Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny fety
1 Na dia manana fiandohana avy amin’ny fanompoan-tsampy aza ny fankalazana maro mifandray amin’ny Noely na Krisimasy sy ny Taombaovao, dia olona milaza tena ho kristiana mihoatra ny arivo tapitrisa no mitandrina ireny fety ireny isan-taona. Olona maro no mino amim-pahatsorana fa ankasitrahan’Andriamanitra ireny fitandremana ireny. Ahoana no ahafahantsika manohina ny fon’ny olona toy izany amin’ny vaovao tsara mandritra ny fotoan’ny fety?
Manehoa fiheverana sy fanajana
2 Manao fandaharana manokana ireo loholona ho amin’ny fanaovana fanambarana mandritra ny fety satria maro amintsika no manana fotoana fialan-tsasatra avy amin’ny asantsika tsy ara-pivavahana. [Ny ora fanombohan’ny asa fitoriana isan-trano dia tokony hampifanarahina amin’ny fiheverana fa ireo tompon-trano dia mety ho mbola matory aoriana kokoa noho ny mahazatra amin’ireny andro ireny.]
3 Raha mbola manohy ny fanompoantsika isika dia angamba hahita olona maro voatana tanteraka amin’ireo mpitsidika sy amin’ny fikarakarana sakafo. [Amin’ny fahatakarana fa fotoana manokana ho azy ireo izany, dia afaka manao amim-panajana izay hahafohy sy hifanentana ny fanazavantsika isika. Mety hanokatra ny lalana ho amin’ny fanambarana misimisy kokoa amin’ny hoavy ny fanehoam-panajana kristiana avy amintsika.]
4 Tsy mandray anjara amin’ny fankalazana ara-pivavahana eo amin’izao tontolo izao isika sady tsy mifampilaza firarian-tsoa araka ny fanao amin’ny fety. Noho izany, dia ilaina ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny hoe ahoana no ho fihetsitsika eo anoloan’ny firarian-tsoa toy izany. [Tsy ilaina ny hamaliana ilay firarian-tsoa fa amin’ny toe-javatra maro dia afaka misaotra ilay tompon-trano fotsiny isika noho ireo firariany tsara.] Raha manadihady ny amin’ny foto-pinoantsika ny olona, dia afaka manome toky azy isika fa manome voninahitra an’i Kristy Jesosy isika satria takina amin’izay rehetra manaja an’Andriamanitra izany. (Jaona 5:23) Na dia izany aza, dia fanao maro amin’ny fety no tsy manome voninahitra na, an’i Kristy na, an’Andriamanitra. [Raha maniry fanazavana misimisy kokoa amin’izay fotoana izany na amin’ny fotoana hafa ny olona sasany, dia afaka mampahafantatra azy izay voalaza ao amin’ny boky Comment raisonner, ao amin’ny pejy faha-162-164 sy faha-66, isika.]
Fampidiran-dresaka
5 Koa satria ‘fety ara-pivavahana ny krisimasy dia [mety hahita olona maro mirona kokoa hiresaka momba an’Andriamanitra amin’io fotoana io noho ny amin’ny fotoana hafa mandritra ny taona isika.] Afaka manararaotra izany toe-javatra izany isika ao amin’ny fampidiran-dresaka ataontsika. Ohatra, mety hilaza toy izao isika: “Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no mankalaza ny Krisimasy sy ny Taombaovao. Mihevitra ve ianao fa ireny fety ireny dia mampanakaiky kokoa ny olona amin’Andriamanitra?” Na mahatsapa ilay tompon-trano na tsia fa tsara na ratsy ireny fitandremana ireny, aorian’ny filazany ny heviny, dia afaka milaza toy izao isika: “Maniry hanana fifandraisana tsara kokoa amin’Andriamanitra ny olona maro, angamba amin’ny fieritreretana fa somary lavitra azy Andriamanitra. Soa ihany fa ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no manasa antsika hitady azy.” Avy eo dia tohizo amin’ny foto-dresaka.
6 Amin’ny fandraisana fomba fanatonana hafa dia afaka milaza isika hoe: “Amin’izao andron’ny Krisimasy izao dia mandre matetika olona maneho faniriana ny hisian’ny fiadanana eto an-tany amin’ny olona ankasitrahana isika. Mihevitra ve ianao fa hitondra fiadanana ho an’ny tany Andriamanitra amin’izao androntsika izao?” Aorian’izay dia afaka manohy isika mba hampisehoana fa i Jesosy Kristy no ilay “Andrian’ny fiadanana” voalaza mialoha. (Isaia 9:5, 6) Amin’ny maha-Mpanjakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra voatendry azy, dia hanao zavatra tsy ho ela i Kristy mba hitondrana fiadanana maharitra ho an’ny tany.—Dan. 2:44; Apok 21:3-5.
7 Na dia tsy miraika eo anoloan’ny hafatra momba ilay Fanjakana aza ny ankamaroan’ny olona ary mandray fahafinaretana amin’ireo fety ara-pivavahan-disony dia azo antoka fa [hotahian’i Jehovah be dia be ny fiezahantsika mba hahita izay mitady Azy marina tokoa, satria ny tenany mihitsy dia “mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany”, ary hitarika azy ireny ho ao amin’ny fandaminany izy.]—Jaona 4:23, 24.