Aoka isika hiomana dieny izao mba hanatrika ny Fivoriamben’ny distrika 1991 “Ireo tia fahafahana”
1 Noho ny toe-javatra misy maneran-tany, dia tsy mahagaga raha maniry fahafahana lehibe kokoa ny mponina any amin’ny tany maro. Kanefa aiza no mety hahitana ny tena fahafahana? Nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32) Io fahafahana io dia tsy fahafahana voafetra toy izay antenain’ny olona ho hita rehefa mand mpitondra ara-politika iray na endri-pitondram-panjakana iray izy. Tsia, io fahafahana io dia mahakasika ilay loharanon’ny zava-manahirana ny olombelona mihitsy. Marina tokoa fa niresaka ny amin’ny fanafahana amin’ny fanandevozan’ny ota i Jesosy. (Jereo Jaona 8:24, 34-36.) Noho izany, rehefa tonga mpianatr’i Jesosy Kristy marina ny olona iray, dia miteraka fiovana azo marihina eo amin’ny fiainany izany, miteraka fanafahana.
2 FIVORIAMBE TELO ANDRO: Ny fitohitohizana fivoriamben’ny distrika amin’ny 1991 “Ireo tia fahafahana” dia hanomboka ny 6-8 Septambra eto Madagasikara. Hanomboka amin’ny 10 ora sy 20 min. ny fandaharam-panokafana ny zoma, ary hifarana amin’ny 4 ora ny fivoriambe ny alahady tolakandro. Hevitra lehibe voafantina tamim-pitandremana ho an’ny fahasalamantsika ara-panahy no hatolotra amin’ny fandaharana tsirairay. Foto-kevitra maro samihafa no hampisongadina ny fomba hahafahana manao ilay fahafahana voalaza ao amin’ny Romana 8:21 ho ny antsika. Hevitra mampientana no hovelabelarina amin’ny alalan’ny lahateny, fampisehoana, fanadinadinana, ary fampisehoana tantara iray.
3 Aoka isika ho tapa-kevitra ny ho tonga amin’ny fotoam-pivoriana rehetra. Angamba izany hitaky fahafoizan-tena avy amintsika sy fanovana ny fandaharam-potoanantsika. Ho voatery angamba isika hanao fandaharana manokana miaraka amin’ny mpampiasa antsika. Maro no mand tombontsoa ara-bola aza mba hanatrehana ny fotoam-pivoriana rehetra. Azo antoka fa i Jehovah dia hitahy izay manao izany raharaha izany ho antom-bavaka mafana sy miezaka amin’ny fo rehetra mba tonga any. — Lioka 13:24.
4 AOKA ISIKA HO TONGA ALOHA: Fantatra noho ny maha-azo itokiana sy marim-potoana azy ny Vavolombelon’i Jehovah. (Lioka 16:10) Zava-dehibe ny hanehoana izany rehefa mandeha manatrika ny fivoriamben’ny distrika isika. Tokony ho tonga aloha isika isan’andro, ary hipetraka alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pivoriana. Ilaintsika, noho izany antony izany, ny manokana fotoana ampy mba hikarakarana ireo raharaha mila fiheverana: fametrahana ny fiarakodiantsika, sy fitadiavana toerana ho an’ny fianakaviantsika, ohatra.
5 Manome antsika fahafahana tsara iray mba handraisan-tsoa amin’ny fiarahana mahafinaritra ny fivoriamben’ny distrika. Kanefa raha mijanona maharitra loatra amin’ny fiarahana takariva amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika isika, dia mety tsy ho tonga ara-potoana ny ampitso. Mahasorena ny tratra aoriana loatra vao mifoha ka avy eo dia voatery hihazakazaka ny maraina. Mba hisorohana izany, dia mahasoa ny hamerana fotoana mety hodiana. Amin’ny fanajana fandaharam-potoana iray, dia ho afaka hahazo torimasom-pialan-tsasatra tsara kokoa isika amin’ny alina ary ho vonona aloha be ny ampitso maraina. Hisoroka ny fahatongavana aorian’ny fanombohan’ny fotoam-pivoriana, izay hanelingelina ireo izay efa mipetraka, isika amin’izany. Raha tonga aloha isika isan’andro, dia ho afaka handray tombontsoa amin’ny fiarahana amin’ireo rahalahintsika sy ireo anabavintsika. Tokony hanosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao mba hahatongavana ara-potoana ny fitiavantsika sy ny fiheverantsika ireo rahalahintsika kristiana, ny fanajantsika an’i Jehovah sy ny sakafo ara-panahy omeny antsika.
