Fanampiana ny Hafa mba Hanaiky Amim-pankasitrahana ny Harena Lehibe Iray
1 Rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny hafa isika, ny iray amin’ireo zava-kendrentsika dia tokony ho ny hanampy ireo olona tso-po hahatakatra ny fihoaran’ny hatsaran’ny Tenin’Andriamanitra. (Fil. 3:8). Mandray anjara lehibe amin’ny fanelezana ny hafatra momba ilay Fanjakana ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika miorina amin’ny Baiboly. Ohatra, ny boky Hiaina Mandrakizay dia nanampy olona ana hetsiny maro hanompo an’i Jehovah noho ny nianarany ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
2 Ny fanompoantsika dia mahafaoka mihoatra noho ny fametrahana fotsiny zavatra vita an-tsoratra amin’izay olona rehetra vonona ny handray izany. Ilaintsika ny mampiditra ny hafatra amin’ny fomba manintona sy ny mihaino amim-pahaiza-manavaka izay lazain’ilay tompon-trano, ary avy eo, ny ho vonona ‘hanjohy hevitra miaraka aminy avy ao amin’ny Soratra Masina’. — Asan’ny Apostoly 17:2, NW.
3 Amin’ny fomba ahoana no azo anaovana izany? Ny fampidiran-dresaka ataontsika dia afaka manokatra ny lalana mba hanehoan’ny tompon-trano na tena liana amin’ny Baiboly sy ny hafatra raketiny izy ireo na tsia.
Azonao atao ny milaza toy izao:
◼ “Mitsidika ny olona izahay mba hiresaka aminy ny amin’ny hevitr’izay mitranga manodidina antsika eo amin’izao tontolo izao, ankehitriny. Nisy fihenan’ny fahalianana ny amin’Andriamanitra sy ny fari-pitsipiny momba ny fiainana araka izay aseho ao amin’ny Baiboly, eo amin’ny olona maro be. Nisy heriny lehibe teo amin’ny fihetsiky ny olona teo amin’izy samy izy izany. Efa nahamarika izany ve ianao? [Avelao izy hilaza ny heviny. Azonao atao ny miresaka momba ny ohatra voafaritra tsara.] Mariho, aza fady, ny fihetsik’ireo izay lazaina eo amin’ny 2 Timoty 3:1-5, ary aminao toa tahaka ny tontolo amin’izao andro izao ve izany sa tsia. [Vakio; avelao izy hilaza ny heviny.] Misy antony tsara tokony hanantenana toe-piainana tsaratsara kokoa ve amin’ny hoavy?” Raha misy fahalianana, dia jereo ny sary eo amin’ny pejy faha-12 sy faha-13 amin’ny boky Hiaina Mandrakizay ary tariho ho amin’ny fehintsoratra faha-12 sy faha-13 ny saina. Raha voafetra ny fahalianana, amin’izay dia azo atolotra ny taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao.
4 Raha toa ka ray na reny no miseho eo am-baravarana, dia azontsika atao ny manomboka ny resaka ataontsika amin’izao fomba izao:
◼ “Miresaka amin’ny olona liana ny amin’ny fomba ahafahantsika miatrika tsaratsara kokoa ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainam-pianakaviana izahay. Isika rehetra dia miezaka manao izay tsara indrindra azontsika atao, nefa raha misy zavatra afaka manampy antsika mba hahita fahombiazana kokoa, tsy ho liana ve isika? [Avelao izy hamaly.] Manome fitarihana ny Baiboly amin’io lafiny io, toy izay hita ao amin’ny Kolosiana 3:12-14. [Vakio.] Noho izany, inona no ilaina mba hahitana fiainam-pianakaviana mahomby? Mariho izay voalaza ao amin’itỳ boky itỳ, eo amin’ny toko mitondra ny lohateny hoe ‘Mahità Fahombiazana eo Amin’ny Fiainam-pianakaviana’.” Vakio ny fehintsoratra faha-3 eo amin’ny pejy faha-238 amin’ny boky Hiaina Mandrakizay. Raha sahirana ilay tompon-trano na tsy manana fihetsika tsara avy hatrany, dia miezaha mampiseho gazety iray vao haingana izay mandinika ireo zava-manahirana ara-pianakaviana na ilay taratasy mivalona hoe Une vie de famille agréable.
5 Tsy irintsika mihitsy ny hanadino ny zava-kendrentsika rehefa manome fanambarana feno momba ilay Fanjakana. (Matio 24:14). Amin’ny fampiasana amin’ny fomba tsara ny Baiboly sy ireo tahirin-javatra vita an-tsoratra teokratika mahatalanjona azontsika raisina, dia afaka ny hiantehitra amim-pitokiana amin’i Jehovah isika mba hahazo ny fitahiany eo am-panatanterahana ny sitrapony mandritra izao fotoana miavaka diavintsika izao. — Gal. 6:9.