Aoka isika hanolokolo ny fahalianan’ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana
1 Efa nisy fotoana sasantsasany lasa — angamba andro iray na roa, angamba herinandro — hatramin’ny niresahanao farany tamin’ny olona iray nampiseho fahalianana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Na nandray zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly izy na tsia, dia zava-dehibe ny hanolokoloana izay fahalianana niseho rehetra, haingana araka izay azo atao.
2 Jereo ireo fandraisana an-tsoratra nataonao tamim-pitandremana taorian’ilay fitsidihana voalohany. Avy eo, rehefa manamboatra ny kitapo fitondranao mitory ianao, dia aza hadinoina ny mampiditra iray amin’ilay zavatra vita an-tsoratra napetrakao, mba hahafahanao hampiasa azy io mandritra ilay fiverenana mitsidika.
Raha ny bokikely “Indro” no napetrakao, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Faly aho mahita anao indray. Fony isika niresaka farany, dia nasehoko anao ny fonon’ity bokikely ity, ary namaky andinin-teny iray avy ao amin’ny Baiboly isika mba hanaporofoana fa, amin’ny alalan’ny Fanjakany, Andriamanitra dia hanome fonenana sy asa ho an’ny rehetra. Andriamanitra koa anefa dia nampanantena ny hamarana ny aretina, ny fahanterana ary na dia ny fahafatesana mihitsy aza. Hitanao fa sarotra inoana ve izany? [Avelao hamaly ilay tompon-trano.] Mariho ange ity hevitra ity e, hita eo amin’ny fehintsoratra faha-4 amin’ilay bokikely napetrako taminao.” Vakio ilay fehintsoratra, ary diniho ny andinin-teny iray na roa voatonona eo amin’ny faran’ilay pejy. Fampianarana Baiboly iray no natomboka!
3 Mba hanomanana ny lalana ho amin’ny fitsidihana manaraka, dia azonao atao ny mamarana ilay fifampiresahana amin’ny filazana hoe:
◼ “Mazava ho azy fa izay rehetra nodinihintsika teo dia ao anatin’ny Baiboly, kanefa olona maro no manontany tena raha tena afaka mino izay lazain’ny Baiboly marina izy ireo. Amin’ny fahatongavako manaraka, dia ho tiako ny haka minitra vitsivitsy mba hiarahana handinika io fotokevitra io aminao.” Rehefa miverina hitsidika azy ianao mba hanolokoloana ny fahalianany, dia atombohy eo amin’ny lohatenikely hoe “Ilay boky miresaka ny amin’ny Paradisa”, manomboka eo amin’ny fehintsoratra faha-5 amin’ilay bokikely, ny fifanakalozan-kevitra.
4 Any amin’ny faritany izay tsy ametrahana zavatra vita an-tsoratra firy: Azo atao ny mampiasa ny fomba fampiseho mahazatra rehefa mitsidika olona izay nampiseho fahalianana kanefa tsy nandray zavatra vita an-tsoratra. Azonao atao ny miresaka momba ilay bokikely natolotrao nandritra ilay resaka nifanaovana teo aloha. Mety hilaina ny hanaovana fitsidihana imbetsaka ka tsy hampiasa afa-tsy ny Baiboly sy ny bokikelinao manokana, alohan’ny haneken’ilay tompon-trano handray bokikely iray ho an’ny tenany.
5 Azo atao ny manomana fiverenana mitsidika tsara dia tsara izay hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny bokikely Fitondram-panjakana, amin’ny fampiasana ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-255-257 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Azo atao koa ny manomboka fampianarana Baiboly amin’ny fanaovana ny fanontaniana hoe: “Fantatrao ve fa manolotra fanantenana roa ny Baiboly? Ny iray amin’izany dia ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Ity bokikely ity dia manazava ny fomba hetezan’izany.” Avy eo dia sokafy eo amin’ny pejy faha-15 ilay bokikely, ary vakio ireo andinin-teny telo voalaza eo.
6 Raha nahapetraka gazety roa, na boky iray, na bokikely iray, ianao, na nanao resaka ara-baiboly nahaliana, dia manana andraikitra hanolokolo izany fahalianana izany. Mampirisika anareo rehetra izahay mba hanokana fotoana mandritra ny volana Jolay handraisana anjara amin’io asa famonjena aina io. — 1 Tim. 4:16.