Afaka Manompo an’i Jehovah Amin’ny Maha-mpisava Lalana ve Ianao?
1 Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” tamin’ny herintaona, dia nanontany toy izao ny mpandahateny iray: “Afaka ny ho mpisava lalana ve ianao? Ho mpisava lalana ve ianao?” Nomarihiny fa mendrika ny hatao ireo fanontaniana ireo, satria efa tena antomotra izao Haramagedona, ka izany dia mahatonga ny asa fitoriana hilaina maika kokoa noho ny hatramin’izay. — 1 Kor. 7:29a, NW.
2 Tsy misy iadian-kevitra fa asa mafy ny asan’ny mpisava lalana. Mitaky fahaiza-mifehy tena sy fanaovana fandaminana tsara izy io. Kanefa “tsy foana tsy akory” ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana. (1 Kor. 15:58). Afaka milaza zavatra toy izany momba ny asa aman-draharaha hafa izay mety hofidintsika hatao ka mandany ny fotoanantsika sy ny herintsika ve isika? Ny fitiavana an’i Jehovah dia manery ireo Kristiana ho be zotom-po eo amin’ny fanompoany azy, ary ny zotom-po ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia nanosika ny maro tamin’izy ireo hanao ny asan’ny mpisava lalana. — 1 Jaona 5:3; Apok. 4:11.
3 Mpanompon’i Jehovah tanora maro vao avy nahavita ny fianarany tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa no mieritreritra amim-pitandremana ny hanao ny asan’ny mpisava lalana. Tena mety indrindra izany. Asa hafa inona no hety ho lehibe kokoa noho ny fanompoana manontolo andro? (Matio 6:33). Tsy maintsy torina ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tombontsoa toy inona moa izany hoe voatanan’izy io tanteraka hatramin’ny fahatanorana! — Matio 24:14, NW.
4 Moa ve ianareo ray aman-dreny mampirisika ny zanakareo hirotsaka hanao ny fanompoana manontolo andro? Moa ve ireo zanakareo mahatakatra mazava tsara fa tianareo ny hampiasany ny fony, ny fanahiny, ny sainy ary ny heriny manontolo ho amin’io asa mendrika hatao io? (Marka 12:30). Mpitory tanora maro no miomana ho amin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy isaky ny misy fahafahana ho amin’izany mandritra ireo taona andehanany any an-tsekoly. Azo antoka fa tena manafana ny fon’i Jehovah ny fifikirana aminy toy izany! — Ohab. 27:11.
5 Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no manana tarehin-javatra izay mamela azy hanao ny asan’ny mpisava lalana. Kanefa, na manambady ianao na mpitovo, na tanora na be taona, moa ve ianao nihevitra tamim-pitandremana sy tamim-bavaka ny hanompo an’i Jehovah amin’ny maha-mpisava lalana mitory ny vaovao tsara? (Kol. 3:23). Mpivady tanora maro no miezaka mba hanitatra ny fanompoany mba hahafahan’ny iray aminy, na izy roa mihitsy aza, hanao ny asan’ny mpisava lalana.
6 Raha mbola tsy manana fahafahana hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra ianao amin’izao fotoana izao, moa ve ianao afaka manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy? Azo inoana fa mpitory maro ao amin’ny kongregasionanao no mikasa hanao izany amin’ny Aprily. Afaka manao izany miaraka aminy koa ve ianao? Na dia mahazo fitahiana maro aza ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehetra, dia misy fitahiana fanampiny miandry ireo izay manana fahafahana handany fotoana bebe kokoa eo amin’ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana mba hikarohana ireo ondry. — Asa. 20:35.