Fomba fampiseho ny vaovao tsara — Amin’ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsoratra amim-pahendrena
1 Misy famelabelarana ny amin’ny hoe “Tsy hoe tsy dia manao ahoana ny fanompoantsika, fa masina”, ny andro fivoriambe manokana amin’ny taom-piasana 1992. Manantitrantitra izy io fa masina ny asantsika ka tsy tokony horaisina ho toy ny mandeha ho azy fotsiny. Koa satria mahaforona tapany lehibe amin’ny fanompoantsika ny fampiasana zavatra vita an-tsoratra, izy io koa dia tokony hoentina amim-panajana. Afaka mampiseho ny fiheverana lalina tsapany ny tsirairay avy amintsika amin’ny fampiasana amim-pahendrena ny zavatra vita an-tsoratra ananantsika.
2 Nandritra ny taom-piasana 1990, dia namoaka gazety 678 tapitrisa ary Baiboly sy boky mifono baoritra maherin’ny 51 tapitrisa ny Fikambanana mba hampiasaina eo amin’ny fanompoana maneran-tany. Izany dia mampiseho fandaniana fananana sarobidy tsy toko tsy forohana, anisan’izany ny fotoana, hery ary vola. Ny ezaka akambana ataon’ireo mpiasa an-tsitrapo dia miteraka famoahana zavatra vita an-tsoratra miavaka amin’ny hatsarana mba hampiasain’ny tena manokana ary hozaraina eo amin’ny asa fanompoana. Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika manome taratry ny fankasitrahantsika amim-pahatsorana ireo zavatra vita an-tsoratra ananantsika rehefa mampahafantatra ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ireo olona tso-po isika?
3 Fianarana Manokana sy Fianaram-pianakaviana: Ao amin’ny Romana 2:21 dia hoy ny apostoly Paoly hoe: “Moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va?” Rehefa maka ny fotoana ilaina mba hamakiana sy hianarana ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly ananantsika isika ary mba hisaintsainana amin’ny alalan’ny vavaka momba azy ireo, amin’izany fomba izany ny tenantsika manokana dia hampiseho fa mihevitra ho sarobidy ireo fanomezan’i Jehovah sakafo ara-panahy tonga ara-potoana amin’ny alalan’ny kilasin’ny mpitandrin-draharaha isika. (Lioka 12:42). Na amin’ny fianarana manokana na amin’ny fianaram-pianakaviana, ny fianarantsika tsy misy hataka andro ireo fahamarinana aharihary amintsika dia manampy antsika hamboly fiheverana ambony izay rehetra nankinin’i Jehovah tamintsika. Ireo ankizy koa dia tokony hampiofanina mba hankasitraka sy hitandrina ny zavatra vita an-tsoratra ananany, fa tsy hanisy soratra amin’izy ireny na hanimba azy tsy amim-pitandremana. Fanampin’izany, ny zavatra vita an-tsoratra ananantsika dia tokony hotahirizina tsara araka ny mety mba hihazonana azy ireo ho madio sy milamina rehefa hampiasaina eo amin’ny fanompoana.
4 Halaviro ny fandanilaniana foana: Mba hitondrany soa marina, ireo zavatra vita an-tsoratra ananantsika dia tsy maintsy tonga eny an-tanan’ireo mitady ny fahamarinana, izany hoe, ireo izay tena liana marina amin’ny hafatra entintsika sy ny asantsika. (Matio 10:11). Noho izany dia tokony hohalavirintsika ny fizarazarana foana tsy misy fanavahana ireo zavatra vita an-tsoratra amin’ireo izay tsy tena mankasitraka marina ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Hisy fandanilaniana foana koa raha avelantsika hisavovona ao an-tranontsika ireo gazety, boky na zavatra vita an-tsoratra hafa.
5 Koa satria misy daty ireo gazety, dia voafetra ny fotoana ahafahantsika manolotra azy ireo amin’ny maha-nomerao vao nivoaka azy ireo. Koa ilaina àry ny fanaovantsika rehetra fiezahana mba hivoahana eo amin’ny fanompoana sy hanaovana izay hahazoan’ireo olona liana ireny gazety ireny. Raha hitantsika fa mbola toa miangona ihany ny gazetintsika, dia angamba ho tsara ny hanamboarantsika ny fandaharam-potoanantsika mba handaniana fotoana betsaka kokoa eo amin’ny asa fizarana gazety. Na koa, raha tsy mety ny fanaovana izany araka ny azo ekena, dia tokony hovantsika ny isan’ny gazety hafarantsika. Amin’ny fanarahana ireo fanoloran-kevitra ireo, dia hiseho ho mpitandrin-draharaha mahatoky ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory isika. 1 Kor. 4:2, MN; 1 Pet. 4:10, 11, MN; ampitahao amin’ny Lioka 16:1, 10, MN.
6 ‘Nanolotra’ ny vahoakany nanolo-tena andraikitra sy asa tena mavesatra i Jehovah, anisan’izany “ny fananany” izay ananan’ny ‘mpitandrin-draharahany’ mahatoky fahefana. (2 Tim. 1:12; Lioka 12:42-44, 48b; 1 Tim. 6:20). Amim-pankasitrahana lalina ireo tombontsoa ananantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia enga anie isika hanohy hampiasa amim-pahendrena ireo zavatra vita an-tsoratra ananantsika rehefa mampiseho ny vaovao tsara amin’ny hafa isika.