Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny alalan’ny gazety
1 Tsy misy na dia iray aza amin’ny gazety navoaka rehetra hatramin’izay manana fitaomana tsara eo amin’ny fiainan’ny olona toy Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Feno sakafo ara-panahy mamelombelona izay vokatry ny fikarohana lalina sy miorina mafy amin’ny Soratra Masina ny nomerao tsirairay, ka izany dia mamela soritry ny hafatry ny fahamarinana ao an-tsaina sy ao am-pontsika.
2 Manazava ny fampianaran’ny Baiboly sy mitarika ny saintsika ho amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly Ny Tilikambo Fiambenana. Mampirisika izay rehetra noana ara-panahy izy mba hanavao ny sainy sy hitafy ny toetra vaovao (Rom. 12:2; Efes. 4:22-24). Manaitra ny mpamaky azy hahatsapa ny fisehoan-javatra lehibe mitranga eo amin’izao tontolo izao ny Mifohaza! Ireo sary manintona ao anatiny izay manazava ny hafatratry ny famoronana dia manaitra ny fahalianan’izy ireny ny amin’izao tontolo izao vaovao ary mampitombo ny fankasitrahan’izy ireo ny Mpamorona feno fitiavana.
TSY MITOVY AMIN’NY GAZETY ARA-BAROTRA
3 Tsy manoro ny fomba hifaliana amin’ny fiainana mahafa-po eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ireo gazety ara-barotra. Tsy manolotra fanantenana na dia kely akory aza ny amin’ny hoavy izy ireo ary tsy mampianatra ny mpamaky azy hoe ahoana no hahazoana ny fiainana mandrakizay. Natao mba hampisongadinana ny zavatra mampiavaka an’izao tontolo izao izy ireny. Tena mifanohitra tanteraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! izany!—1 Jaona 2:15-17.
4 Azo antoka fa ianao koa dia mahatsapa fankasitrahana lalina ny nomerao tsirairay amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, gazety izay mirakitra ny hanitra malefaky ny fahamarinana avy amin’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina”. (Lioka 12:42.) Inona no azontsika atao mba hizarana betsaka kokoa amin’izany ka hanampiana amin’izany olona maro kokoa handray soa avy amin’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny?
AOKA ISIKA HANAO NY ANJARANTSIKA
5 Alohan’ny hahafahantsika mampirisika ny olona tso-po hamaky ireo gazetintsika, dia ilaina ny hahafantarantsika ny raketin’ny tsirairay avy aminy. Midika izany fa tokony hamaky ny nomerao tsirairay isika alohan’ny hampisehoana azy eny amin’ny fanompoana. Rehefa mifankazatra tsara amin’izay raketin’ireo gazety isika dia afaka manolotra azy isan-trano sy rehefa manao fanambarana tampotampoka.
6 Ankoatr’izany, raha mitondra ny nomerao vao haingana any amintsika isika rehefa miantsena, rehefa ao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka, any amin’ny toeram-piasantsika, raha ny marina dia any amin’izay toerana alehantsika rehetra, dia ho afaka hanararaotra ny fahafahana mety mba hanaovana fanambarana. Mety hanosika ny olona iray hamaky ireo gazetintsika ny fampidiran-dresaka voafantina tsara miorina amin’ny boky Comment raisonner sy nampifandraisina amin’ny hevitra iray notsoahina avy ao amin’ny iray amin’ireo lahatsoratra.
7 Na dia mety ho fohy aza ny resatsika rehefa manolotra gazety dia tsy voatery hametra izany ho iray minitra isika. Maniry ny haka fotoana isika mba hamantarana raha tena liana amin’ny hafatra sy maniry hamaky ny gazety tokoa ilay olona. Tokony hiezaka foana isika hamaly ny fanontaniana mitranga amin’ny fampiasana matetika araka izay azo atao ny Baiboly sy ny boky Comment raisonner. Mandray soa be dia be avy amin’izany isika raha vonona hiaro ny finoantsika.—1 Petera 3:15.
8 Raha manaiky hamaky ireo gazety ilay olona miresaka amintsika dia azontsika atao ny manazava aminy ny toetoetry ny asantsika sy ny manambara aminy fa mivoaka indroa isam-bolana ireo gazetintsika ao amin’ny faritry ny asa fampianarana ny Baiboly maneran-tany. Manazava tsara izany ny fampidiran-dresaka eo amin’ny pejy faha-2 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ny pejy faha-4 amin’ny Mifohaza!. Koa satria ambara mialoha foana ny zavatra horaketin’ny nomerao manaraka dia afaka mampitranga fanontaniana mifandray amin’izany isika na hitarika ny saina ho amin’ireo lahatsoratra vao ho avy. Mety hanaitra ny fahalianan’ilay olona izany ka hanome azy faniriana handray io nomerao io raha vao mivoaka, ka izany dia mety hahaforona ny fanombohan’ny lalana fizarana gazety.
9 Raha mbola manatona ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, enga anie isika hanafaingana ny dia mba hanampiana ny olona tso-po hivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe sy hanaiky ny fahamarinana (Apok. 18:4)! Manana anjara toerana tena lehibe eo amin’ny asantsika fampianarana Baiboly maneran-tany Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!. Aoka isika hisaotra an’i Jehovah noho ny nanomezany antsika izany mba hampiasaintsika eo amin’ny fanompoana. Enga anie izy hanohy hitahy ny fampiasantsika amim-pahendrena sy betsaka ireo gazety ireo!