6 AOKA ISIKA HIHAINO AMIM-PITANDREMANA: Ny mihaino dia midika hoe manongilan-tsofina tsara tsy amin’ny saina ihany fa amin’ny fo koa, amin’ny sofina ary amin’ny fahafahana mahataka-javatra. Mila ny mihaino isika ka ’mandre ny tenin’i Jehovah.’ (Jer. 2:4, MN.) Ao amin’ny Isaia 55:2 (MN) dia nandidy ny Isiraely i Jehovah hoe: “Mihainoa ahy amim-pitandremana.” Nofaritana hoe “fifantohan’ny fiasan’ny saina amin’ny zavatra iray voafaritra” ny hoe “mitandrina”. Raha toa ka mitandrina tsara isika mandritra ny fivoriambe, dia “hihaino ka mbola hahazo fianarana” amim-pahadodonana. (Ohab. 1:5, MN) Amin’ny ankapobeny dia mitaky ezaka bebe kokoa noho ny any amin’ny Efitrano Fanjakana ny fihainoana sy fianarana any amin’ny fivoriamben’ny distrika. Nahoana? Mipetraka mandritra ny fotoana maharitra kokoa isika, ary noho ny fahamaroan’ny mpanatrika dia betsaka kokoa ny mampiriorio saina. Raha toa isika ka tsy mihaino tsara, dia tsy handray tombontsoa feno amin’ny sakafo ara-panahy tondraka zaraina. (1 Pet. 2:2) Inona no hatao mba tsy hitrangan’izany? Mahafinaritra ny mahamarika fa mpanatrika maro no mampitombo fahazarana tsara mandray an-tsoratra any amin’ireo fivoriambe. Raha marina fa haseho any aoriana kokoa ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra ny sasantsasany amin’ireo lahateny amin’ny fivoriambe, ny sasany dia tsy hiseho. Ampirisihina ry isika rehetra mba hanao ho zava-kendrena ny handray an-tsoratra fohy mandritra ny fivoriamben’ny distrika satria izany dia fomba tsara iray hitazonana ny saintsika hifantoka amin’izay lazaina.
7 Tsy dia ilaina ny handraisana an-tsoratra tsy misy farany sy amin’ny antsipiriany. Fehezanteny iray na roa amin’ny ankapobeny dia ampy hamintinana hevi-dehibe iray. Na dia ireo ankizy madinika aza dia handray soa misimisy kokoa avy amin’ireo lahateny ary hifantoka kokoa ny sainy raha manana taratasy sy pensilihazo na “stylo” izy handraisana ireo andinin-teny fototra sy ireo hevi-dehibe na vaovao lazain’ireo mpandahateny. Mahita ny fandraisana an-tsoratra mazava ho misy tombony mba hanaovana famerenana ny fandaharana mahaliana amin’ny fivoriana momba ny asa hatao manaraka ny fivoriamben’ny distrika, ireo loholona. Izany dia manome azy ireo koa fahafahana hampiasa any aoriana amin’ny asa fampianarana sy fiandrasana ataony, ireo hevitra maro aseho any amin’ny fivoriambe.
8 AOKA ISIKA HO TAFARAY REHEFA MIVAVAKA SY MIHIRA: Ao anatin’ny faritry ny fanompoam-pivavahantsika, dia manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny fiderana azy amin’ny alalan’ny hira, toa an’i Jesosy sy ireo apostoliny. (Marka 14:26) Mamela hahafantatra fa tafiditra amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana ny hira, ny filazalazana nataon’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 14:15 (Jereo “Ny fanompoantsika ilay Fanjakana” tamin’ny Febroary 1991, pejy faha-5). Manome antsika fahafahana tsy manam-paharoa mba ho tafaray amin’ny rahalahintsika sy anabavintsika an’arivony maro mba hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ireo hira sy ireo vavaka ny fivoriamben’ny distrika. Ny sasany anefa tsy ampy fanajana ireo endriny lehibe amin’ny fanompoam-pivavahantsika ireo. Ahoana izany? Amin’ny fahatongavana tsy amin’antony mandritra na aorian’ny hira na ny vavaka fanokafana. Na koa, mandao ny toerany izy mandritra ny hira sy alohan’ny vavaka, amin’ny fifaranan’ny fotoam-pivoriana. Amin’ny antony tena mahalana, dia mety hanana antony tsara hanaovana izany ny tena. Nefa, moa ve ny latabatr’i Jehovah hajaina sy ankasitrahana araka ny tokony ho izy rehefa manao tsirambina ny fahafahana hihira sy hihaino vavaka ao anatin’ny firaisan-tsaina ny sasany mba hahatongavana haingana kokoa eny amin’ny fiarany na eny amin’ny fizarana sakafo? — Matio 6:33.
