Ilay andro lehibe indrindra amin’ny taona 1991
1 Ny daty lehibe indrindra ao amin’ny fitadidianandrontsika amin’ity taona ity dia ny asabotsy 30 Martsa. Aorian’ny filentehan’ny masoandro amin’io andro io, dia hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy isika. (1 Kor. 11:20, 24) Nahoana ny datin’ny nahafatesan’i Jesosy no tonga andro iray tokony hotsarovana manokana?
NY FAHATSIAROVANA — NY HALEHIBENY
2 Fisehoan-javatra lehibe dia lehibe mahakasika izao rehetra izao ny fahafatesan’i Jesosy. Rehefa nanoratra ho an’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasionan’ny kristiana nateraky ny fanahy ny apostoly Paoly dia nilaza hoe: “Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.” (1 Kor. 11:26). Araka izany, ny Fahatsiarovana dia misarika manokana ny saina ho amin’ny halehiben’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Manasongadina ny hevitry ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona izy io, indrindra fa mifandray amin’ny fanekena vaovao sy ny vokatry ny fahafatesany eo amin’ireo izay ho tonga mpiara-mandova aminy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. — Jaona 14:2, 3; Heb. 9:15.
3 Tamin’ny fihazonany ny tsy fivadihana hatramin’ny fahafatesany, dia nanamasina ny anaran’ny Rainy i Jesosy sady nampiseho fa afaka ny hiseho ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra eo ambanin’ny karazam-pitsapana rehetra izay mety hoentin’i Satana hamelezana azy izay olona tanteraka iray. Ny fahafatesany koa dia nanolotra ny sorona olombelona tanteraka izay nilaina mba hanavotana ny taranak’i Adama ary nanao izay hahafahan’ireo rehetra haneho finoana hiaina mandrakizay ao amin’ny tany tonga paradisa. Noho izay rehetra ho tanteraka noho ny fahafatesan’i Jesosy, dia nety indrindra ny nanomezany baiko ireo mpianany mba hahatsiaro ny fahafatesany. — rs p. 241-243.
AHOANA NO HAHAFAHANTSIKA MANEHO FANKASITRAHANA
4 Manana fety fankalazana maro izao tontolo izao mandritra ny taona, ary zavatra be dia be ery no ataony mba hampirisihana ny fankalazana azy ireo. Ny Sakafo harivan’ny Tompo, anefa, no hany fankalazana izay nandidiana ireo mpanara-dia an’i Jesosy mifikitra aminy mba hotandremany. Tsy misy hiadian-kevitra fa io no fankalazana lehibe indrindra ao anatin’ny taona ho an’ny kristiana marina rehetra. Moa ve tsy tokony hanosika antsika hampifantoka ny saina amin’izany, mandritra ny volana Martsa, ny tena halehiben’ny Sakafo Harivan’ny Tompo fahatsiaro?
5 Angamba afaka maka minitra vitsivitsy isan-kerinandro isika mandritra ny volana Martsa mba handinihana miaraka amin’ireo olona ampianarintsika ny Baiboly ireo andininy izay manasongadina ny halehiben’ny fahafatesan’i Kristy ary mampiseho amin’izy ireo ny fototry ny Fahatsiarovana. Afaka mampirisika azy koa isika mba hanaraka akaiky ny famakiana Baiboly momba ny Fahatsiarovana ho amin’ny 25-30 Martsa, araka izay voasoratra ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah — 1991. Afaka manampy mba hampitombo ny fankasitrahany ny Sakafo Harivan’ny Tompo izany.
6 Koa satria mifanandrify amin’ny asabotsy ny fankalazana ny Fahatsiarovana, dia ho mora kokoa amin’ny maro ny handamina ireo raharahany mba hanatrehana izany. Mpitory maro no manararaotra ny hoe misy faran’ny herinandro dimy amin’ny volana Martsa mba hanompoana amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy. Mamela azy ireo handray anjara bebe kokoa amin’ny fanoritana ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo izany. Manome fahafahana fanampiny izany mba hanampiana ireo vaovao hiomana ara-tsaina ho amin’io fisehoan-javatra manokana io.
7 Noho ny halehiben’ny fankalazana ny Fahatsiarovana, dia aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hanampiana ny hafa hanatrika izany. Misy fampahatsiahivana mahasoa ny amin’ny antsipiriany tokony hokarakarain’ireo loholona ao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny Martsa 1989 sy Aprily 1990.
8 Enga anie isika hanatona io andro lehibe amin’ny taona 1991 io amin’ny fahaiza-manavaka mazava sy fankasitrahana lalina noho ny dikan’ny fahafatesan’i Jesosy rehetra ho an’ny taranak’olombelona. Eny, enga anie isika rehetra ho eo amin’ny harivan’ny 30 Martsa, rehefa hankatò amim-pahatokiana ilay baikon’i Jesosy mba ‘hanambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-pihaviny’ indray mandeha indray ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah.