Ny fandaharana amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona
Fizarana faha-5: Ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny asa
1 Tokony ho mpampiely ny filazantsara sy ho mpampianatra ny mpiandraikitra ny asa. Manana anjara lehibe dia lehibe izy eo amin’ny fanampiana ny kongregasiona hanatanteraka ny andraikiny hitory sy hampianatra ny vaovao tsara ao amin’ny faritany nanendrena azy hiasany. (Marka 13:10, MN). Rehefa mandray ny andraikiny amim-pitandremana izy ka manaraka ny toromarika omeny ny tsirairay dia hamboly fahakingana lehibe kokoa ireo mpitory eo amin’ny fampisehoana ny vaovao tsara ary ho voasa amin’ny fomba feno kokoa ny faritany.
2 Mifantoka amin’ny fandrisihana ny hisian’ny fanaovan-javatra betsaka kokoa eo amin’ny asa fanompoana ny mpiandraikitra ny asa. Atao voalohany indrindra amin’ny alalan’ny Fianarana ny bokin’ny kongregasiona izany. Mazàna dia tendrena ho mpitarika fianarana boky iray ny mpiandraikitra ny asa, nefa indray mandeha isam-bolana ny mpanampy azy dia afaka misolo toerana azy rehefa mitsidika antokon’olona miara-manao fianarana ny bokin’ny kongregasiona hafa izy. — kmMG 2/82 p. 3.
3 Fiomanana ho amin’ny fitsidihany: Alohan’ilay herinandron’io fitsidihana io ilay mpiandraikitra ny asa dia tokony hijery ireo karatra tahirizin’ny kongregasiona momba ny asan’ireo mpitory ao amin’ilay antokon’olona. Tokony hanao fandaharana koa izy mba hihaonana amin’ilay mpitarika ilay fianarana ny boky ary hijery indray ny asan’ireo mpitory notendrena ho anisan’io antokon’olona io. Afaka mampahafantatra an’ilay mpiandraikitra ny asa ny amin’izay zava-manahirana mifandray amin’ny fanompoana rehetra na momba ireo zavatra ilaina izay tsy hahariharin’ireo karatra momba ny asa, ilay mpitarika. Tokony hampahatsiahivina ilay mpitarika ny fianarana fa tsy haharitra afa-tsy 45 minitra monja ny fianarana mba hanaovan’ilay mpiandraikitra ny asa lahateny momba ny asa iray haharitra 15 minitra.
4 Ny zava-kendren’io lahateny io dia ny hampirisika ny fananana fankasitrahana betsaka kokoa ho an’ny fanompoana. Raha mila fanampiana amin’ny lafiny sasany amin’ny fanompoana ireo mpitory, dia tokony hanome fanoloran-kevitra azo ampiharina mba hihatsaran’izy ireo ny mpiandraikitra ny asa. Tokony hanorina sy hampirisika ireo fanamarihana ataony mba tsy hahamenatra na hanakivy na iza na iza amin’ny teny tsy manorina hataony. Ho very maina foana ny zava-kendren’ny fitsidihany amin’ny fanaovana toy izany. Tokony hampirisika ny rehetra hihatsara ny lahateniny.
5 Miezaka mba hampiseho fiheverana manokana ny rahalahy sy anabavy betsaka araka izay amelan’ny fandaharam-potoanany hanao izany ny mpiandraikitra ny asa. Afaka mifanao fotoana mba hiaraha-miasa amin’ny olona samihafa eo amin’ny fanompoana izy. Eo am-piarahany miasa isan-trano amin’ireo mpitory dia azony atao ny manome fanoloran-kevitra mahasoa iray na roa momba ny fomba hanatsarana ny fampisehoany. Tsy tokony hatao amin’ny fomba manakiana izany fa amin’ny faniriana feno fahatsoram-po ny hanampy. Azony atao koa ny manolotra ny hiaraka amin’ireo mpitory any amin’ny fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly tarihin’izy ireo. Raha misy ao amin’ilay antokon’olona hita fa mila fanampiana eo amin’ny lafiny manokana, dia azony atao ny manao fitsidihana fiandrasana any aminy mandritra io herinandro io mba hanampiana azy ireo. Aorian’izany, dia afaka mampahafantatra an’ilay mpitarika ny amin’ireo fanoloran-kevitra nomeny izy. Ny fampisehoana fiheverana feno hafanam-po sy eo amin’ny lafiny manokana toy izany dia nandrisika ny sasany izay nampihena ny asany teo amin’ny fanompoana.
6 Fivoriana ho amin’ny fanompoana: Ireo fivoriana ho amin’ny asa fanompoana amin’io herinandro io dia tokony hotarihin’ilay mpiandraikitra ny asa. Tokony hatomboka ara-potoana izany na dia vitsy ihany aza no eo. Tsy tokony haharitra mihoatra ny 10 na 15 minitra izany fivoriana izany. Azo atao ny manao na tsy manao ny teny natao hovakina amin’ny andro. Alohan’ny hampandehanana ilay antokon’olona, dia tokony ho fantatry ny rehetra hoe aiza no hiasany sy hoe iza no hiara-miasa aminy. (1 Kor. 14:33, 40). Tokony hampirisika ny rehetra handeha hanao ny asa fanompoana tsy misy hataka andro ny mpiandraikitra ny asa.
7 Afaka ny ho fitahiana tokoa ho an’ny kongregasiona ireo fitsidihana tsy tapaka ataon’ny mpiandraikitra ny asa amin’ireo antokon’olona miara-manao fianarana ny boky. Rehefa manaraka ny toromarika omeny ny tsirairay avy amintsika rehefa mitsidika izy, dia hilamina sy handaitra ny fanompoantsika. Fanampin’izany, dia hahita fifaliana eo am-panaovana ny asany izy. (Heb. 13:17). Ho voangona ireo olona oharina amin’ny ondry, ary isika dia hahazo ny fifaliana mahafantatra fa nanatanteraka ny asa nasaina hataontsika hitory amin’izay rehetra hihaino isika. — Isaia 61:1, 2; Ezek. 9:11; Jaona 17:26.