Fiatrehana ny Zava-tsarotra ny Amin’ny Fitoriana Isan-trano
1 Tena zava-tsarotra ho an’ny maro izay manomboka manaraka ny fanompoam-pivavahana madio ny mieritreritra ny fandehanana isan-trano mba hitsidika olon-tsy fantatra. Nefa manampy ny olona iray hiatrika izany zava-tsarotra izany ny fitiavana amim-pahatsorana an’i Jehovah, ary na dia ireo tena saro-kenatra aza dia nandroso hatramin’ny fahatongavana ho mpitory manontolo andro ny vaovao tsara.
2 Mazava avy amin’ny Baiboly fa nizara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fandehanana isan-trano ireo Kristiana voalohany. (Asa. 5:42; 20:20, 21). Isika koa, amin’ny maha-Kristiana antsika amin’izao taonjato faha-20 izao, dia mandray anjara amin’io asa io. Manosika antsika hanao an’io asa io ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika, na dia mety ho tojo tsy firaikana, fahasosorana, fanesoana, na fanoherana mivantana aza isika.
3 Izay tanterahin’ny fiatrehana ny zava-tsarotra: Miezaka isika mamafy voan’ny fahamarinana vitsivitsy isaky ny mitsidika, amin’ny fahafantarana fa ny vokany amin’ny farany, rehefa mitambatra, dia mety ho ny fitondrana voa ho an’ilay Fanjakana. (Mpit. 11:6). Miova ny toe-javatra misy ny olona tsirairay. Mety hisy zava-mitranga izay nahatonga ilay tompon-trano hieritreritra momba izay nolazain’ny iray tamintsika teo am-baravarana ka angamba hirona hihaino kokoa izy amin’ny manaraka.
4 Manome fahafahana ho an’ireo izay ta hanao ny fahamarinana sy ny rariny, hianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany ny fitoriantsika isan-trano, ka hanosika azy ireny hizotra eo amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ampiomanina amim-pitiavana noho izany ireo izay mikatsaka ny fahafinaretan’izao tontolo izao, fa mila ny miova izy mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah. Izany fanompoana izany koa dia mampahafantatra ny anaran’i Jehovah sy mitondra voninahitra ho azy, na mihaino antsika ireo tompon-trano na tsia. — Ezek. 3:11.
5 Manampy antsika hampitombo ny vokatry ny fanahy, toy ny fitiavana tsy mitady tombony, ny fifaliana, ny fiadanana ary ny fahari-po ny fiasana eny amin’ny fanompoana. (Gal. 5:22). Manampy antsika hanetry tena sy hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa izy io, satria mahakasika fanaovan-tsoa ho an’ny hafa. Miaro antsika amin’izao tontolo izao ny fitoerantsika ho be atao amin’ny asan’i Jehovah. — 1 Kor. 15:58.
6 Fanampiana mba hiatrehana ilay zava-tsarotra: Mila mianatra ny fomba handraisana anjara amin’io asa mampietam-po indrindra io ireo vaovao. Matetika izy ireny no tsy ampy fatokian-tena ary noho izany dia mety ho kivy amin’ny fieritreretana fotsiny ny handeha isan-trano. Afaka midinidinika aminy momba ireo fanoherana mahazatra isika sy amin’izay azontsika lazaina ho setriny. Afaka mizatra mampiasa ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra tsara dia tsara ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra izay mamaly ireo fanoherana, isika. Nahoana no tsy manolotra ny hanampy azy ireo hiomana ho amin’ny asa fanompoana? Ho afaka hahazo fanampiana betsaka koa izy ireo amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana ho amin’ny asa fanompoana ka aorian’izany dia hiara-miasa amin’ireo mpitory za-draharaha kokoa. Mety ho tena hampahery ny fiaraha-miasa amin’ny antokon’olona iray.
7 Raha mbola mandeha isan-trano isika, dia manana tombontsoa hisolo tena an’i Jehovah Andriamanitsika. Voninahitra lehibe kokoa inona no mety hananan’ny olona iray noho ny fahatongavana ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra amin’izao fotoana izao? (1 Kor. 3:9). Raha miantehitra aminy isika, dia hanampy antsika ny fanahiny hiatrika ny zava-tsarotra ny amin’ny fitoriana isan-trano. — 2 Kor. 3:5.