Fankalazana Ilay Fahafatesana Izay Manome Fanantenana Fiainana Mandrakizay
1 Aorian’ny filentehan’ny masoandro amin’ny fahenin’ny volana Aprily 1993, dia hankalaza ny fahafatesan’ilay Fiasana Lehibe Indrindra mba hahazoana fiainana, isika. (Asa. 3:15, NW). Tena mety indrindra ny hahatsiarovantsika ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fahafatesany. Ny fanantenantsika hiaina mandrakizay mihitsy no miankina amin’ny ra nalatsak’i Jesosy.
2 Ny Fahatsiarovana dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fahafatesan’i Kristy ao amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Anisan’izany fikasana izany ny fanomezana ilay sorona olombelona tanteraka nilaina mba hanavotana ny taranak’i Adama. Noho izy io, dia olona an’arivo tapitrisany maro no nanjary afaka maneho finoana ka hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa. — Jaona 3:16, NW.
3 Izay rehetra tia ny fahamarinana sy ny fiainana dia miandry amim-panantenana ny hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy. (Lioka 22:19). Inona no azontsika isam-batan’olona atao mba hanehoana ny fankasitrahantsika io fandaharana ny amin’ny sorom-panavotan’i Kristy io? Ho fanekena ny maha-zava-dehibe io fankalazana io, dia tena zava-dehibe ny fanaovana fandaminana tsara. Fiomanana inona avy no ataonao ho an’io fisehoan-javatra manokana io?
4 Tena ilaina ny fiomanana mialoha: Mazava ho azy fa hataontsika azo antoka fa hanatrika azy io ny mpianakavintsika rehetra. Tokony hiomana ara-tsaina koa isika amin’ny famakiana ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly voasoratra ao amin’ny Calendrier 1993 ho an’ireo andron’ny 1-6 Aprily, sy amin’ny fisaintsainana momba azy ireo. Hety tsara ny hampidirana fanazavana momba ny maha-zava-dehibe ny Fahatsiarovana, ao amin’ny fianarana ny Baiboly hataontsika manokana sy miaraka amin’ny fianakaviantsika alohan’io 6 Aprily io. Miomàna mba ho tonga aloha sy hijanona kely aorian’ny fahataperan’ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Izany dia hahatonga anao ho afaka hiarahaba tonga soa ireo vaovao izay mety ho tonga hanatrika izany voalohany.
5 Mandritra ireo herinandro mialoha ny Fahatsiarovana, dia asao hanatrika io fankalazana io ireo olona rehetra fantatrao fa liana. Misy taratasy fanasana vita pirinty any amin’ny kongregasiona tsirairay. Rehefa mampiasa azy ireny ianao, dia aza hadinoina ny mampahafantatra ireo olona liana ny amin’ny toerana sy ny fotoana hanaovana ilay fankalazana eo an-toerana. Manomàna lisitr’ireo izay irinao hasaina. Manana fomba handehanana any avokoa ve izy rehetra ireo? Raha tsy izany no izy, inona no azonao atao mba hanampiana azy ireny? Raha manana toerana fanampiny ianao ao amin’ny fiarakodianao, nahoana raha manontany ireo loholona sao misy olona mila fomba handehanana any?
6 Satria io no fankalazana lehibe indrindra amin’ny taona, ka ampoizina ny hisian’ny mpanatrika maro be, dia hila ny hanao fiomanana manokana mialoha ireo loholona. (1 Kor. 14:40). Herinandro eo ho eo alohan’ny 6 Aprily, dia handamina fivoriana manokana iray miaraka amin’ireo rahalahy izay hanampy amin’io fankalazana io, ireo loholona. Amin’izany izy ireo dia hanao izay hahatakaran’ireo rahalahy ireo tsara ny fandaharana momba ireo toerana hipetrahana sy ny fomba tokony hampandalovana ireo marika. Raha voatendry mba ho mpikarakara ny mpanatrika na mpanolotra ireo marika amin’io fankalazana io ianao, dia ataovy izay hanarahana akaiky ny toromarik’ireo loholona momba ireo raharaha ireo. Hijery ireo fampahatsiahivana hita eo amin’ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-7 ireo loholona, ka hataony azo antoka amin’izany fa voakarakara aloha be ny fandaharana rehetra mifandray amin’izay ho mpikarakara ny mpanatrika, izay ho mpanolotra ireo marika, ireo marika ary izay ho mpandahateny.
7 Ny sasantsasany amin’ireo rahalahin’i Kristy ihany sisa no mbola eto an-tany, ary amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hifarana ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (1 Kor. 11:25, 26). Raha mbola manana ny tombontsoa hanao izany koa isika, dia aoka isika tsy hitsahatra hankalaza araka ny tokony ho izy ilay fahafatesana izay manome fanantenana fiainana mandrakizay.