Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amim-pahaiza-manavaka
1 Nosoritan’ny apostoly Paoly ny ilàna hampiasa fahaiza-manavaka mba hampisehoana ny vaovao tsara amin’ny olona avy amin’ny fiaviana sy fivavahana samihafa. Amin’izao androntsika izao, ny sasany dia milaza fa mpino, ny hafa kosa tsy mampiseho fahalianana mihitsy amin’ny raharaha ara-panahy na mba mankasitraka ny hasarobidin’ny fivavahana. Isika mpitory ny vaovao tsara dia tokony hanao izay hahatonga ny hafatra momba ilay Fanjakana hanintona ny “karazan’olona rehetra”, amin’ny fampiasana fahaiza-manavaka eo amin’ny fanompoana.—1 Kor. 9:19-23, MN.
AOKA IANAO HIFANKAZATRA AMIN’NY OLONA
2 Ny fanehoana fahaiza-manavaka eo amin’ny asa fitoriana dia milaza fahaizana mampifanaraka ny fampisehoana ataon’ny tena amin’izay zavatra tena mahaliana ilay olona iresahana. Mitaky fiomanana tsara izany. Ho afaka hampiseho ny vaovao tsara amin’ny fomba samy hafa ilay mpitory raha mifankazatra tsara amin’ny karazana foto-dresaka maro be resahina ao amin’ireo boky sy gazety azo ampiasaina. Arakaraka ny hiresahantsika amin’ny olona be taona, na tanora, na loham-pianakaviana, na vehivavy mijanona ao an-tokantrano, na vehivavy mandeha miasa, na ny hafa, no tokony hiheverantsika ny toerana manokan’ny tsirairay sy hanehoantsika fahaiza-manavaka eo amin’ny fifidianana ny foto-dresaka horesahintsika.
3 Rehefa mihaona amin’olona iray ianao dia aoka hijery tsara izay manodidina anao. Ho azonao atao angamba ny hamantatra raha toa izy ka manana zanaka, na manana fivavahana, na mikarakara ny tokantranony, sy ny sisa. Amin’ireo famantarana ireo no aoka hifidiananao fampidiran-dresaka mifanaraka amin’ny toe-javatra misy azy sy izay mahaliana azy. Amin’ny fametrahana aminy fanontaniana mety amim-pahaiza-mandanjalanja, sy amin’ny fihainoana amim-pitandremana ireo valinteniny no hahafahanao mamantatra ny zavatra inoany sy ny fihetseham-pony, ary hamaritra amin’izany ny fomba tsara indrindra hanohizana ny resadresaka.
AOKA IANAO HAMPIFANARAKA NY FAMPISEHOANAO
4 Raha toa ianao ka mahamarika kilalao na mahita ankizy rehefa manatona trano iray, dia azonao atao ny mampiditra ny foto-dresaka natolotra ho amin’ity volana ity, amin’ny filazana toy izao: “Mifanakalo hevitra amin’ireo ray aman-dreny amin’ity faritra misy anareo ity izahay momba ny fanabeazana omeny ireo zanany. Ray aman-dreny maro be no manahy noho ny tsy fisian’ny fitarihana ara-pitondrantena ao amin’ny fandaharana any an-tsekoly. Toy izany ve ny aminao?” Henoy ny valintenin’ilay olona. Raha hita fa manana finoana ara-pivavahana izy, dia afaka manohy ianao amin’ny filazana hoe: “Asehon’ny Baiboly fa isika sy ireo zanatsika dia samy mila fitarihana feno fahendrena. Mariho izay voalaza ao amin’ny Ohabolana 14:12.” Azonao atao ny manampy toy izao, rehefa avy mamaky io andinin-teny io: “Vao haingana aho no namaky zavatra miompana indrindra amin’ny fampiharana ireo torohevitry ny Baiboly.” Jereo ao amin’ny boky izay zavatra mety hifanentana amin’izay ilain’ilay olona. Atolory amin’ny takalony 300 FMG avy eo ilay boky.
5 Raha hita amin’ny valintenin’ilay olona fa tsy manisy vidiny ny torohevitry ny Baiboly mihitsy izy, dia afaka maneho fahaiza-manavaka ianao amin’ny fampifanarahana ny fampisehoanao. Ilazao toy izao izy, ohatra: “Azoko atao ve ny manontany anao izay nahatonga anao hanao fanatsoahan-kevitra toy izany?” Afaka manohy toy izao ianao rehefa avy mihaino ny valinteniny: “Azoko tsara ny tianao holazaina. Ankoatra izany dia vao haingana aho no namaky zavatra vitsivitsy tato amin’ity boky ity, izay azo antoka fa hahaliana anao.”
6 Amin’ny fiomanantsika tsara sy amin’ny fanehoana fahaiza-manavaka eo amin’ny asan’i Jehovah, dia ho afaka hilaza toy izao tahaka ny apostoly Paoly isika: “Efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.”—1 Kor. 9:22; Ohab. 19:8.