9 Tokony hiahy isika ny tsy hitady izay hahafinaritra antsika manokana ka ho tonga hatramin’ny famelana ny “izaho aloha” na toetran’izao tontolo izao ratsy hafa, toy ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitiavan-tena, hanakantsakana ny fandrosoantsika ara-panahy. Tamin’izao taona faramparany izao, dia maro tamin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika avy any amin’ireo tany any Eoropa atsinanana no izay vao mba afaka nihira sy nivavaka tamin-kalalahana. Nentanin-kafaliana izy ireo satria afaka nanao rodobe nihira sy nivavaka. Enga anie isika ka hampiseho toa azy ireo fa heverintsika ho sarobidy ireo zava-masina ary tsy hanao tsirambina mihitsy ireo fahafahana hihira sy hivavaka miaraka!
10 NY FAHALALAM-POMBANTSIKA KRISTIANA: Ny fahalalam-pomba kristiana asehontsika sy ny fisehoantsika ivelany any amin’ny fivoriamben’ny distrika no nahazoantsika laza tsara amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah. Marina tokoa, fa manao tsara isika amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ary tsy heverintsika ho fotoana iarahana amin’ny namana tsara fotsiny ny fivoriambe. Rehefa mivory amin’ireny fotoana manokana ireny isika dia tokony hitana ny famendrehana kristiana ananantsika sy hampiseho fihetsika araka ny fanahy amin’ny fitondrana tena amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra hatrany. — 1 Kor. 10:31-33.
11 Raha tsy manao toy izany isika, dia hanamatroka ny fahasambaran’ny hafa ary mety hanafintohina ireo vaovao vao tonga mihitsy aza. Isaorantsika ve ny hafa na dia amin’ireo fiahiana madinidinika asehony aza? Aoka isika hihevitra ireo izay manodidina antsika; aoka isika haneho fanajana sy fiheverana. Tokony hahatakatra ny tsirairay fa rehefa manomboka ny fotoam-pivoriana dia tonga ny fotoana tokony hihainoana, fa tsy handehandehanana na hiresahana. — Deot. 31:12.
12 Afaka midera an’i Jehovah Andriamanitra ihany koa ny fahalalam-pomba kristiana asehontsika amin’ny fifandraisana amin’ireo olona mampiantrano antsika. Noho isika manofa efitrano mahafinaritra amin’ny sarany tena mirary, dia tokony haneho fankasitrahana sy fiheverana ireo mpiasa ao amin’ny hôtely isika, ka hahalala fomba sy tsy hitaky be loatra. (Gal. 6:10) Nisy torohevitra tsara nomena mahakasika ny fitondrantena mety raha hananana any amin’ireo hôtely. Maro no mihevitra izany ary miezaka amim-pahatsorana miara-miasa amin’ny mpiasan’ny hôtely. Na izany aza anefa dia mampalahelo ny manamarika fa mbola tsy foana any amin’ny faritra sasantsasany ny fihetsika tsy manorina amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Inona no antony?
13 Mety ho tia ny hitsitsy ny volantsika isika, kanefa tsy tokony hodiantsika tsy fantatra ireo olona izay manantena ny hahazo falimpo noho ny asa nataony ho antsika. Mbola mendrika ny fiheverantsika foana ireo lahatsoratra hoe “Azo atao ve ny mamela falimpo [pourboire]?” sy ny hoe “Ny falimpo eo amin’izao tontolo izao”, navoaka tao amin’ny “Réveillez-vous!” tamin’ny 22 Jona 1986, pejy faha-24 ka hatramin’ny faha-27. Izao no vakina ao amin’ny pejy faha-24: “Ny falimpo dia (...) mihoatra noho ny kadò tsotra omena noho ny asa ambony ampanga iray natao. Fidiram-bola fototra ho an’ny olona sasany izany.” Nanoritra koa ny “Réveillez-vous!” fa “raha manao dia lavitra ianao na manatrika fivoriambe miaraka maromaro, dia mahakasika izay rehetra miaraka aminao ny ataonao manokana. Arakaraka ny fitondrantenanao no hitsaran’ny olona anareo rehetra.” Noho izany, na inona na inona fiheverantsika ny falimpo, rehefa tonga ao amin’ny tanna iray isika mba hanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia aoka isika haneho fahaiza-mitsara sy fahaiza-manavaka, ary aoka isika ho vonona ny ‘hanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara.’ — 1 Kor. 9:19-23, MN.
