Fampiasana Taratasy Mivalona mba Hahitana Vokatra Mahasoa
1 Miavaka noho ny fampiasany taratasy mivalona amim-pahombiazana ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao. Ny anaran’ny fikambanantsika fotsiny hoe Watch Tower Bible and Tract Society, dia milaza fa mandray anjara lehibe dia lehibe eo amin’ny fanaparitahana ny vaovao tsara ny taratasy mivalona. Nanomboka tamin’ny 1881 ka hatramin’ny 1918, dia taratasy mivalona maherin’ny 300 tapitrisa no nozarain’ny vahoakan’i Jehovah. Maro amin’ireo izay nanjary anisan’ny sisa amin’ny rahalahin’i Kristy nandritra io fe-potoana io no nampahafantarina voalohany ny fahamarinana tamin’ny alalan’ireny taratasy mivalona voalohany ireny.
2 Tamin’ny 1987, dia nohavaozina indray ny fampiasana taratasy mivalona kely tamin’ny famoahana efatra miloko tanteraka izay azo nampiasaina hatramin’izay. Nambara tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” tamin’ity taona ity fa hitarina io fitohitohizana taratasy mivalona io amin’ny alalan’ny efatra hafa koa miloko sady mahatonga ny olona hieritreritra. Izany dia ny Fampiononana ho An’ireo Ketraka, Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity?, ary ny Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? Ho azontsika tsy ho ela ao amin’ny kongregasionantsika ireo taratasy mivalona ireo. Ataovy azo antoka ny hampiasa azy ireo.
3 Ahazoana vokatra tsara ny fampiasana ireo taratasy mivalona amim-pahombiazana. Hila ny hifankazatra tsara amin’ny tsirairay amin’izy ireo ny tenantsika. Rehefa mahazo azy ireo isika, dia hanontany tena hoe: Moa ve aho efa namaky azy ireo tamim-pitandremana mba hahazoako an-tsaina tsara izay velabelarin’ny tsirairay avy aminy? Moa ve aho nieritreritra ny amin’ny karazan’olona ho voasinton’ny tsirairay avy amin’ireo taratasy mivalona ireo? Ataovy izay hifankazaran’ny tenanao amin’ny fomba lalina amin’ny taratasy mivalona tsirairay. Izany dia hampiorina ny fatokian-tenanao eo amin’ny fampiasana azy eo amin’ny asa isan-trano, ary koa amin’ny tarehin-javatra maro anaovanao fanambarana tsy ara-potoana.
4 Fampiasana azy eo amin’ny fanompoana isan-trano: Milaza toy izao ny taratasin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “Mahita fahombiazana tsara aho amin’ny fanombohana ny ankamaroan’ireo resaka ataoko amin’ny alalan’ny taratasy mivalona iray.” Efa nampiasa izany fomba fanombohan-dresaka izany ve ianao? Nahoana raha mampiasa taratasy mivalona mba hampidirana ny resakao? Manana taratasy mivalona valo isika izao, ka noho izany dia manana fampidiran-dresaka mandrisika valo azontsika ifidianana. Manome antsika fahafahana hanomboka fampianarana Baiboly eo amin’ny fitsidihana voalohany na amin’ny fiverenana mitsidika ny taratasy mivalona tsirairay.
5 Misy fahafahana maro hafa azo ampiasana taratasy mivalona. Mandritra ny resaka ifanaovana eo am-baravaran’ny tompon-trano iray, dia mety hilaza izy fa vao avy namoy olon-tiana iray tamin’ny fahafatesana na koa fa marary ny mpianakaviny iray. Ireo olona ao anatin’ny alahelo mafy na miezaka hizaka zava-manahirana mitohy matetika dia manjary mahatsapa fihetseham-po tsy manorina ary lasa ketraka. Ho fanehoana fitiavana tokoa ny fizarantsika aminy ny hafatra mampahery hita ao amin’ilay taratasy mivalona Fampiononana ho An’ireo Ketraka! Mety hilazan’ilay olona ianao fa vao avy nisara-panambadiana na namoy ny asany izy. Mety hampihetsi-po mafy aoka izany ary hitondra enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana ny zavatra toy izany. Ampiasao ireo fanontaniana eo amin’ny pejy faha-2 amin’ilay taratasy mivalona Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana manao hoe: “Nahoana no tototry ny zava-manahirana lehibe toy izany ireo fianakaviana amin’izao andro izao? Ahoana no ahafahantsika mankafy ny fiainam-pianakaviana?” Angamba mibahana ao an-tsain’ilay olona mihitsy ireo fanontaniana ireo. Na dia tsy miseho ho liana avy hatrany aza izy, dia mety hamaky ilay taratasy mivalona any aoriana. — Mpit. 11:6.
