Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety
1 Efa nanapa-kevitra i Jehovah fa hisy ‘fiadanana sy hoavy ary fanantenana’ ho an’ireo manaraka ny lalany. (Jer. 29:11, NW). Ny fanazavana momba izany fahatsinjovan-javatra izany dia aseho amin’ny fotoana mety ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Afaka hitondra soa ho an’ny karazan’olona rehetra ao anatin’ny tarehin-javatra rehetra, ireny gazety ireny. (1 Tim. 2:4, NW). Moa ve ianao sy ny fianakavianao manokana fotoana tsy tapaka ho amin’ny fizarana gazety?
2 Raha nihena ny gazety voapetrakao, ahoana no azo anitsiana izany fironana izany? Ny zavatra iray tena ilaina dia ny fihazonanao ho velona ny fankasitrahanao ireo lahatsoratra ao anatin’ireo gazetintsika. Izao no nosoratan’ny lehilahy iray: “Fanandraman-javatra tena mahafaly ny mamaky ny gazetinareo. Tsy ‘mpampionona’ ambany karazana izy ireny fa mirakitra torolalana sy fitarihana ny amin’ny fomba hahatonga ny fiainana hisy heviny.” Vokatry ny fikarohana natao tamim-pitandremana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary fandaharana noraisin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45, NW). Fitaovana mandaitra mba hanohinana ny fon’ny olona izy ireo.
3 Aoka ho fantatrao tsara ireo lahatsoratra ao anatin’ireo gazety atolotrao. Tadiavo ireo hevitra izay mivaofy ireo zava-manahirana fahita eo amin’ny fiaraha-monina misy anao. Tsara ny miomana mba hiresaka amin-dehilahy sy vehivavy ary tanora mety hifanena aminao eny am-baravarana na eny an-dalana. Aoka ianao ho voaomana mba hampiseho hoe amin’ny ahoana ireo gazety no mahakasika ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana amin’ny fitambarany.
4 Aoka ianao ho liana amin’ireo gazety: Ny fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ny gazety dia tokony haka tapany lehibe amin’ny fandaharam-potoananao amin’ny asa fanompoana. Inona avy no fotoana mety indrindra ho anao mba hanolorana ireo gazety? Efa nanandrana niasa isam-baravarana nandritra ny adiny iray na toy izany ve ianao tamin’ny faran’ny tolakandro na ny takariva talohan’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona? Tena nahazoam-bokatra ny fanaovana fanambarana amin’ny takariva tany amin’ny faritra sasany. Ny asabotsy dia andro mety mba hizarana gazety amin’ny fomba samihafa, nefa azo ampiasaina ho amin’izany asa izany koa ny andro hafa. Ny asa isan-trano sy isa-magazay dia tokony ho tapany tsy tapaka amin’ny Andro Fizarana Gazety.
5 Ny tsirairay dia tokony hanao fanafarana tsy tapaka gazety maromaro amin’ny nomerao tsirairay avy. Raha toa ianao indraindray ka manana gazety tranainy kokoa any aminao, dia mety ho azo ampiasaina izy ireny mba hampisehoana amin’ny tompon-trano ny foto-kevitra isan-karazany dinihina ao amin’ireo gazety. Indraindray dia mety ho azo avela any amin’ireo trano mikarakara ireo be taona sy ireo tsy salama ary any amin’ny hopitaly ny gazety tranainy kokoa maromaro, rehefa nahazoan-dalana. Azo isaina ho toy ny zavatra voapetraka ny gazety rehetra toy ireny ary tokony hosoratana isam-bolana eo amin’ny taratasy Filazana Asanao.
6 Amin’ny fampiharana ireo fanoloran-kevitra etsy ambony, dia tsy isalasalana fa hahita fitomboan’isa eo amin’ireo gazety azonao zaraina ianao. Ireo olona tso-po ampahorin’ny fiainana eo amin’itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ dia mankasitraka ny fanazavana mamelombelona toy izay hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manome marina tokoa ny sakafo ara-panahy ilain’ireo izay mitady ny fankasitrahan’i Jehovah ireo gazety ireo. Noho izany, dia aoka ianao ho liana amin’ireo gazety ary hitady ireo fomba hampitomboana ny fizarana ireny zavatra vita an-tsoratra sarobidy ireny ao amin’ny faritaninao.