14 Ny mpitantana hôtely sasantsasany dia nitaraina noho ny fisiana Vavolombelona nandoa ny saran’ny fivahiniany ary lasa tamin’ny famelana ny efitranony amin’ny endrika mampahonena. Tokony hiahy ny amin’ny fahadiovana isika ary haneho fiheverana, tsy amin’ny fisehoantsika ivelany sy ny fitondrantenantsika ihany, fa amin’ny fomba hampiasantsika ny fananan’ny hafa ihany koa. Moa ve misy antony tsy hamelana ny efitrano iray nohofana hilamina sy hadio? Manimba ny laza tsarantsika ny fitondrantena tsy misy fanajana. Mandritra ireo fivoriamben’ny distrika manaraka ry, dia aoka isika rehetra ho tapa-kevitra ny hitondra tena amin’ny fomba “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.” — Titosy 2:10.
15 HO AN’NY RAY AMAN-DRENY: Asaina amin-kafanam-po ho tonga amin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafahana” ireo ankizy sy ireo zatovo. Mety hanimba ny fiainana ara-panahin’izy ireo ny fahafahana atolotr’izao tontolo izao, toy ny nanarian’i Adama ny fahafahana nananan’ny olombelona tany am-boalohany. Amim-pitiavana, ny fandaminan’i Jehovah dia manoro antsika rehetra ny fomba fijery mety ny amin’io raharaha io. Mampahery ny mahita tanora nianatra nampifantoka tsara ny sainy ao amin’ireo fivoriana kristiana rehetra, manaraka amim-pahalianana izay lazaina any amin’ireo fivoriambe. (Sal. 148:12, 13). Kanefa ny fihetsiky ny ankizy dia miankina be dia be amin’ny ohatra sy ny fanaraha-mason’ny ray aman-dreny. Ankizy maro no efa nozarina handray an-tsoratra. Raha toa ianao ka mbola tsy nampianatra ny zanakao handray an-tsoratra, nahoana raha manararaotra ny fotoana sisa tavela alohan’ny fivoriambe mba hanaovana izany? Afaka mampirisika ireo zanakao mbola madinika mihitsy aza ianao mba handray an-tsoratra ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly lazaina sy ireo teny fototra henon’izy ireo lazain’ny mpandahateny. Misy ray aman-dreny manomana famerenana ireo hevi-dehibe nandritra iny andro iny miaraka amin’ny mpianakavy rehefa tonga any an-trano na mandritra ny dia hody.
16 Marina tokoa, fa fantatry ny ankamaroan’ny ray aman-dreny fa manana fironana hitrifantrifana ny ankizy, ary tsy ampy fanandraman-javatra sy fahamatorana. Ilaina ry ny mampianatra azy hoe amin’ny fotoana toy inona no tokony hihainoana tsara, ary ahoana no hitondran-tena any amin’ireo fivoriana. Tokony hanara-maso azy akaiky amin’izay ireo ray aman-dreny. Manao tsirambina ny fanaovana izany ny sasany. Mandritra ny vavaka indraindray, dia maneho fanajana mety ho an’i Jehovah ny tenany, fa ny zanany kosa milalao sy manelingelina ny mpanatrika hafa. Tokony ho fantatry ny ray aman-dreny izay ataon’ny zanany na dia mandritra ny vavaka aza. Ary inona no ataon’izy ireo rehefa mandao ny toerany ny zanany mandritra ny lahateny? Moa ve izy ireny avela tsy misy fanaraha-maso mandritra na aorian’ny fandaharana? — Ohab. 29:15.
17 Nisy ray aman-dreny nandefa ny zanany handeha irery tany amin’ny dobo filomanosan’ny hôtely, nefa ny tenany tao amin’ny efitranony na tany amin’ny hôtely fisakafoana, na nanao zavatra hafa. Tsy mety izany. Nisy aza ankizy tsy azo fehezina tsy nanaja ireo Vavolombelona efa be taona kokoa nanandrana nanitsy azy tamin-katsarampo. Matetika izany toetra mitrifantrifana sy tsy mendrika ny maha-kristiana izany no vokatry ny tsy fisian’ny lalàm-pifehezana ao an-tokantrano. Ilaina mihitsy ny hanitsiana izany. Ny ray aman-dreny kristiana rehetra dia tokony hanara-maso amim-pitandremana ny zanany amin’ny fotoana rehetra, mba hitaizana azy “ao amin’ny lalm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsain’i Jehovah.” — Efes. 6:4, MN.
18 ANKASITRAHANA NY FIARAHA-MIASA FENO ASEHONTSIKA: Natao ny asa lehibe fanomanana mba hahampy ny toerana, ny zavatra vita an-tsoratra, ny sakafo ary ny zavatra hafa ilain’ny mpanatrika rehetra. Mba hahatratraran’ireny fandaharana ireny ny zava-kendreny, ny kongregasiona tsirairay avy dia nasaina ho amin’ny fivoriambe iray voafaritra tsara. Tena ilaina ny fiaraha-miasa feno avy amintsika mba hisorohana ny fihoaran’isa. Marina aloha, fa mety hisy fisehoan-javatra sasantsasany mahavoatery ny sasany hanatrika fivoriambe nalamina any amin’ny faritra hafa ivelan’ny azy. Ny ankamaroany amintsika anefa dia tokony ho afaka hanatrika ny fivoriambe natao ho an’ny kongregasiona misy antsika. — 1 Kor. 13:5; Fil. 2:4.
19 Ilaina koa ny fiaraha-miasa feno avy amintsika raha ny amin’ny famandrihana toerana. Aoka hotadidintsika fa TSY TOKONY HAMANDRIKA TOERANA AFA-TSY HO AN’NY HAVANA AKAIKY SY IREO MIRAY FIARA AMINTSIKA IHANY ISIKA. Aoka isika tsy hamandrika toerana ho an’olon-kafa. Misy mamandrika toerana nefa tsy dia misy olona andrasany akory. Fampisehoana tsy fahampiam-pitiavana izany ary manakana ny mpampandroso olona sy ny mpanatrika hafa tsy hahita toerana malalaka. Mifanaraka amin’ireo torohevitry ny Baiboly, dia tokony haneho fitiavan-drahalahy isika ary hiara-miasa tanteraka amin’ny fanarahana ireo toromarika momba ny famandrihan-toerana. Tsy misy mahazo lalana hamandrika toerana mihoatra noho izay ilain’ny fianakaviany akaiky na ireo miray fiara aminy. — 2 Petera 1:7.
20 Tsy azo atao ny mamandrika toerana ho an’ny ampitso. Tsy hisy toeram-pivoriambe hivoha alohan’ny amin’ny 7 ora ho an’ireo izay tsy manana asa hatao eny alohan’io ora io. Tsy misy mahazo lalana hamandrika toerana alohan’ny amin’ny 7 ora ireo mpiasa an-tsitrapo, ora izay hanombohan’ny mpanatrika hafa miditra. Handray ny asany alohan’io ora io mba hanara-maso izay mitranga ary hiahy ny hanarahana ireo toromarika avy amin’ny Fandaminana momba ny famandrihan-toerana ireo anisan’ny sampan’asa mpampandroso olona. Aoka ry isika hiara-miasa amin’ny fomba feno amin’ireo rahalahy ireo izay hanao ny andraikiny ho tombontsoan’ny mpanatrika rehetra.
21 Ampirisihina isika haneho fahaiza-mitsara zavatra raha ny amin’ny zavatra entintsika eny amin’ny toeram-pivoriambe. Tamin’ny lasa, ny sasany dia nitondra fitoeran-dranomandry lehibe sy zavatra hafa nibahan-toerana loatra ka tsy azo atao ambany seza; nataony teny amin’ny lalantsara ry izany na teny ambony seza, ka tsy nahafahan’ny mpanatrika hafa hanana toerana, ary nandika ny fitsipiky ny filaminana indraindray. Tokony haneho fiheverana isika eo amin’izany lafiny izany.