6 Any amin’ny kongregasiona sasany, dia efa niasana matetika ny faritanin’izy ireo, ka olona maro no efa manana ny sasany amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika. Amin’ny fampiasana ireo taratasy mivalona, dia hanana fahafahana hiresaka momba ny zavatra mahaliana ireo tompon-trano isika sy hampiteny azy tsy amim-pihambahambana ary hahatonga azy hieritreritra momba ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana. Anaovy fanontaniana iray hosaintsaininy izy ka horesahina amin’ny manaraka. Ivereno tsidihina izy ary tohizo ny fanolokoloana izany fahalianana izany. Any aoriana, dia mety ho afaka hanomboka hiara-mianatra aminy isika amin’ny alalan’ny bokikely iray na ny boky iray efa ananany.
7 Ampiasao amin’ny fitoriana tsy ara-potoana ireo taratasy mivalona: Raha mametraka taratasy mivalona amin’ny toerana mora andraisana azy isika — ao anaty paosin’akanjo, paosim-palitao, poketra na kitapo fitondra mitory — dia afaka mampiasa azy ireo amin’ny toe-javatra maro samy hafa, any amin’izay rehetra mety hahitana olona. Ampiasao izy ireny rehefa miantsena, na manao dia, na miresaka amin’ny havana na ny mpitsidika, ianao. Manome antsika fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana ireo taratasy mivalona. Ny taratasy mivalona iray dia tsy hanototra ilay olona, fa mivantana sady feno fahaiza-mandanjalanja kosa. Eken’ny olona mora kokoa noho ny boky na ny gazety izy io, satria tsy dia be loatra ny hovakina ao anatiny.
8 Aoka ianao ho mailo hahita ireo fahafahana hanolotra ireo taratasy mivalona amin’ny toe-javatra tsy ara-potoana, na any am-pianarana izany na any amin’ny toeram-piasanao, any amin’ny trano fisakafoana, any amin’ny toerana fakana lasantsy, sy ny sisa. Rehefa handeha hitondra ny renibeny ho any amin’ny dokotera ny anabavy iray, dia tsy nanadino ny nitondra taratasy mivalona. Tany amin’ilay dokotera, dia nanomboka niresaka tamin’ny ramatoa iray bevohoka izy. Rehefa avy nampiseho ilay taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao Amin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ilay ramatoa ilay anabavy, dia nanontany hoe: “Ho tianao ve ny hitaiza ny zanakao ao amin’ny tontolo iray toy ny asehon’ity sary ity?” Afaka nanohy izany resaka izany izy tamin’ny fitsidihana ilay ramatoa tany an-tranony. Ary izany dia nitarika ho amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika maromaro.
9 Azo atao ny manomboka fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny taratasy mivalona: Nanao tatitra momba ny kongregasiona iray notsidihiny ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray. Nanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano 64 nandritra ilay herinandron’ny fitsidihany izy io. Izany dia vokatry ny fampiasan’ireo mpitory taratasy mivalona tamin’ny teny fiarahabany ny tompon-trano.
10 Efa nanandrana nanolotra fampianarana Baiboly tamin’ny fitsidihana voalohany tamin’ny fitoriana isan-trano ve ianao? Amin’ny fampiasana taratasy mivalona iray, dia mety ho afaka hampiseho vetivety ny fomba fitarihana fampianarana ianao. Nanao izany tamin’ny fampiasana ny taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao Amin’Izao Tontolo Izao Vaovao ny anabavy iray. Nanondro ilay sary izy ary nanontany an’ilay tompon-trano raha heveriny fa ho tonga toy ny asehon’io sary io ny tanintsika. Rehefa avy namaly ilay tompon-trano, dia nanasa azy hamaky ny 2 Petera 3:13 sy ny Isaia 65:17, izay samy asongadin’ilay taratasy mivalona, ilay anabavy. Avy eo, dia hoy ilay anabavintsika: “Ireo fampanantena ireo dia sady tsy nofinofy no tsy noforonin’ny saina fotsiny fa tena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.” Taorian’izay izy dia nanao fandaharana mba hanohizana ilay resaka ny herinandro nanaraka. Tamin’ny fitsidihany nanaraka, dia voavaly ny fanontaniana maromaro nataon’ilay ramatoa ary nametrahana ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany izy. Fampianarana Baiboly no vokatr’izany.
11 Moa ve ianao vao vita batisa na angamba mpitory tsy vita batisa izay miezaka hahazo fanandraman-javatra eo amin’ny fanompoana? Raha izany no izy, dia mety ho tianao ny hitady ireo izay za-draharaha kokoa, ka hangataka aminy fanipazan-kevitra momba ny fampiasana taratasy mivalona eny amin’ny faritanin’ny kongregasionanareo. Manana ohatra maro ao amin’ny Baiboly isika ny amin’ireo izay nahazo fampaherezana sy fitarihana avy tamin’ireo matotra tao amin’ny finoana. — Asa. 18:24-27; 1 Kor. 4:17.
