Mampihatra Fitaomana Mahery ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra
1 Manana tombontsoa tokoa isika mahazo fampianarana avy amin’ilay manana ny maha-Andriamanitra azy, dia i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika! (Sal. 50:1, NW; Isaia 30:20b). Amin’izao andro izao dia olona maro be avy amin’ny firenena rehetra no mirohotra mankany amin’ny tendrombohitry ny fanompoam-pivavahana madio atao aminy mba hahazo fampianarana avy aminy. (Mika 4:2). Olona an-tapitrisany maro hafa no miditra amin’ireo sekoly izay manandratra ny fihevitr’olombelona sy ny fahendren’izao tontolo izao. Nefa, hadalana eo imason’Andriamanitra ny fahendrena izay tsy mihevitra an’i Jehovah sy ny Teniny voasoratra, ary tonga adala ireo izay tarihin’izany. — Sal. 14:1; 1 Kor. 1:25.
2 Tamin’ireo fivoriamben’ny distrika lasa teo isika dia nahatsapa tamin’ny fomba niavaka ny herin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Ny loha hevitra hoe “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” dia nisongadina tamin’ny fandaharana iray manontolo. Nianarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny miaraka dia mampiray antsika ao amin’ny fitambaran’ny mpirahalahy maneran-tany, mamolavola ny maha-isika antsika sy miaro antsika amin’ireo fampianaran’ny demonia ary mampiofana antsika ho tonga mpitory tsaratsara kokoa. Tamin’ny fomba ahoana no nandraisan’ny tenanao soa avy tamin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
3 Vokany eo amin’ny fomba fiaina kristiana: Manampy amin’ny famolavolana ny feon’ny fieritreretantsika ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Teraka manana ny feon’ny fieritreretana daholo ny olona tsirairay, nefa mba hahafahany hitarika antsika ho amin’ny lalan’ny fahamarinana sy amin’ny fanompoana ankasitrahan’i Jehovah, dia tsy maintsy ampiofanina izy io. (Sal. 19:7, 8; Rom. 2:15). Tsy namolavola ny fiheviny araka ny Tenin’Andriamanitra ireo olona eo amin’izao tontolo izao, ka noho izany antony izany dia sahiran-kevitra sy misalasala izy ireo raha ny amin’ny atao hoe marina sy diso. Mafana ny ady hevitra any amin’ireo raharaha momba ny fari-pitondran-tena satria manantitrantitra ny hanao izay marina araka ny heviny ny olona tsirairay. Maniry fahafahana tanteraka hanapaka ny amin’ny fomba hitondrany ny fiainany manokana ny ankamaroan’ny olona. Tsy eken’izy ireo ny hanaraka ilay hany loharanom-pahendrena marina. (Sal. 111:10; Jer. 8:9; Dan. 2:21). Nandamina ny raharaha iadian-kevitra toy ireny ho antsika anefa ny fampianarana araka an’Andriamanitra, ary mitoetra ho tafaray isika amin’ny maha-ankohonan’Andriamanitra satria isika ampianariny. Miatrika amim-pitokiana ny hoavy amin’ny fananana feon’ny fieritreretana tsara isika, ka be atao hatrany amin’ny fanompoantsika.
4 Manampy antsika hanohitra “ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra” ny fampianarana araka an’Andriamanitra. (Efes. 4:14). Isika dia tsy voataonan’ny fianarana filozofia, izay mahatonga ny olona ho mpanakiana sy hirona ho amin’ny fisalasalana, mampirisika hisafidy malalaka izay ataon’ny tena ary mitarika ho amin’ny fikororosiana ara-pitondran-tena. Manome fahafaham-po ho antsika ny hoe ampianarin’i Jehovah, ary amin’izany fomba izany dia misoroka ny alahelo sy ny fahorian-tsaina mahazo ny olona maro isika. Ireo lalàn’i Jehovah sy ireo fampahatsiahivana avy aminy dia tahaka ny ‘teny ao ivohontsika’ milaza hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” — Isaia 30:21.
5 Ireo fivoriantsika sy ny fanompoantsika: Isika dia mihevitra ny Hebreo 10:23-25 ho toy ny baiko avy amin’Andriamanitra. Amin’ireo fivorian’ny kongregasiona no ampianaran’i Jehovah antsika. Moa ve fahazarantsika foana ny ho tonga amin’ireo fivoriana sa isika mihevitra fa tsy dia zava-dehibe loatra ny fanatrehana fivoriana? Tadidio fa anisan’ny fanompoam-pivavahantsika ny fiarahana mivory. Tsy tokony hoheverina ho safidy izany. Tsy azontsika atao ny manao tsirambina na dia tapany iray aza amin’ny fandaharam-pamahanana ara-panahy nomanin’i Jehovah ho antsika.
6 Nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao i Mosesy: “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” (Sal. 90:12). Izany koa ve ny vavaka ataontsika? Ankasitrahantsika ve ny andro sarobidy tsirairay? Raha manao izany isika, dia ‘hahazo fo hendry’ amin’ny fandaniana amin’ny fomba mendrika ny andro tsirairay ho voninahitr’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampianatra antsika Lehibe. Hanampy antsika hanao izany ny fampianarana araka an’Andriamanitra.