22 Azo antoka fa ankasitrahan’ny vahoakan’i Jehovah ny fahafahana mivory isan-taona ao amina toerana mahafinaritra mba handray soa avy amin’ny fandaharana ara-panahy kanto nomanina ho azy. Ankasitrahantsika koa ireo asa maro be sy fanatsorana nomanina ho
amin’izany fivoriambe izany. Manao fiezahana lehibe sy fandaniana misimisy ihany ny fikambanana mba hananan’ny mpanatrika rehetra toerana tsara sy mba hametrahana ireo rafi-panamafisam-peo lafo vidy, ary sampana mpikarakara sakafo mahomby sy sampan-draharaha maro hafa izay mahatonga ny fivoriambe hahafinaritra sy hamelombelona ara-panahy.
23 Voaonitra ireny fandaniana ireny noho ireo fanomezana an-tsitrapo atao mba hanohanana ny asa maneran-tany ataon’ny Fikambanana. Raha toa ianao ka manapa-kevitra ny handefa seky, dia ataovy amin’ny anaran’ny “Fikambanan’ny mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara — Fivoriamben’ny...”. Mba hanamora zavatra, dia misy vatakely fasiana fanomezana an-tsitrapo misy soratra mazava hapetraka eny amin’ny toerana samihafa eny amin’ny toeram-pivoriambe. Tena ankasitrahana avokoa ny fanomezana rehetra ary misaotra antsika mialoha ny Fikambanana noho ny fanohanana amim-pahalalahan-tanana hoentintsika amim-piraisan-kina ho tombontsoan’ilay Fanjakana. Nilaza tamin’izao teny izao ny tena fankasitrahany ny tsy famerana ny habetsahan’ny vola atao fanomezana ny olona iray: ‘Mahafinaritra tokoa ny mahafantatra fa avela ho araka ny nahim-pontsika io raharaha io — araka ny fankasitrahantsika. Manosika antsika hanome mihoatra noho ny mahazatra ny fankatelemantsika noho izany antony izany.’ Azo antoka, fa hahatsapa ny andraikitsika manokana isika rehetra amin’ireo vola lany ary hiara-miasa amin’ny fomba feno araka izay fahafahantsika. — Lioka 6:38.
24 AOKA ISIKA HO TONGA AMIN’NY FIVORIAMBEN’NY DISTRIKA “IREO TIA FAHAFAHANA”: Amin’ny fanatrehana ny fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafahana” sy amin’ny fihainoana amim-pitandremana ireo lahateny, no hahatakarantsika tsara kokoa hoe fahafahana toy inona no hananantsika noho i Kristy ary ahoana no hampiasana izany amin’ny fomba mety. Aoka isika hanao fandaharana dieny izao mba ho tonga raha vao eo amin’ny hira fanokafana sy hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra, hatramin’ny vavaka farany, izay hotononina ny alahady tolakandro.
[Efajoro, pejy 8]
Fivoriamben’ny distrika — Fanampiana ny fitadidiana
FILASIANA: Ankasitrahanay tokoa ny fiaraha-miasanareo amin’ny fampiasana ny lisitr’ireo toeram-pilasiana voatondro, izay nomen’ny Komitin’ny fivoriambe anareo. Raha toa ianao ka niomana hilasy ao amin’ny tanna hisy ny fivoriambe ary mbola tsy nanamafy ny famandrihanao efitrano, dia iangaviana ianao hanao izany dieny izao. Raha sendra ka voatery ianao hanafoana ny famandrihanao efitrano dia manorata na mandefasa antso an-telefaonina mivantana any amin’ny hôtely aloha be araka izay azo atao, mba hahafahana manome ny efitrano ho an’ny olona hafa.
Tokony hiahy ny handefasana haingana ireo fangatahana efitrano, ho amin’ny toe-javatra manokana, any amin’ny Komitin’ny fivoriambe voakasik’izany ny mpitantsoratry ny kongregasiona. Raha ilainao ny manafoana ny famandrihana efitrano ho amin’ny toe-javatra manokana, dia ampahafantaro haingana ny mpampiantrano na ny hôtely sy ny sampan-draharahan’ny filasian’ny fivoriambe izany, mba hahafahana manome ny efitrano ho an’ny hafa.
