FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/92 p. 1-3
  • Mihevitra Ireo Bokintsika ho Sarobidy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihevitra Ireo Bokintsika ho Sarobidy ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao Amim-pahendrena Ireo Boky sy Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Madio sy Milamina ve Ilay Izy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 11/92 p. 1-3

Mihevitra Ireo Bokintsika ho Sarobidy ve Ianao?

1 Ny diamondra sy ny vatosoa hafa dia sarobidy, tsy noho ny hatsaran-tarehiny ihany, fa noho ny halafosan’ny fitadiavana sy fitrandrahana azy koa. Ny fahalalana an’i Jehovah sy Jesosy Kristy dia faran’izay sarobidy kokoa noho izany aza, ary ireo bokintsika no hany boky eo amin’izao tontolo izao manazava ireo harena ara-panahy ireo amin’ny fomba lalina sy noho ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. (Rom. 11:33; Fil. 3:8, NW ). Ahoana no ahafahantsika maneho fankasitrahana marina an’ireo bokintsika?

2 Misy olona sy fianakaviana manokana fanomezana mba hoentina any amin’ny Efitrano Fanjakana ka hatao ao amin’ny iray amin’ireo vata fasiana fanomezana ho fanohanana ny asan’ny Fikambanana maneran-tany. (Matio 24:14, NW ). Izany dia hanampiana amin’ny fandoavana ny vidin’ireo bokintsika sy ny fandefasana azy ireo, izay tsy fenon’ny sarany akantsika sy ametrahantsika azy.

3 Ny fomba hafa iray hanehoana fankasitrahana dia eo amin’ny fahaiza-mifidy ireo zavatra vita an-tsoratra hatolotra an’ireo olona hitantsika eny amin’ny asa fanompoana. Tsy hanan-kevitra ny hanome diamondra lafo vidy iray ho an’ny zazakely iray izay tsy hahatakatra ny hasarobidin’izany isika. Toy izany koa fa tsy hanome zavatra vita an-tsoratra ho an’ny olona tsy mankasitraka zavatra ara-panahy isika. (Ampitahao amin’ny Hebreo 12:16.) Ny fahafoizantsika ny tenantsika sy ny fizarantsika ny bokintsika amim-pahalalahan-tanana dia tokony hotarihin’ny fihetsika mahay manavaka. Moa ve ilay tompon-trano vonona ny hiresaka? Moa ve izy mampifantoka ny sainy rehefa miteny isika, mamaly ireo fanontaniana ataontsika aminy, ary manaraka tsara rehefa mamaky avy ao amin’ny Baiboly isika? Raha miharihary fa maneho fahalianana toy izany izy, dia faly isika ny hametraka zavatra vita an-tsoratra mifanentana iray aminy. Rehefa mitarika fampianarana amin’ny olona amin’ny alalan’ireo bokintsika isika, dia mahazo fanampiana izy ireo hianatra momba izay ampianarin’ny Baiboly. Misokatra ho azy ireo koa ny lalana hanorenany fifandraisana amin’i Jehovah. Miankina amin’ny fomba ampiasana azy ny tena soa azo avy amin’ireo bokintsika.

4 Ny zavatra vita an-tsoratra avela fotsiny eo amin’ny talantalam-boky any amin’ny Efitrano Fanjakana na any an-tranontsika dia tsy mahatanteraka ny zava-kendreny, ary tsy tontosa ny maha-sarobidy azy. Na dia ireo gazety, bokikely, boky ary taratasy mivalona tranainy aza dia tokony hampiasaina tsara. Oviana no farany nizahantsika ireo zavatra vita an-tsoratra eo am-pelatanantsika? Mety ho gaga isika hahita ny habetsahan’ireo niangona tao. Moa ve mbola tsara ny fisehoan’ireo zavatra vita an-tsoratra ananantsika — tsy nanjary vasobasoka noho ny fahelany, rovitra na voaloto? Raha izany no izy, dia tokony hanao ny ezaka rehetra isika mba hizara azy ireo eny amin’ny asa fanompoana. Ny zavatra vita an-tsoratra simba dia azontsika hazonina ho an’ny tenantsika manokana na ariana araka ny mahamety azy. Na dia hifantoka voalohany indrindra amin’ny zavatra atolotra amin’ny volana aza isika, dia mety hanapa-kevitra indraindray ny hampiasa zavatra vita an-tsoratra hafa.

5 Omeo fiheverana amim-pitandremana ny habetsahan’ny zavatra vita an-tsoratra tena ilainao eo amin’ny asa fanompoana. Tena ilaina ny manana fahaiza-mitsara zavatra. Na dia tena zava-dehibe aza ny manana zavatra vita an-tsoratra ampy tsara, indrindra fa raha manao ny asan’ny mpisava lalana ianao, dia tsy misy ilana ny hihazonana zavatra vita an-tsoratra be dia be any aminao, satria azo atao ny maka hafa koa any amin’ny Efitrano Fanjakana, aloha sy aorian’ny fivoriana. Makà zavatra vita an-tsoratra ampy ho fanombohana ny volana ary avy eo dia makà izay ilainao rehefa tapitra ny tany aminao.

6 Hisy vidiny indrindra ireo bokintsika rehefa eny am-pelatanan’ny olona mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra misy ny fahamarinana. Enga anie isika rehetra haneho fahendrena sy fahamalinana eo amin’ny fampiasana izay omena antsika, ka hampiseho amin’izany fa mankasitraka tokoa ireo bokintsika isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara