Mampiasà Taratasy Mivalona mba Hampidirana ny Boky Lehilahy Niavaka
1 Mandritra ny volana Jona, dia mpitory maro no hampiasa taratasy mivalona mba hanairana ny fahalianan’ny olona amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Ireo fanipazan-kevitra omena manaraka dia hanampy antsika hametraka maro amin’io boky io mandritra ny volana Jona.
2 Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? Manampy be dia be eo am-panombohana resaka ireo taratasy mivalona. Manampy izy ireo mba hisarihana ny sain’ireo tompon-trano satria miresaka momba ny foto-kevitra misy heviny izay mahakasika azy manokana ireo taratasy mivalona.
Ohatra, azonao atao ny milaza zavatra toy izao:
◼ “Rehefa miresaka amin’ny olona izahay, dia mahamarika fa maro no milaza ny fanahiany momba ny (...) [mifidiana zava-niseho nolazaina vao haingana tamin’ny vaovao]. Toa miharatsy hatrany ny toe-javatra eo amin’izao tontolo izao. Misy aza manontany tena raha afaka ny ho tafita velona ity tontolo ity. Inona no hevitrao momba izany? [Avelao hamaly ilay tompon-trano. Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahita afa-tsy ireo lafiny tsara indrindra amin’ny fiainana.] Namaky zavatra mampahery tiako hozaraina aminao aho. Ato amin’ity taratasy mivalona ity ilay izy. [Tolory ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? ilay tompon-trano, ary mihazòna iray koa eny an-tananao ho anao.] Mariho fa i Jesosy dia naminany fa (...)”. Mamakia fanazavana avy amin’ny fehintsoratra iray eo amin’ny pejy faha-4 na faha-5 izay mifanentana amin’ilay zava-niseho vao haingana notononinao tao amin’ny fampidiran-dresakao. Avy eo dia atolory ny boky Lehilahy Niavaka. Makà fanazavana fanampiny momba ny faminanian’i Jesosy asongadina ao amin’ny toko faha-111. Ankoatra izany, dia aza hadinoina ny mamela fanontaniana iray momba ny foto-kevitra iray hiaraha-mandinika rehefa hiverina ianao.
3 Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao: Manao ahoana izany hoe miaina amim-piadanana ao amin’ny tontolo vaovao iray izany aminao? Mazàna ny olona dia mieritreritra momba ireo sary mahafinaritra ny maso atolotr’ireo renirano mahavariana sy ireo lohasaha mangina ary ireo biby miara-miaina amim-piadanana. Ireo izay ory noho ireo toe-piainana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mety hahita fa hamelombelona azy indrindra ny fahatsinjovana tontolo vaovao iray miadana.
4 Moa ve ianao vonona ny hanolotra zavatra mamelombelona sy mahafinaritra ho an’ireo mpifanila trano aminao, ireo mpiara-miasa aminao ary ireo izay hitanao eo amin’ny fitoriana isan-trano?
Rehefa mampiasa ilay taratasy mivalona hoe “Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao” ianao, dia afaka milaza zavatra toy izao:
◼ “Heverinao ve fa ho azon’ny olona atao indray andro any ny hiaina ao anatin’ny fiadanana tahaka ny asehon’ny fonon’ity taratasy mivalona ity? [Avelao hamaly ilay tompon-trano.] Jereo ange, aza fady, ny fehezanteny farany amin’ny fehintsoratra voalohany eto amin’ny pejy faha-2 eto e. Hoy izy: ‘Nefa sao nofinofy na hevi-dravina fotsiny ny mino ny hisian’ny toy izany ambonin’ny tany indray andro any?’ [Avy eo dia vakio ny fehintsoratra manaraka amin’ilay taratasy mivalona.] Io teny tononina momba ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao io dia avy ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny 2 Petera 3:13. Raha tsy manahirana anao ny haka ny Baibolinao, dia afaka mamaky ny Salamo 104:5 isika, mba hahafantarana bebe kokoa momba ny hoavin’ny tany.” Na azonao atao koa ny mamaky fotsiny io andinin-teny io avy ao amin’ny Baibolinao. Tariho ho amin’ny toko faha-133 amin’ny boky Lehilahy Niavaka ilay resaka.
5 Ilaina ny hanaovana fiverenana mitsidika fanampiny mba ‘hanondrahana’ ilay voa vao avy nafafy. (1 Kor. 3:6, 7, NW). Ilay lahatsoratra etsy ambany dia manome fanipazan-kevitra momba ny fomba mety hanombohana fampianarana amin’ny boky Lehilahy Niavaka, na amin’ny fitsidihana voalohany izany na amin’ny fanaovanao fiverenana mitsidika.