Torio ny Lalan’Andriamanitra Momba ny Fiadanana sy ny Tsy Fananana Ahiahy
1 Nanolotra volavolan-kevitra maro mba hisian’ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy ny olona, kanefa tsy nisy na dia iray tamin’izany aza nahatanteraka izay tena ilain’ny olona maneran-tany. Ny fankahalana ara-pivavahana sy ara-pirazanana ary ara-pirenena, miaraka amin’ny fanirian-daza sy ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny lafiny ara-politika, dia toa miseho ho vato misakana lehibe ho amin’ny fisian’ny tontolo iray tsy misy ahiahy sy miadana. Ireo Kristiana marina anefa dia mahalala fa ny tena vato misakana dia i Satana Devoly sy ny tsy fetezan’ny olombelona hanaiky an’i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 127:1; Jer. 8:9; 1 Jaona 5:19.
2 Mandritra ny volana Janoary, dia hiezaka isika hanampy ireo mpiara-monina amintsika mba hahita fa ny lalan’Andriamanitra ho amin’ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy no hany lalana mitarika ho amin’izany. Hampiseho aminy koa isika fa i Jehovah dia manana ny fanafodiny farany ho an’ireo zava-manahirana ny olombelona rehetra.
3 Ampiasao ireo taratasy mivalona vaovao: Afaka mizara io hafatra mampahery io isika amin’ny fampiasana ireo taratasy mivalona vaovao izay natolotra antsika tamin’ny Fivoriamben’ny Distrikantsika “Ireo Mpitondra Fahazavana”. Nisy fampisehoana tsotra iray natao izay nampiseho ny fomba fampiasa ny Taratasy Mivalona N°19, Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo ity?, mba hanombohan-dresaka sy hitarihana ho amin’ny fampianarana Baiboly iray. Ny fahatanterahana manaitran’ny faminanian’i Jesosy momba ny faran’ity tontolo ity dia tokony hisarika ny sain’ny maro.
4 Manomboha fampianarana Baiboly: Azo atao ny manomboka fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny taratasy mivalona, bokikely, gazety na boky iray. Raha fantatrao fa efa manana iray amin’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika ilay tompon-trano, dia manipaza hevitra amim-pahaiza-mandanjalanja ny hampiseho ny fomba azo ampiasana azy io amin’ny fampianarana Baiboly iray. Ireo taratasy mivalona vaovao sy ilay bokikely vaovao hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? dia fitaovana faran’izay tsara azo ampiasaina mba hamantarana ny halalin’ny fahalianan’ny tompon-trano iray sy mba hanombohana fampianarana Baiboly. Fanampin’izany, ny boky rehetra navoakan’ny Fikambanana dia azo asongadina eny amin’ny fanompoana rehefa misy olona mampiseho fahalianana marina amin’ny fahamarinana. Raha manana ny boky Fiainam-pianakaviana, “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, Fahamarinana na Ny Fahatanoranao ao amin’ny tahiry ny kongregasionanareo, dia aoka ianareo hikasa ny hampiasa tsara azy ireo eo amin’ny fanompoana.
5 Tsy mety hisy tsy fananana ahiahy marina afa-tsy avy amin’ny Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra, ihany. Maniry ny hanampy olona betsaka araka izay azo atao isika hanokatra ny fony sy ny sainy amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hanaiky ilay fanantenana atolony antsika. Enga anie isika hampiasa tsara ireo fitaovana fampianarana ananantsika mba hitoriana ny lalan’Andriamanitra momba ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy. — Isaia 2:3, 4.