Ny fandaharana momba ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona
Fizarana faha-3: Foibe iray ho an’ny asa fanompoana
1 Ankoatra ny fanomezana toerana ahafahana miara-mianatra amin’ny maha-antokon’olona, ny toerana anaovana ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona dia mety mba hanomezana toerana hanaovana fivoriana ho amin’ny asa fanompoana. Tokony hety ho an’ny ankamaroan’ny mpitory ny fotoana anaovana izany fivoriana izany, ary tokony hanolotra fanampiana azo ampiharina eo amin’ny fandaminana ireo mpitory ho amin’ny asa fanompoana ireo fivoriana ireo.
2 Ireo antokon’olona voalamina araka ny mety mba hiara-mianatra sy manao ny fanompoana dia manorina ny fahasalamana ara-panahy. Iza no tsy nandray soa avy amin’ny fampaherezana na ireo fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hamaliana fanoherana, hanombohan-dresaka, hanolorana fampianarana Baiboly na izay tokony holazaina amin’ny fiverenana mitsidika iray? Ireo mpitory tsotra sy mpitory maharitra hafa miara-mivory ao amin’ny toerana fanaovana ny fianarana ny boky dia hanome azy izany fanampiana izany indrindra. — Gal. 6:9, 10.
3 Ny anjara asan’ilay mpitarika: Ny mpitarika ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona dia loha laharana eo amin’ny asa ataon’ilay antokon’olona ary tompon’andraikitra amin’ny fandaminana izany. Miara-miasa tsy tapaka amin’ireo mpitory eo amin’ny fanompoana izy. (1 Pet. 5:2, 3). Manome fitaovana ampy ho an’ilay antokon’olona hanao fanompoana ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana voaomana tsara. Mazàna dia tsara kokoa ny hananan’ny antokon’olona miara-manao fianarana ny boky tsirairay ny fivoriany ho amin’ny asa fanompoana avy, toy izay hiaraka hivory amin’ny toerana iray ihany ireo antokon’olona rehetra. Kanefa, raha samy vitsy ireo ao amin’ny antokon’olona roa, dia azo akambana izy ireo raha ilaina izany. Rehefa atao aorian’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ny asa fanompoana, dia tokony ho fohy ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana. Aorian’izany, dia hikarakara ny antokon’olona misy azy avy ny mpitarika ny fianarana ny boky tsirairay.
4 Rehefa tsy miovaova ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana, dia mampirisika ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana. Raha atao amin’ny fotoana sy ny toerana araka ny fandaharam-potoana efa nalamina ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana, dia hanao fandaharana araka izany ireo mpitory satria mahazo fampaherezana avy amin’ny fahafantarana fa hisy faritany hiasana sy olon-kafa hiaraha-miasa. (Ampitahao amin’ny Lioka 10:1.) Na dia rehefa tsy afaka ny ho eo aza ilay mpitarika, dia manome faritany izy ary manao fandaharana ho an’ilay antokon’olona. (omMG p. 44). Raha tsy misy rahalahy mahafeno fepetra afaka mitarika ny fivoriana iray ho amin’ny asa fitoriana, dia azon’ilay mpitarika atao ny manendry anabavy iray mba hanao izany. (omMG p. 77-78; kmMG 5/88 p. 1). Tsy hisy fisafotofotoana rehefa mivory tsy tapaka ho amin’ny asa fanompoana amin’ny fotoana sy toerana mahazatra ilay antokon’olona. Tokony hampandrenesina herinandro mialoha, raha azo atao, izay fiovana vetivety rehetra mikasika izany.
5 Ilaina ny fiaraha-miasa: Tokony hiezaka mafy mba hanana anjara misy heviny eo amin’ireo lafiny samihafa amin’ny asa fanompoana ny rehetra. Afaka manao fanapahan-kevitra ny hiara-manao fanomanana amin’ny alalan’ny fandaharana fanazaran-tena ireo mpitory, amin’ny fampiasana fanoharana sy toe-javatra araka ny tena fahita misy izay azo inoana fa hipoitra eo amin’ny faritany eo an-toerana. — Ohab. 27:17.
6 Ho tianao ve ny hanampian’ny mpitory za-draharaha anao hanjary hahay kokoa eo amin’ny asa fanaovana mpianatra? Raha izany no izy, dia miresaha amin’ny mpitarika ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona misy anao. Mety ho afaka handamina ny hanampian’ny mpitory mahay iray anao izy. Mba handraisana soa avy amin’izany, dia ampiharo amim-pitandremana ireo fanoloran-kevitra azonao ary hazòny ireo fotoana nifanaovanareo.
7 Ireo izay notendren’ny mpitarika ny fianarana ny boky mba hanampy ny hafa dia tokony ho vonona hanampy ary tsy hanantena zavatra amin’ny fomba tafahoatra. Ny fanandraman-javatra dia nampiseho fa ireo izay manana fomba fihevitra manorina sy voalanjalanja momba ny asa fanompoana, sady mahay manombo-dresaka mifanaraka amin’ny toe-javatra no mahay indrindra raha ny amin’ny fampiofanana ny hafa. (kmMG 9/79 p. 3; kmMG 1/80 p. 1, 3, 4). Tokony hisy teny fiderana foana isaky ny misy fandrosoana vita. Amin’izay, dia azo atao ny mametra zava-kendrena hafa. — Ampitahao amin’ny Lioka 19:17-19.
8 Tiantsika ny hifanampy mba hahita vokatra tsara eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanaovana mpianatra. Manamarina ny maha-maika dia maika ny fanaovana io asa io ireo toe-javatra miharatsy eo amin’izao tontolo izao. Misy ain’olona tafiditra amin’izany ary manafaingana ny asa fijinjana i Jehovah. (Isaia 60:22). Rehefa tadidintsika ao an-tsaina ilay fanompoana nomena hataontsika, dia hiara-miasa akaiky amin’ilay antokon’olona miara-manao fianarana ny bokin’ny kongregasiona misy antsika isika mba hanatanteraka amin’ny fomba feno ny asa nanendrena antsika sady hifampirisika sy hifampahery. — Rom. 12:6-8; 2 Tim. 4:1, 2, 5, MN.