POSIPOSIN-JAZA: Any amin’ny toerana maro dia voarara ny fampiasana posiposin-jaza any amin’ny fivoriana ampahibemaso. Tsy eken’ny fitsipika mifehy ny filaminana ny hamelana azy ireny eny an-dalantsara, eny amin’ny lalana, na eny anelanelan’ny laharan-tseza. Amin’ny fifamoivoizan’ny olona be loatra dia mampidi-doza ny posiposin-jaza, na ho an’ireo zaza na ho an’ny mpanatrika, izay mety ho voafingana hianjera eo amboniny. Aoka ry mba tsy hitondra izany any amin’ny toeram-pivoriambe. Azo atao anefa ny mitondra sezan-jaza, izay azo atao anaty fiara, ohatra, satria afaka mametraka izany eo amin’ny seza eo akaikiny ny ray aman-dreny. Tena hankasitrahana ny fiaraha-miasanareo amin’izany lafiny izany.
BATISA: Ireo mpilatsaka hatao batisa dia hiezaka hipetraka ao amin’ny faritra natokana ho azy ireo, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny asabotsy maraina. Samy hitondra fitafiana maotina fitondra miroboka sy lamba famaohana izy ireo. Rehefa avy manao ny lahatenin’ny batisa sy ny vavaka ny mpandahateny dia hanome toromarika fohy ho an’ny mpilatsaka hatao batisa ny mpitari-draharaha, ary avy eo dia hanasa ny mpanatrika rehetra hanao ny hira. Eo am-panombohana ny andininy farany amin’ny hira, dia hitarika ny mpilatsaka hatao batisa ireo mpampandroso olona ho any amin’ny toeram-pandrobohana, na any amin’ny fiara izay hitondra azy ireo any, raha mbola mamita ny hira ny sisa amin’ny mpanatrika. Koa satria ny batisa ho mariky ny fanoloran-tena dia raharaha manokana mahakasika an’ilay olona sy Jehovah, dia tsy nomanina ny fanaovana “batisa mitambatra” an’ireo mpilatsaka roa na mihoatra, izay mifampisakambina na mifampitantana mandritra ny fandrobohana.
ASA AN-TSITRAPO: Ilaina ny fanampian’ireo mpiasa an-tsitrapo mba hampandehanana tsara ny fivoriamben’ny distrika. Na dia tsy afaka miasa afa-tsy mandritra ny tapany amin’y fivoriambe aza ianao dia hankasitrahana ny asanao. Raha afaka mitondra fanampiana ianao dia aza fady mba manatna ny sampan-draharaha momba ny asa an-tsitrapo rehefa tonga eny amin’ny toeram-pivoriambe. Azon’ireo ankizy latsaka ny 16 taona atao koa ny mandray anjara amin’ny fahombiazan’ny fivoriambe, nefa tsy maintsy miaraka amin’ny iray amin’ireo ray aman-dreniny izy na ho eo ambany fiandraiketan’ny olon-dehibe iray.
“INSIGNES”: Iangaviana ianao hanao “insigne” eny amin’ny toeram-pivoriambe, toy izany koa mandritra ny dianao mandroso sy miverina manelanelana ny toeram-pivoriambe sy ny filasianao. Matetika tokoa izany no mamela hanao fanambarana tsara dia tsara. Tokony horaisinao amin’ny alalan’ny kongregasionanao izy ireny satria tsy ho hita eny amin’ireo toeram-pivoriambe.
FAMPITANDREMANA: Na aiza na aiza anajanonanao ny fiaranao, dia hidio hatrany amin’ny fanalahidy ny varavarana ary aza mamela zavatra ho hitan’ny mpandalo mihitsy. Raha azo atao dia hidio anaty “coffre” ny fitaovanao. Mitandrema koa amin’ny mpangalatra sy ny mpangarom-paosy, izay voasinton’ireo fihaonambe. Aza mamela zavatra sarobidy eo amin’ny fitoeranao. Iangaviana ianao haneho fahamalinana.
Ampahafantarina antsika fa any amin’ny hôtely sasany dia azon’ny mpanofa atao ny miditra amin-kalalahana any amin’ny efitrano fijerena televiziona, izay andefasana horonantsary maloto, ary vetaveta mihitsy aza. Izany dia mampisongadina ny maha-zava-dehibe ny tsy hamelana ny ankizy handeha irery hijery televiziona any amin’ireny toeram-pilasiana ireny.