Mifidiana Hevitra Azo Resahina Mifanentana Tsara
1 Inona no azontsika atao mba hampirisihana ny olona hamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!? Mila ny manana hevitra azo resahina mahaliana isika rehefa manolotra ireo gazety ireo amin’ny hafa. Raha efa nanjary nahafantatra tsara ireo olona eo amin’ny faritanintsika isika ka mitadidy azy ireo ao an-tsaina rehefa mamaky ireo gazety, dia afaka mitady hevitra azo resahina mba hisarihana ny fahalianany.
2 Any amin’ny faritra sasany, dia mety hitovy fiaviana ireo olona, ka izany dia mahamora aoka izany ny fanamarihana zavatra iray izay hahaliana ny ankamaroan’izy ireo. Fa any amin’ny faritra hafa kosa, dia mety hahita olona avy amin’ny fiaviana maro samy hafa isika. Raha mitadidy hevitra azo resahina maromaro ao an-tsaina isika, dia afaka mifidy iray izay hety tsara indrindra amin’ny olona tsirairay ho hitantsika.
3 Aza maika manilika ireo gazety taloha rehefa mahazo ireo nomerao vaovao ianao. Misy rahalahy iray mampiseho nomerao telo na efatra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny tompon-trano ary mamela azy hifidy izay tiany hovakina. Raha hitantsika fa betsaka kokoa noho izay azontsika apetraka ireo gazetintsika, dia tokony hieritreritra ny hanitsy ny fanafarantsika isika.
4 Amin’ny fananana foana hevitra azo resahina mifanentana tsara, dia mety hanosika ny hafa hamaky ireo gazetintsika isika ary angamba hahatonga azy ireo hiditra eo amin’ny lalan’ny fiainana. (Matio 7:14). Raha manisy fiheverana amim-pitandremana an’io raharaha lehibe io isika, dia afaka matoky ny fitahian’i Jehovah.