitahiry sy hikarakara tsara ireo taratasy sy zavatra hafa ilana fiheverana, raha izao no ataonao: Manisy toerana fasiana taratasy ao anaty kitaponao, na manokana azy ireny ao anaty valopy na fonosana hafa. Amin’izay dia tsy hisy taratasy ho very, na ho tara ny fikarakarana azy.

14 Aza hentitra loatra: Jereo indray ny fandaharam-potoananao, ka fantaro raha misy zavatra hafa tokony halamina, na tsia. Tsy mitady ny tonga lafatra isika sady tsy irintsika ny handamina tafahoatra ny fiainantsika. Hanjary tsy hiova mihitsy mantsy ny fiainantsika, raha izany no ataontsika. Tadidio fa tsy mitovy isika rehetra sady samy hafa ny tarehin-javatra misy antsika. Mpitovo ny sasany amintsika. Ny hafa kosa manambady. Mety tsy handaitra amin’ny fianakaviana iray izay mandaitra amin’ny fianakaviana hafa. Tsy maintsy mihevitra ny tarehin-javatra misy azy sy ny an’ny fianakaviany, ny tsirairay, rehefa mandamin-javatra. Manehoa àry fahaiza-manavaka, ary aza hentitra loatra.

15 Notsorina ny fomba fiasan’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, tato anatin’ireo taona faramparany, mba ho fanarahana ny toro lalana momba ny fahaiza-mandamin-javatra. Nampahomby kokoa ny asa teo anivon’izy io izany. Mety hisy hihevitra fa manana ny fomba fiasa tsara kokoa izy. Iriny ny fandaminana, mba hampirisika ny hafa hanaraka ireny fomba fiasa ireny. Matetika anefa no nolavin’ny fandaminana izy ireny rehefa avy nodinihiny, satria hitany fa tsy ahafahana mandamin-javatra tsara. Tsara àry raha arahina ny fomba fiasa efa neken’ny fandaminana sy ampiasainy, mba hampahomby ny asa sy hampisy ny firaisan-tsaina. Ny fomba fiasan’ny fandaminana mantsy no fantatry ny olona mety ho voakasika amin’izany, sady izany koa no arahiny.

16 Andriamanitry ny filaminana i Jehovah. (1 Kor. 14:33, 40) Namaritra ny fotoana hanatanterahana ny sitrapony sy ny fikasany izy. (Asa. 1:7) Omeny toromarika mahasoa mahakasika ny fomba fanatanterahana ilay asa lehibe indrindra atao ankehitriny isika. Izao no fomba anomezany izany: Mitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” i Jesosy. (Matio 24:45-47; 28:19, 20; Mpit. 12:13) Hilamina kokoa isika, ka hahatanteraka tsara ny fanompoantsika, raha manaraka ny teny ao amin’ny Soratra Masina hita ao amin’ireo boky sy gazetintsika. Anisan’izany ireo fampahatsiahivana tena ilaina, nomena tato amin’ity takelaka fanampiny ity.​—2 Tim. 4:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara