Fanombohana Fampianarana Baiboly Mandritra ny Desambra
1 Nandidy ny mpianany mba ho mpampianatra ny vaovao tsara i Jesosy. (Matio 28: 19, 20). Ny fomba lehibe indrindra ampianarana ny hafa dia amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly miaraka aminy. Mandray anjara amin’io asa io ve ianao? Raha tsia, ahoana no ahafahanao manomboka fampianarana iray, ka hahita fifaliana amin’ny fandraisana anjara bebe kokoa amin’ny fampianarana ny hafa?
2 Angamba isika nanome an’ilay tompon-trano taratasy mivalona iray ary nampanantena ny hiverina mba hiara-mandinika ny ao anatiny aminy.
Rehefa miverina mitsidika tompon-trano izay nametrahantsika ilay taratasy mivalona hoe “Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?” isika, dia ho azontsika atao ny hilaza toy izao:
◼ “Rehefa nitsidika anao aho andro vitsivitsy lasa izay, dia niara-nandinika ny amin’ny maha-maika ny fotoana misy antsika isika sy ny hoe nilazalaza tsy nisy diso ireo toe-piainana misy amin’izao androntsika izao i Jesosy. Ho tiako ny handany minitra vitsivitsy ka handinika fohy fanazavana sasantsasany avy amin’ilay taratasy mivalona navelako taminao. Mariho ange izay ambara eo ambanin’ilay lohatenikely hoe ‘Ilay Famantarana’ e.” Avadiho eo amin’ny pejy faha-3 ilay taratasy mivalona, ary iaraho mandinika ireo fehintsoratra roa na telo voalohany eo ambanin’izany lohatenikely izany, amin’ny famakiana ireo andinin-teny voasoratra araka ny amelan’ny fotoana izany. Hamafiso ny fomba ahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao. Manaova fiomanana mba hiverina sy handinika ireo fehintsoratra hafa eo ambanin’io lohatenikely io. Ampirisiho ilay tompon-trano mba hamaky izany alohan’ny hiverenanao.
3 Na ho azonao atao ny hilaza toy izao:
◼ “Tamin’ny resaka nataontsika farany, dia nametraka taminao ilay taratasy mivalona mitondra ny lohateny hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? aho. Tamin’izay isika dia niresaka momba ny anjara asan’i Jesosy Kristy eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao. Vakintsika ny teniny voasoratra ao amin’ny Baiboly eo amin’ny Jaona 17:3. [Vakio.] Koa satria tena zava-dehibe ny ianarantsika momba an’Andriamanitra sy momba an’i Jesosy raha maniry hiaina mandrakizay isika, dia mendrika ny hanaovantsika izay azontsika atao ny fahazoana fahalalana toy izany. Fony i Jesosy teto an-tany, dia nanome taratr’ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra maro izy. Moa ve tsy ara-dalàna ny hinoana fa arakaraka ny ahafantarantsika betsaka momba an’i Jesosy sy ny fanompoany, no hahabetsaka koa ny fahalalantsika ny Rainy? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’itỳ boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany itỳ.” Vakio ny fehintsoratra voalohany sy faharoa eo amin’ny pejy faha-10 ao amin’ny toko faha-116. Antitrantero fa io boky io dia mirakitra ny fanazavana rehetra ao amin’ny fitantaran’ireo Filazantsara efatra momba an’i Jesosy, ary mametraka izany fanazavana izany milahatra araka ny fotoana nitrangan’ireo fisehoan-javatra. Mariho ireo lohatenin’ny toko voafaritra tsara sy ireo sary ary ny sarintany eo amin’ny fiantombohan’ilay boky. Raha liana amim-pahatsorana ilay olona, dia atolory azy amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 3 000 FMG ilay boky.
4 Rehefa avy niarahaba tompon-trano iray izay nandray ilay boky hoe “Lehilahy Niavaka” ianao, dia ho azonao atao ny hilaza toy izao:
◼ “Araka ny nolazaiko taminao tamin’ny fitsidihako teo aloha, dia natao hianarana ny Baiboly ny boky hoe Lehilahy Niavaka. Ho tiako ny hampiseho fohy aminao hoe ahoana no azo ampiasana azy io amin’ny fomba mandaitra indrindra.” Sokafy ilay boky ao amin’ny toko voalohany hoe “Hafatra avy any An-danitra”. Tariho ny sain’ilay tompon-trano ho amin’ireo fanontaniana voasoratra. Vakio ny fanontaniana voalohany, avy eo dia diniho ireo fehintsoratra fanokafana. Ampifandraiso amin’ilay sary eo amin’ny pejy faharoa. Diniho ireo fanontaniana sisa, ary amafiso ny valin-teny arakaraka ny amelan’ny fotoana izany. Alohan’ny hamaranana ny fitsidihana, dia manaova fandaminana mba hiverenana sy hanohizana ny resadresaka.
5 Amin’ny fihazonana fihetsika manorina sy amin’ny fiomanana tsara ary amin’ny fanararaotana ny fahafahana rehetra, dia ho ampy fitaovana tsara isika mba hanombohana fampianarana Baiboly mandritra ny Desambra.