FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/05 p. 7
  • Azonao Ampitomboina ve ny Gazety Apetrakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azonao Ampitomboina ve ny Gazety Apetrakao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandraisa anjara bebe kokoa
  • Manàna tanjona
  • Gazety Manambara Ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Manolora Gazety Rehefa Manompo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! — Gazetin’ny Fahamarinana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 1/05 p. 7

Azonao Ampitomboina ve ny Gazety Apetrakao?

1 Misy lahatsoratra miavaka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary mahaliana ny olona rehetra mikatsaka hoavy sambatra izy ireny. Ekenao ve fa mila mamaky ireny gazety ireny ny olona ao amin’ny faritaninao?

Mandraisa anjara bebe kokoa

2 Tokony hanao fandaharana dieny izao isika, mba handray anjara be dia be amin’ny fizarana ireo gazety tsy manan-tsahala nomen’i Jehovah ireo. Nahoana raha manokana fotoana bebe kokoa noho ny mahazatra, mba hizarana gazety? Sahy sy mazoto manolotra azy ireny isika, satria mirakitra foto-kevitra tonga amin’ny fotoana ilana azy izy ireny.

3 Inona no hanampy antsika hametraka gazety bebe kokoa? Tokony hovakintsika tsara aloha izy ireo. Arakaraka ny ahafantarantsika ny ao anatiny, no hahatonga antsika hazoto kokoa hametraka azy. Tokony hiezaka hitady hevitra hasongadina ao amin’ireo lahatsoratra samihafa isika, rehefa mamaky gazety. Tokony hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra tsirairay, izay mety hahaliana ny karazan’olona samy hafa. Manontania tena hoe: ‘Iza no tena ho tia ireto lahatsoratra ireto? Inona no hahaliana ny mpiray tanàna amiko, ny olom-pantatro, ny mpivarotra, ny mpianatra, ary ny hafa?’ Raha te hahomby isika, dia tokony hanasongadina izay nianarantsika sy nahafaly antsika tao amin’ireo gazety, mba handresena lahatra ny olona handray azy ireo.

Manàna tanjona

4 Misy mpitory mamaritra mialoha ny isan’ny gazety tiany hapetraka. Raha manao toy izany ianao, dia ampitomboy hifanaraka amin’izany koa ny gazety hafaranao. Tokony hanao izany avy hatrany ianao, indrindra raha mikasa ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily.

5 Mazava ho azy fa misy toerana maro azo ametrahana gazety, ankoatra ny isan-trano. Afaka manolotra gazety isika, rehefa mitory eny an-dalana sy any amin’ny toeram-piasana. Nahita olona nanaiky hanaterana gazety tsy tapaka ny rahalahy maro, rehefa nanao izany. Azo ametrahana ny gazety farany ireo olona liana, rehefa miverina mitsidika azy isika. Tena tsara koa ny mametraka gazety, rehefa mitory tsy ara-potoana. Na dia ilay fonony manaitra ny maso fotsiny aza indraindray, dia azo anombohan-dresaka sy ametrahana azy.

6 Tadidio fa miavaka ny gazetintsika. Miresaka ny fomba hahazoana fiadanana sy fahasambarana ary fiainana mandrakizay izy ireny. (Jaona 17:3) Miomàna dieny izao àry handray anjara bebe kokoa amin’ny fametrahana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, izay mirakitra lahatsoratra tsy manan-tsahala.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara