Ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika — Zava-tsarotra Tsy Maintsy Resena
1 Amin’ny maha-mpitory ilay vaovao tsara antsika, isika dia nomena baiko mba hanao mpianatra. (Matio 28:19, 20). Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana fiverenana mitsidika. Moa ve ianao manana fomba fijery manorina momba io tapany lehibe dia lehibe amin’ny fanompoantsika kristiana io? Mety ho zava-tsarotra tsy maintsy resena, nefa mandrisika, ny fahatongavana ho kinga amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika. — Ohab. 22:29, NW.
2 Ny Kristiana nanolo-tena tsirairay dia tokony hahatsapa ny andraikitra handray anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra. Izany dia mety hitaky ny hanilihantsika ny zavatra sasantsasany mampiadana antsika mba hizarana amin’ny hafa ny fanantenana momba ilay Fanjakana. Manome antsika fahafahana hanampy ireo olona tso-po hahazo fahafaham-po amin’ireo zavatra ilainy ara-panahy, ny fiverenana mitsidika.
3 Kolokoloy ny fahalianana hita rehetra: Tokony hiverenana hotsidihina ireo rehetra maneho fahalianana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, na dia mety handa ireo zavatra vita an-tsoratra atolotsika aza izy ireny. Misy olona maro maneho fahalianana amin’ny fisehoana ho vonona ny hiara-miresaka momba ny foto-kevitra ara-baiboly amintsika. I Jesosy sy ireo apostoly dia nampiseho ny fomba azo anolokoloana ny fahalianan’ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, amin’ny fampandraisana anjara an’ilay olona amin’ny resaka ara-baiboly mivantana tsara. — Marka 10:21; Asa. 2:37-41.
4 Tokony ho ny fanombohana fampianarana Baiboly no ho zava-kendrentsika amin’ny fiverenana hitsidika ireo olona. Mety ho afaka hampiseho amin’ilay tompon-trano ny fomba itarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano, isika. Afaka matoky ianao fa hamaly ny vavaka ataonao mba hahazoana fanampiana mba hahita olona tso-po iray hampianarinao, i Jehovah. Hitahy ireo ezaka amin-jotom-po ataonao eo amin’ny fanompoana azy izy. Nahoana ianao raha mangataka ny fanampian’i Jehovah ary hanao ho zava-kendrena ny fanombohana fampianarana Baiboly iray?
5 Ampiasao tsara ireo taratasy mivalona: Azo ampiasaina amin’ny fomba mandaitra mba hanombohana fampianarana Baiboly ireo taratasy mivalona. Maro no afaka nanombo-dresaka tamin’ny firesahana fotsiny momba ilay sary eo amin’ny fonony. Miaraha mamaky fehintsoratra iray amin’ilay tompon-trano isaky ny mitsidika azy. Rehefa misy fanontaniana, dia miatoa ary asao ilay tompon-trano hilaza ny heviny. Jereo ireo andinin-teny ary asehoy ny fomba ifandraisany amin’ny foto-kevitra. Amin’izay ilay resaka dia azo tarihina ho amin’ilay zavatra vita an-tsoratra azo anaovana ilay fianarana.
6 Ampiasao ny boky Fanjohian-kevitra: Azo atao ny manao fiverenana mitsidika mandaitra amin’ny alalan’ny boky Fanjohian-kevitra. Ny fijerena indray ny lisitr’ireo foto-kevitra lehibe indrindra na ny fizaham-pejy dia afaka manampy anao hifidy fanazavana mifanentana tsara, mba horesahina rehefa manohy ireo resaka teo aloha ianao. Ilay fizarana hoe “Andinin-teny ao amin’ny Baiboly matetika no tsy azo ny heviny” dia afaka manampy mba hamaliana ireo fanoherana mety hipoitra. Misy mpisava lalana milaza fa mahavita manomboka fampianarana Baiboly amim-pahombiazana izy ireo, amin’ny fampiasana fanazavana toy izay hita eo amin’ny pejy faha-423 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo ambanin’ny hoe “Ahoana no ahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanazavany ny Soratra Masina?” Asehon’izy ireo amin’ilay olona liana fa mamela ny Baiboly hanome ny fanazavana avy ao anatiny ihany, isika. Mahomby tsara izany ary efa nitarika ho amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly maromaro.
7 Toa an’i Jesosy sy ireo apostoly, dia mila ny maneho fiheverana amim-pahatsorana an’ireo ondrin’i Jehovah isika. (Lioka 9:11). Ny fitiavantsika ireo olona dia hanampy antsika hanao ezaka mba hitondra ireo fahamarinana momba ilay Fanjakana any amin’izy ireny. (2 Kor. 2:17). Rehefa mihevitra kokoa ny haneho fahafoizan-tena isika, mba hahasoa ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia afaka mandresy ilay zava-tsarotra hanao fiverenana mitsidika.