Mianara Fampidiran-dresaka Manosika ny Olona Hanao Zavatra
1 Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia samy mahasoa mba hambolena ireo voan’ny fahamarinana ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo mpamaky. Noho izany, isika dia maniry ny hianatra fomba mandaitra mba hahatongavan’ireo gazety ireo any an-tokantranon’ny olona izay handray soa avy amin’ireo vatosoa ara-panahy ao anatiny.
2 Ahoana no azo anomezana antony hanosika an’ireo tompon-trano handray sy hamaky ireo gazetintsika? Izany dia miankina be dia be amin’ny fomba anolorantsika azy ireo. Misy fanipazan-kevitra faran’izay tsara mba hanomanana fampidiran-dresaka mandaitra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-9-15.
3 Rehefa manolotra Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra ianao, dia ho azonao andramana ny hampiasa ny fanipazan-kevitra fahatelo eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Zava-mitranga” eo amin’ny pejy faha-14-15 amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
Rehefa avy nitonona ianao, dia afaka milaza hoe:
◼ “Raha afaka nifidy ianao, iza amin’ireo zava-manahirana maro atrehin’izao tontolo izao no ho tianao ho voahitsy voalohany?” Henoy ny valin-tenin’ilay tompon-trano ary asehoy fa azonao ny fanahiany. Avy eo dia afaka manohy toy izao ianao: “Diniho izay atolotry ny Baiboly ho vahaolana amin’ireo zava-manahirana ireo. [Vakio Isaia 9:5, 6.] Koa ny tena vahaolana ho an’ny zava-manahirana rehetra ny olombelona àry dia ny fanapahana ara-drarin’ny Mesia, izany hoe Jesosy Kristy.” Avy eo dia sokafy eo amin’ny pejy faha-8 ilay gazety ary sariho ho amin’ireo fehintsoratra telo farany amin’ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny Mesia — Fanantenana Tena Izy Ve?” ny sain’ilay olona.
4 Ny fampidiran-dresaka roa hafa azonao ampiasaina miaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra dia hita eo amin’ny pejy faha-10 amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Asa/Fonenana”. Afaka milaza ireo hevitra sy fanontaniana ireo amin’ny fomba fiteninao manokana ianao na hamerina fotsiny izay voalaza ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Rehefa avy nampiseho ianao fa azonao ny valin-tenin’ilay olona, dia tohizo ny resaka amin’ny fampisehoana aminy ilay fanamarihana mahaliana eo amin’ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-4 eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Tsy misy vahaolana ve?” Avy eo, amin’ny famakiana ny Isaia 65:21-23, dia asehoy ireo fitahiana hoentin’ny fanapahan’ny Mesia.
5 Azo inoana fa hisy tompon-trano hilaza aminao fa manana ny gazetiny ara-pivavahana manokana izy ireo. Afaka manazava aminy ianao fa manana ireo zavatra vita an-tsoratra manokana natao hampiasaintsika koa isika (toy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana); kanefa, ny gazetintsika dia vakin’olona an-tapitrisany maro izay tsy Vavolombelon’i Jehovah.
6 Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 3:6: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.” Raha tiantsika ny hanaovan’i Jehovah izay hitomboan’ireo voan’ny fahamarinana ao am-pon’ireo olona liana, dia tokony hanisy fiheverana ny amin’ny fambolena ireo voa ireo amin’ny fomba mandaitra isika amin’ny fampiasana fampidiran-dresaka manosika ny olona hanao zavatra.