FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/90 p. 3-4
  • Fotoan’ny asa mitombo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fotoan’ny asa mitombo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY FAHATSIAROVANA SY NY LAHATENY MANOKANA
  • AOKA ISIKA HAMPITOMBO NY FAMPIELEZANA IREO GAZETY MIAVAKA
  • Ho volana manokana ve ny volana Aprily ho anao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • ‘Torio ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Hararaoty Hanompoana Bebe Kokoa ny Vanim-potoan’ny Fahatsiarovana!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mazotoa Amin’izay Tsara!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 3/90 p. 3-4

Fotoan’ny asa mitombo

1 Koa satria manakaiky manao dingan-dava ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, ary mitahy be dia be ny fanompoantsika i Jehovah, dia ilaintsika tanteraka ny mihevitra izao fampirisihan’ny apostoly Petera izao: “Hatanjaho ny sainareo ho amin’ny asa.”—1 Pet. 1:13, MN; Isaia 60:22.

2 Rehefa nanao an’io fampirisihana io i Petera dia nanoratra ny amin’ny famonjena mety ho azontsika noho ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy. Ny fitoriana ny vaovao tsara, izany no fomba tsara dia tsara hampisehoana ny finoantsika sy hanehoana ny fankasitrahantsika ireo soa raisintsika, noho ny fitiavana nasehon’i Jehovah tamin’ny nanomezany ny zanany (Jaona 3:16). Ny fotoan’ny Fahatsiarovana no vanim-potoana mety, haharisihana kokoa hatrany amin’ny asa nandidian’i Jehovah antsika hotanterahina.

NY FAHATSIAROVANA SY NY LAHATENY MANOKANA

3 Amin’ity taona ity ny Fahatsiarovana dia hankalazaina ny 10 aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Amin’ny fahafantarana mialoha an’io andro manokana io, dia azontsika atao dieny izao ny misaintsaina ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fomba ahatsiarovantsika ny soron’i Jesosy. Moa ve isika mampiseho ny finoantsika isan’andro, amin’ny fanarahana akaiky ireo fitsipika marin’i Jehovah amin’ny saintsika, amin’ny tenintsika, ary amin’ny ataontsika? Moa ve isika mampiseho fitiavana amin’ny hafa amin’ny fandaniana hery amin’ny fitoriana sy fanaovana mpianatra? Isan-taona ny Fahatsiarovana dia mampahatsiahy antsika amin’ny fomba manokana izay nataon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy ho antsika (Lioka 22:19; 1 Kor. 11:23, 24). Amin’ny fisaintsainana izany fampahatsiahivana izany, dia tokony ho voatosika hanao bebe kokoa arakaraka ny toerana misy antsika sy ny fahafahantsika manokana isika.

4 Ny 25 martsa no hanaovana lahateny manokana mitondra ny lohateny hoe: “Ataovy izay hitanana mafy ny tena fiainana”, any amin’ny ankamaroan’ny kongregasiona maneran-tany. Izany no fomba tsara hanombohana manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona ho an’ireo izay maneho fahalianan vao haingana! Aoka isika hampirisika ireo olona izay hanatrika ny lahateny manokana mba ho tonga amin’ny Fahatsiarovana amin’ny 10 aprily.

AOKA ISIKA HAMPITOMBO NY FAMPIELEZANA IREO GAZETY MIAVAKA

5 Tsy vitan’ny hoe mitana toerana lehibe eo amin’ny fanompoana ampahibemaso ataontsika fotsiny ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous!, fa manome sakafo ara-panahy sy lahatsoratra momba ny zava-misy ho antsika rehetra koa. Hitarika ny saina ho amin’ireo nomerao faramparany isika rehefa hanolotra famandrihana. Aoka ianao hiezaka mba hifankazatra tsara amin’izay raketin’izany nomerao izany raha vantany vao maharay azy. Izany dia hanaitra ny zotom-ponao mba hampiseho azy ireny miaraka amin’ny famandrihana, na rehefa hanolotra gazety roa miaraka amin’ny bokikely iray ho an’ireo izay handa ny fanolorana famandrihana ianao.

6 Afaka mandamina ny fandaharam-potoananao manokana ve ianao mba ho tonga mpitory maharitra mpanampy amin’ny aprily sy may? Raha mpitory maromaro ao amin’ny kongregasiona no miara-manao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy, dia afaka hifanampy sy hifampahery izy ireo mandritra an’io vanim-potoana manokan’ny asa mitombo io. Ho faly ireo loholona hanampy azy ireo amin’ny fandaminana fihaonana ho amin’ny fitoriana miaraka, any amin’izay ilàna izany.

7 Eritrereto tsara ny amin’ny toeranao manokana—ireo andraikitrao ara-pianakaviana, ohatra, ny fahasalamanao, ny asanao tsy ara-pivavahana, ary ny fandaharam-potoananao any an-tsekoly. Raha toa ka tsy afaka ny ho mpitory maharitra ianao amin’io fotoana io, hatraiza no azonao ampitomboana ny fandraisanao anjara amin’ny fitoriana? Tsy isalasalana mihitsy fa faly Jehovah rehefa manompo azy amin’ny fanahintsika rehetra isika, sady mampiseho ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika ny fanomezana sarobidin’i Jesosy Zanany. Raha mandini-tena amin’ny hazavana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra isika ka manatanjaka ny saintsika ho amin’ny asa, dia afaka mahazo antoka fa hanohana antsika amin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah, raha manolotra fanati-piderana ankasitrahany isika.—Heb. 3:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara