Ekeo ny andraikitra hanao fiverenana mitsidika
1 Misy antony manosika maro handraisana anjara amin’ny asa fanaovana fiverenana mitsidika amin’ny fomba feno araka izay azo atao. Tiantsika ny hanatanteraka amin’ny fomba feno ilay asa izay nomena hataontsika, toy ny nataon’i Paoly. (Asan’ny apostoly 20:21, 24, MN). Raha manao zavatra amin’ny fomba feno isika ka miverina mitsidika ireo olona liana rehetra, dia hihazona fieritreretana tsara eo am-piezahana hanatanteraka ny fanompoantsika amin’ny fomba feno. — 2 Tim. 4:5, MN.
2 Mahatonga antsika ho tompon’andraikitra ny fahalalana: Ny fisian’ny ain’olona tandindomin-doza dia tokony hanosika antsika hiezaka amim-pitandremana eo amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika. (Jaona 17:3). Ny fahalalantsika momba ny fitsaran’i Jehovah sy ny fahakekezan’ny Haramagedona dia tokony hanosika antsika, tsy hampitandrina ireo ratsy fanahy fotsiny, fa hanampy koa ireo izay ‘misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ambonin’ny tany’. (Ezek. 9:4). Mila ny hoentina mba hifanerasera amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso izy ireo.
3 Mila fanampiana ny olona mba hahatakarany ny fahamarinana araka ny marina. (Asan’ny apostoly 8:30, 31; 18:26). Izany dia antony iray hafa hahatonga antsika hanaiky ny andraikitra hiverina sy ‘hanondraka’ ireo voan’ny fahamarinana nafafy. Fandrosoana ara-panahy firy no ho vitan’ny tenantsika manokana raha tsy nisy olona niverimberina nitsidika antsika mba hanampiana antsika hahazo fahalalana araka ny marina momba an’i Jehovah sy ny Fikasany mahatalanjona? — Matio 7:12.
4 Manehoa fitiavana sy zotom-po: Fomba tsara dia tsara hanehoana ny fitiavantsika ny olona ny fanaovana fiverenana mitsidika. Hoy ny rahalahy jamba iray mpitory maharitra mandavantaona: “Hatramin’ny nanaovana batisa ahy, ny faniriako dia ny hilaza amin’ny hafa momba izay nianarako avy tao amin’ny Baiboly. Faly aho fa tsy nanakana ahy tsy hanao izany ny kilemako. (...) Nianatra ny hihazona fitadidiana an-tsaina ny trano tsirairay teo amin’ireo arabe aho, ka tamin’izany fomba izany, dia afaka nanao fiverenana mitsidika tany amin’ireo olona liana amin’ny fampianarana Baiboly.” Tena afaka mahita marina amin’ny fony io rahalahy jamba io, ary tsy miahotra hanao fiverenana mitsidika sy haneho ny fitiavany kristiana amin’ny hafa.
5 Rehefa manao fiverenana mitsidika isika dia manana fahafahana hampiasa tsara ny Baiboly sy hanome ny anton’ny fanantenana ao anatintsika. (1 Pet. 3:15). Tsy vitan’ny hoe manampy ilay tompon-trano izany fa mampirehitra ny zotom-pontsika sy ny fankasitrahantsika ny fahamarinana koa. Mitondra fifaliana izay tsy azo avy amin’ny fomba hafa ny fanaovana fiverenana mitsidika. Ary tsy voatery hihena velively ny hatsaran’izany fifaliana izany. Azo havaozina tsy tapaka izy io amin’ny fanaovantsika fiverenana mitsidika amin-jotom-po. — Ohab. 10:22.
6 Tsy maintsy raisintsika ho zava-dehibe ny andraikitsika hanao fiverenana mitsidika. Tsy mihazona izay tsara ho an’ny tenany ka hoe tsy mizara izany amin’ny hafa ny vahoakan’i Jehovah, araka ny hita amin’ny asa nataontsika maneran-tany nandritra ny taom-piasana 1991. (Ohab. 3:27). Nanao fiverenana mitsidika 344 926 952 isika ary nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano 3 947 261. Nisy mpianatra vaovao 300 945 nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa. Io fitomboana mahatalanjona io dia tsy ho nitranga mihitsy raha tsy noho ny fahavononantsika hanaiky ny andraikitra hanao fiverenana mitsidika. — 1 Tes. 2:8.