FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/92 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Novambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 2 Novambra
  • Herinandron’ny 9 Novambra
  • Herinandron’ny 16 Novambra
  • Herinandron’ny 23 Novambra
  • Herinandron’ny 30 Novambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 11/92 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Novambra

Herinandron’ny 2 Novambra

Hira 49, Hira 52

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Anaovy teny fiderana ireo mpitory noho ny anjara raisiny eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Manolora hevitra azo resahina avy amin’ireo gazety farany mba hampiasaina eo amin’ny faritany eo an-toerana.

15 min: “Fanolorana ny Boky Fahatanoranao Amin’ny Novambra”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.

20 min: “Apetraho ny Fototra Amin’ny Fitsidihanao Voalohany”. Ilay rahalahy manao ity anjara ity dia mampiditra fampisehoana telo ampiasana ny iray amin’ireo fampidiran-dresaka roa voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3 ka ampiharana ny tsirairay avy amin’ireo hevitra atolotra eo amin’ny fehintsoratra faha-4 sy faha-5.

Herinandron’ny 9 Novambra

Hira 141, Hira 27

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Vaovao Teokratika.

15 min: “Manaraka Toromarika ve Ianao?” Lahateny ataon’ny mpiandraikitra prezidà, miorina amin’ny lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Janoary 1991, pejy 30-31. Tokony hampiharina eo an-toerana ireto hevitra voafaritra tsara ireto: filazana ny fotoana lany teny amin’ny asa fanompoana, fanadiovana ny Efitrano Fanjakana, fahatongavana ara-potoana amin’ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana, fanaraha-maso ny zanaky ny tena any amin’ny Efitrano Fanjakana, sy ny sisa. Manaova teny fiderana rehefa mety izany, ary ampio ny rehetra hahita fa, rehefa manaraka toromarika ny tsirairay, dia mandray soa ny kongregasiona manontolo ary manjary mihamora ny asan’ireo mpikarakara voatendry.

10 min: “Manaova ny Asan’ny Mpisava Lalana Mpanampy Amin’ny Desambra”. Velabelaro amin-kafanam-po sy risi-po amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ilay fanazavana. Ampahafantaro ny amin’ny fandaharana eo an-toerana ho amin’ny asa fanompoana sy ireo fandaharana manokana hatao ho an’ireo antokona mpitory betsaka kokoa amin’ny Desambra.

15 min: “Mihevitra Ireo Bokintsika ho Sarobidy ve Ianao?” Lahateny mampahery.

Herinandron’ny 16 Novambra

Hira 179, Hira 198

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana, anisan’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ireo fanomezana voaray. Anaovy teny fiderana feno hafanam-po ny kongregasiona noho ny fanohanany ara-bola ny kongregasiona sy ny Famoriam-bolan’ny Fikambanana ho Amin’ny Fanamboarana Efitrano Fanjakana ary ny asan’ny Fikambanana maneran-tany. Lazao ireo fandaharana manokana ho an’ny asa fanompoana mandritra ny vanim-potoanan’ny fety, rehefa mety izany. Ireo ray aman-dreny dia tokony hanomana indrindra ireo zanany mbola mankany an-tsekoly mba hiatrika ireo fanontaniana mifandray amin’ny vanin-taonan’ny fety, amin’ny fampiasana ny pejy faha-14-18 amin’ny bokikely Sekoly.

20 min: “Ny Fomba Hanolokoloana ny Fahalianana”. Lahateny sy fampisehoana, hataon’ny mpiandraikitra ny asa. Asehoy ao amin’ireo fampisehoana ireo fomba fanaovan-javatra voasoritra eo amin’ny fehintsoratra faha-5 sy faha-6. Hazòny ho tsotra sy ho mora arahina ireo fampisehoana.

10 min: “Mifidiana Hevitra Azo Resahina Mifanentana Tsara”. Resaka ifanaovan’ny mpivady miomana ho amin’ny asa fanompoana.

Herinandron’ny 23 Novambra

Hira 54, Hira 24

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manolora fampisehoana iray ny amin’ny fomba azo ampiasana hevitra iray azo resahina ao amin’ny gazety farany, amin’izao faran’ny herinandro izao. Ampiasao ireo fanoloran-kevitra nomena tamin’ny Fivoriana Momba ny Asa tamin’ny herinandro lasa.

20 min: “Inona avy no Zava-kendrenao Ara-panahy?” (Jereo omMG p. 116-118.) Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fanadinadinana mpitory iray na roa izay manana zava-kendrena ara-panahy sy miezaka hanatratra izany. Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny hananan’ny tsirairay zava-kendrena ara-panahy.

15 min: Ny Antony Tsy Ankalazantsika ny Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana. Resaka ifanaovan’ny loholona iray sy ny ankizilahy iray kamboty ray, mbola tsy ampy telo ambin’ny folo taona ary ohatra tsara. Manatona ilay loholona ilay ankizilahy mba hangataka ny fanampiany raha ny amin’ny fomba handresena ny faneren’ireo mitovy taona aminy mba hanatrika lanonana iray ho fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Fantany fa tsy mety izany, kanefa maniry ny ho afaka ny hanazava izany amin’ny fomba mazava amin’ny hafa izy. Miara-mijery aminy indray amin-katsaram-panahy sy amin’ny fomba fiteny tsotra ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-30-31 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1992 sy eo amin’ny pejy faha-257-259 amin’ny boky Fanjohian-kevitra ilay loholona.

Herinandron’ny 30 Novambra

Hira 104, Hira 4

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

20 min: Fampiasana ny Boky Lehilahy Niavaka mba Hampamirapiratana ny Fahazavantsika Amin’ny Desambra. Lahateny arahina fampisehoana. Ampirisiho ny rehetra mba hitadidy tsara ao an-tsaina hevitra azo ampiasaina amin’ny asa fanompoana. Manolora hevitra azo resahina miorina amin’ireo toko nodinihina tany amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona taloha kokoa tamin’ny volana.

15 min: Fandinihana ny Deoteronomia 22:5, tarihin’ny loholona iray: “Rehefa jerena amin’ny voasoratra ao amin’io andinin-teny io, mety ve ny hanaovan’ny vehivavy kristiana pataloa?” (Fandinihana ny valin’io fanontaniana io, araka ny hita ao amin’ny wMG 15/11/84 p. 10-11; raha azo atao, dia jereo koa gF 8/12/76 p. 26. Raha tsy manana ireo gazety ireo ianareo, dia afaka mijery ny wMG 15/5/73.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara