Aoka ianao hanao ny fanompoana amin’ny fanahinao rehetra
Fizarana faha-2: Ampitomboy ny hafanam-ponao
1 Mora kokoa ny manana hafanam-po amin’ny asa iray rehefa tiantsika ilay izy. Marina koa mazàna fa ny olona iray dia tia manao zavatra iray izay efa niomanany. Marina indrindra izany rehefa manatontosa ny fanompoantsika amin’ny fomba feno isika. — 2 Tim. 4:5.
ZAVA-DEHIBE DIA LEHIBE NY FIOMANANA
2 Ny hafanam-pontsika eo amin’ny asa fanompoana dia mifandray mivantana amin’ny fiomanana tsara nataontsika sy ny habetsahan’ny fivoahantsika eny amin’ny fanompoana. Ohatra, raha milaza amintsika ny olona iray hitantsika eny amin’ny fitoriana isan-trano fa Miozilimanina ny tenany, inona no azontsika lazaina? Ny mpitory niomana tsara dia mety hamaly hoe: “Mahaliana tokoa izany. Tsy mbola niresaka tamina Miozilimanina maro aho. Nefa namaky zavatra momba ny fampianarana sasantsasany amin’ny fivavahanao aho tato amin’ity boky ity. [Sokafy eo amin’ny pejy faha-23 ny boky Comment raisonner.] Milaza izy eto fa mino an’i Jesosy ho mpaminany ianareo, ary anefa koa fa i Mahomet no mpaminany farany sy lehibe indrindra. Sa tsy izany? [Avelao izy hamaly.] Mino koa ve ianao fa i Mosesy dia tena mpaminany? [Avelao izy hamaly, azo inoana fa amin’ny hoe ‘eny’.] Azoko atao ve ny mampiseho aminao ao amin’ireo Soratra masina izay nianaran’i Mosesy avy amin’Andriamanitra momba ny anaran’Andriamanitra manokana?” Azonao atao àry ny mamaky ny Eksodosy 6:3. Amin’izany fomba izany, dia mety hanomboka fifampiresahana mahaliana ianao.
3 Sarotra ho an’ny maro amintsika ny mitadidy ny nomeraon’ny pejy voafaritra tsara. Kanefa amin’ny fanaovana fiomanana sy fanazaran-tena kely, dia afaka mampiasa ilay fizarana hoe “Objections” (Fanoherana) any akaikin’ny fiandohan’ny boky Comment raisonner ianao. Misy pejy maromaro manome fanazavana ao amin’io tapany io mba hanampiana antsika hahay hamaly ireo olona izay milaza amintsika fa anisan’ny fivavahana izao na izao ny tenany.
4 Misy fizarana tsara dia tsara momba ny fampidiran-dresaka koa ao amin’ny boky Comment raisonner. Nahoana ianao raha maka azy ireo ho môdely ho an’ireo fampidiran-dresakao? Mety hila hampifanaraka ny fampisehoanao amin’ny tarehin-javatra miseho ianao. Amin’ny faran’ny lohahevitra maro ao amin’ny boky Comment raisonner dia misy fizarana hoe “Si quelqu’un vous dit” (Raha misy milaza aminao hoe), izay manome fanazavana voatarika tsara mba hamaliana fanontaniana voafaritra tsara na fanoherana mifandray amin’ilay lohahevitra. Tsy hahasoa anefa ireo fanazavana tsara dia tsara rehetra ireo raha tsy ampiasaintsika amin’ny fiomanana ataontsika.
NY FOMBA HIOMANANA
5 Aoka ianao ho mailaka raha ny amin’izay zavatra vita an-tsoratra hodinihina ao amin’ny Fivoriana momba ny asa ka hanana izany miaraka aminao mba hojerenao mandritra ireo fiaraha-midinika sy fampisehoana. Amin’izany fomba izany, dia afaka mandray soa feno kokoa avy amin’ny fiomanan’ny hafa ianao.
6 Mitondra soa ny maka fotoana mba hiomanana ho amin’ny fanompoana. Ataovy azo antoka fa nahazo izay zavatra vita an-tsoratra ilainao ianao. Makà minitra vitsivitsy mba hijerena ny Foto-dresaka. Jereo indray ireo andinin-teny hampiasaina, ary zahao izay hevitra azo resahina ao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra tokony haseho. Hahasoa ny fiarahan’ny fianakaviana manao izany.
7 Manaova fandaharana fanazaran-tena. Azonao atao ny manao fanazaran-tena amin’ny fotoana samihafa — aorian’ny fianarana ny boky, mandritra ny fifaneraserana fialam-boly, rehefa tafaraka amin’ny fiara iray handeha hitory, avy eo amin’ny varavarana iray ho eny amin’ny varavarana manaraka. Mety hahafinaritra tokoa ary hanome fahafahana hanatsara ny fahaizantsika ny fanaovana fampisehoana sy ny fifampiresahana ary ny fampisehoana ny fomba hamaliana fanoherana.
8 Hampitombo ny hafanam-pontsika ho amin’ny fanompoana ny fiomanana amim-pitandremana mba hahatonga antsika ho mpiasa kinga ary hijinjantsika fahafahampo mahafaly. — Jaona 2:17.