Isan-trano Tsy Misy Fitsaharana
1 Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia nisy fanatitra natao isan’andro. (Eks. 29:38-42). Notanana hirehitra hatrany ny afon’ny alitara; ilay setroka niakatra dia “hanitra ankasitrahana” izay nahafaly an’i Jehovah. (Eks. 29:18). Amin’izao andro izao isika dia ampirisihina mba “hanatitra ny fanati-piderana (...) ho an’Andriamanitra (...), dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany”. (Heb. 13:15). Tsy mampiasa ireo fanatitra nampanaovin’ny Lalàna isika, fa manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah kosa amin’ny fanambarana fiderana azy tsy misy fitsaharana. — Isaia 43:21; Asa. 5:42.
2 I Jesosy Kristy, ilay Vavolombelona niavaka indrindra teto an-tany, dia nampianatra antsika ny fomba tsy maintsy anolorantsika ny fanompoam-pivavahana madio amin’ny fanaterana fanati-piderana. Nampianatra ireo mpianany izy fa nahadodona ilay hafatra notorin’izy ireo. Fantany fa ny fomba mandaitra indrindra mba hanatratrarana ny olona amin’ny vaovao tsara dia ny firesahana amin’izy ireo manokana any an-tranony. (Matio 10:7, 12). Koa hitantsika fa ireo apostoly dia nanaraka ilay fitarihany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia fitarihana mba hitory isan-trano. — Asa. 20:20.
3 Tsy hafa noho izany ny amin’izao andro izao. Koa satria izy ireo mpianatr’i Jesosy, dia manaraka ny ohatra navelany ireo Kristiana marina, amin’ny fitoriana ny vaovao tsara isan-trano. Na dia mety hokianina sy henjehina noho izany aza isika, dia olona an-tapitrisany maro no nianatra ny fahamarinana ary mpianatra vaovao ana hetsiny maro no manatevin-daharana ny vahoaka betsaka isan-taona, ka izany dia manaporofo fa io no fomba anatanterahan’i Jehovah ny sitrapony. Izany no antony aharetantsika eo amin’ny fanompoantsika.
4 Soa avy amin’ny fitoriana isan-trano: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; (...) izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35). Ny fandehanana mivantana any amin’ny trano tsirairay ao amin’ny faritanintsika dia mampiseho mazava tsy fizahan-tavan’olona, fanomezana ho an’ny olona rehetra fahafahana handre tsy tapaka ny hafatr’ilay Fanjakana. Ireo olona mandray kosa, ho setrin’izany, dia mahazo fanampiana manokana araka izay ilain’izy ireo isam-batan’olona.
5 Saiky ny mpitory rehetra, anisan’izany ireo tanora kokoa, ireo zokiolona, ary na dia ireo vaovao aza, dia samy afaka mandray anjara amin’ny asa isan-trano. Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny tsirairay ‘manao fanambarana ampahibemaso hahazoany famonjena’. (Rom. 10:10, NW). Ny fandraisana anjara miaraka amin’ny hafa eo amin’ny fanompoana isan-trano dia mampiray antsika ao anatin’ny fatoran’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina. Amin’izay fotoana izay ihany, dia omena fahafahana isika hampiseho ny fiaretantsika rehefa tojo tsy firaikana na fanoherana. Io fampisehoana ampahibemaso ny finoana io dia mahatonga antsika ho ‘fizahana’, ka izany dia manampy ireo olona tso-po hahatakatra fa manana fandaharana voalamina isika ho amin’ny fampianarana ny Baiboly, ary afaka mandray soa avy amin’izany izy ireo. (1 Kor. 4:9). Asehon’ny zava-drehetra mazava tsara fa tahin’i Jehovah ilay asa isan-trano ary ampiasainy izy io mba hanangonana ny vahoaka betsaka ao ‘an-tranony’ fanaovana fanompoam-pivavahana madio. — Isaia 2:2-4.
6 Amin’izao fotoana izao ny olona dia mila mandre ny hafatr’ilay Fanjakana, bebe kokoa noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantara. Aoka isika hanohy hitory hatrany isan-trano tsy misy fitsaharana mandra-pilazan’i Jehovah hoe ampy izay. (Isaia 6:11). Amin’ny fanaovana izany dia hovalian-tsoa isika amin’ilay fifaliana izay azo avy amin’ny fandraisana anjara amin’ilay fanompoana isan-trano lehibe sy mahasoa amin’izao fotoan’ny farany izao. — 1 Kor. 15:58.