Fiverenana mba Hanairana ny Fahalianana Amin’ny Baiboly
1 Indraindray isika, rehefa eny amin’ny asa fanompoana, dia mahita olona mampiseho fahalianana amin’ny vaovao tsara kanefa sahirana loatra mba hiresaka amintsika amin’ny fotoana itsidihantsika azy. Moa ve isika miezaka hiverina amin’ny fotoana hafa mba hizara ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’izy ireny? Na angamba isika nanao resadresaka nahaliana tamin’ny tompon-trano iray, kanefa tsy nandray zavatra vita an-tsoratra izy. Moa ve isika miverina mba hanao resaka fanampiny momba ny fahamarinana aminy?
2 Zava-dehibe ny hiasantsika ny faritanintsika amin’ny fomba feno sy ny hanolokoloantsika ny fahalianana rehetra mety ho hitantsika. Moa ve isika tsy miverina mitsidika afa-tsy ireo izay mandray boky na gazety? Raha izany no izy, dia mety hanao tsirambina ny olona liana sasany isika. Azo antoka fa tsy ho tiantsika ny hitsara ny olona iray ho tsy mendrika ny hahazo fampaherezana ara-panahy fanampiny satria fotsiny hoe tsy nandray zavatra vita an-tsoratra izy. (Ampitahao amin’ny Romana 14:4.) Angamba aorian’ny fitsidihantsika, dia mety hieritreritra momba izay nolazaintsika ny tompon-trano iray, na mety hanjary hankasitraka ny ezaka nataontsika mba hitsidihana azy. Mety ho vonona kokoa ny hihaino izy rehefa miverina isika.
3 Rehefa miverina mitsidika olona iray izay sahirana teo aloha ianao, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Faly aho mahita anao indray. Fony aho teto tamin’ny farany, dia tsy afaka niresaka isika satria tsy nanam-potoana ianao. Hitako fa olona sahirana ianao, ka ho vetivety ihany aho. Azo inoana fa miahy ny amin’ny hanananao sy ireo olona tianao fahasalamana tsara ianao. Fantatrao ve fa Andriamanitra dia nampanantena ny hamarana ny aretina rehetra? Tsy hahafinaritra ve izany? [Avelao izy hamaly.] Mariho ilay hevitra eto amin’ny fehintsoratra faha-4 amin’itỳ bokikely hoe ‘Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra’ itỳ.” Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia vakio ilay fehintsoratra ary avy eo dia diniho ny iray amin’ireo andinin-teny eo amin’ny faran’ny pejy faha-4 izay milazalaza momba ny toe-piainana ao amin’ny tontolo vaovao. Raha mihaino tsara ilay tompon-trano, dia mety ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly ianao.
4 Rehefa mitsidika indray olona iray nandray taratasy mivalona ianao, dia azonao atao ny milaza zavatra mitovy amin’izao:
◼ “Fony isika nifankahita tamin’ny farany, dia nandray iray tamin’itỳ taratasy mivalona mitondra ny lohateny hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao itỳ, ianao. Mihevitra ve ianao fa sarotra ny mino izany? [Avelao izy hamaly.] Mariho ny voalazan’ny fehintsoratra faha-2 eo amin’ny pejy faha-2.” Vakio ilay fehintsoratra, avy eo dia manontania hoe: “Nahoana isika no afaka mino fa tsy maintsy hisy ny toe-piainana toy izany eto ambonin’ny tany?” Rehefa avy namaly ilay tompon-trano, dia iaraho dinihina aminy ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-3. Azonao atao ny manohy mandinika lalina kokoa ilay taratasy mivalona, na mety ho tianao ny hampiditra ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? ary handinika ny fehintsoratra faha-3 sy faha-4 amin’ny fizarana faha-2.
5 Misy antony tsara tokony hananantsika fihetsika manorina sy hanolokoloantsika ny fahalianana hitantsika eo amin’ny asa fitoriana ataontsika, na dia tsy miseho afa-tsy amin’ny fomba voafetra aza izany. Zava-dehibe ny hiahiantsika momba ny hafa, ny hahavoatosika antsika hanampy azy ireny hianatra ny fahamarinana. Ny fandaminan’i Jehovah dia manome zavatra vita an-tsoratra sy fanipazan-kevitra momba ny fomba fampiseho izay afaka manampy antsika hahatonga ny hafa hahatsapa fa mila zavatra ara-panahy ny tenany. — Matio 5:3, NW.
6 Raha nanao resadresaka nahafinaritra tamin’ny olona iray izay nety ho naneho na dia fahalianana kely fotsiny aza ianao, dia aza atao tsirambina ny hiverina hitsidika azy mba hanolokoloana ny fahalianany. Izany dia mety hiafara amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly any an-tokantranony sy amin’ny fitarihana azy ho eo amin’ny lalan’ny fiainana. Mampirisika ny rehetra izahay mba hanohy handray anjara amim-pahamalinana tsara amin’io asa famonjena aina io. — 1 Tim. 4:16.