12 Ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona indrindra no afaka manampy mba hisian’ny hafa hanampy anao eo amin’ny fampiasana taratasy mivalona amim-pahombiazana. Ireo ray aman-dreny dia manana ny andraikitra hanampy ny zanany handroso eo amin’ny asa fitoriana. Ny ankizy Vavolombelona iray dia nampiofanin’ny ray aman-dreniny hanolotra ilay taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao Amin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Rehefa nitarika fampianarana Baiboly iray ny reniny, dia nanolotra taratasy mivalona iray ho an’ny vadin’ilay ramatoa nianatra izy. Voatohina ilay rangahy noho ny fananan’ny tanora iray fiekena ara-pivavahana mafy toy izany. Nankafiziny aoka izany ny famakiana ilay taratasy mivalona. Isaky ny niverina niaraka tamin-dreniny ilay ankizivavy kely, dia nampiseho azy andinin-teny iray na tantara ara-baiboly iray efa nomaniny mialoha manokana ho an’ilay rangahy. Mamaky ireo gazety tsy tapaka izao izy io, nampiseho fahalianana tamin’ilay boky Fanambarana, ary efa namonjy fivoriana sasantsasany. Izany rehetra izany dia vokatry ny nakan’ireo ray aman-dreny fotoana mba hiantsorohana ny andraikiny hampianatra ny zanany vavy hampiasa tsara ireo taratasy mivalona.
13 Ampiasao amim-pahombiazana ireo taratasy mivalona vaovaontsika: Ho fampiasana ny taratasy mivalona Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, dia azonao atao ny mitonona sy manomboka ny resakao toy izao: “Manao ahoana, Tompoko. Miresaka amin’ny olona momba ny toetoetry ny fiainana amin’izao andro izao izahay. Heverinao ve fa hihatsara ny fiainana, sa hitohy hikororosy hatrany? [Avelao izy hamaly.] Misy mihevitra fa izay mitranga eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, ary koa fa efa akaiky ny faran’izao tontolo izao. Mitovy hevitra amin’izany ve ianao?” Rehefa avy mamaly ilay olona, dia atolory azy ilay taratasy mivalona ary sariho ho amin’ireo fanontaniana telo eo amin’ny fehintsoratra faharoa ny sainy. Avy eo, dia araho ny fizotran’ny famelabelaran’ilay taratasy mivalona mba hampisehoana fa efa nisy tontolo iray nifarana taloha ary koa fa hifarana koa ity tontolo misy antsika ity. Eo am-pifaranan’ilay fitsidihana, dia manaova fandaharana mba hisian’ny fitsidihana hafa iray handinihana ny porofo ara-baiboly fa efa akaiky ny faran’ity tontolo ity.
14 Imbetsaka isika no tsy afaka mizara ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny hafa afa-tsy vetivety ihany, toy ny any am-piasana na any an-tsekoly. Any amin’ny toeram-piasantsika, dia mety hipoitra ny resaka momba ny zava-nitranga vao haingana mahakasika ny fitondram-panjakana. Azonao atao ny manaiky fa, na dia eo aza ireo ezaka rehetra ataon’ireo mpitondra izay mety ho tsara fikasa, dia nijaly tsy nisy ohatra izany izao tontolo izao nandritra ny tantara manontolo. Avy eo, dia asehoy ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-3 amin’ilay taratasy mivalona Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity? Vakio ireo fanontaniana telo mahatonga hieritreritra hita ao. Raha tsy misy fotoana hanaovana resaka fohy, dia omeo ilay taratasy mivalona ilay (ireo) olona ary manaova fandaharana mba hiresahana momba ireo fanontaniana ireo amin’ny fotoana hafa na any amin’ny toerana hafa.
15 Ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia tokony haka fotoana handinihana ny fomba hanolorana ny tsirairay avy amin’ireo taratasy mivalona maro samy hafa ireo. Manaova fandaharana fanazaran-tena. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo taratasy mivalona miaraka amin’ireo zavatra hafa atolotra amin’ny volana eny amin’ny asa fanompoana? Aiza avy no halehanao ka azonao itondrana taratasy mivalona sasantsasany? Moa ve ianao amin’ity herinandro ity hifandray amin’ny olona izay handray soa avy amin’ny hafatra tena ilaina ankehitriny atolotr’ireo taratasy mivalona ireo?
16 Ny fitiavantsika lalina an’i Jehovah sy ny fiahiantsika ny olona dia hanosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao mba hampahafantatra ny vaovao tsara. Hanampy antsika hanao izany ny fampiasana taratasy mivalona tsy tapaka. Ny ankizilahy kely iray, fito taona, dia naniry hanampy ny mpifanila trano taminy hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao. Nanome azy io taratasy mivalona iray àry izy, ary dia natomboka ny fianarana Baiboly. Toa mora erỳ izy izany! Mankasitraka izany fomba fanombohan-dresaka tsotra izany ve anefa ianao eo amin’ny fanompoanao? Rehefa mamela taratasy mivalona iray amin’olona ianao amin’ny manaraka, dia mety hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly koa izany. Raha mampiasa tsara ireo taratasy mivalona mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika, dia azo antoka fa hahita vokatra mahasoa.